
« Mbola misy omby an-jatony ao Mihary, kaominina Mahakibo any Betroka ihany izay giazan-dRemenabila. Raisin’ireo mponina ao an-toerana ho toy ny olobe i Remenabila ka tena ampian’izy ireo. Vonona ny hiaro an’io dahalo rain-dahiny io mihitsy ireo olona ireo. Mba hisorohana ny mety ho fahafatesan’olona maro hateraky ny fifandonana dia miezaka mandresy lahatra ireo raiamandreny sy olobe iray fihaviana amin-dRemenabila ny jeneraly Manankay Augustin izay efa any an-toerana», hoy ny loharanom-baovao avy amin’ny zandary.
Tsy mipetra-potsiny ireo mpampandry tany any an-toerana tato anatin’ny andro vitsy lasa izay.
« Ny alahady teo dia nanafika tao Ankazolahy, tanàna iray tsy lavitra an’Iabohazo misy ny fonenan’ny rafozan-dahin-dRemenabila ireo miaramila, nikasa ny hisambotra an’ity farany. Mahagaga anefa fa lavenona sisa no novantanin’izy ireo. Efa may avokoa ilay tanàna iray manontolo. Tsy fantatra izay nandoro azy », hoy ihany ny loharanom-baovao.
Mikasika ireo razana hita indray dia milaza ny kolonely Randriamahavalisoa Gérard, talen’ny fiarovana sy ny fanangonam-baovao eo anivon’ny kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena fa « tsy mbola misy tatitra voarain’izy ireo mikasika izany ».
Faralala
Dahalo 100 manafika koa any Tsiroanomandidy
Mirongatra ihany koa ny dahalo any Tsiroanomandidy. Omaly tokony ho tamin’ny 4 ora maraina dia dahalo manodidina ny 100 isa no nanafika ny tananàn’i Miaranarivokely-Fiakarantsoa any Bemahatazana. Nisy ny fifandonana teo amin’ny zandary, miaramila avy amin’ny tafika sy ireo dahalo.
« Omby an-jatony no lasan’ireo dahalo tamin’io fanafihana io. Natao ny fanarahan-dia ka rehefa nifankatazana ireo fokonolona miaraka amin’ny mpitandro ny filaminana sy ireo dahalo izay mirongo fitaovam-piadiana ihany koa dia nisy ny fifampitifirana. Dahalo telo no maty ary miaramila avy amin’ny tafika iray no naratra», hoy ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny seraseran’ny Zandarimariam-pirenena.









0 Fanehoan-kevitra