Mofomamy yaorta

Ora ilaina amin’ny fikarakarana : 15 mn
Ora ilaina amin’ny fahandroana : 30 mn
Zavatra ilaina (ho an’olona valo) :
Atody akoho roa, yaorta iray, dibera 150g, lafarinina fahefa-kilao, fonosana «levure» antsasany, siramamy fahefa-kilao.
Fomba fikarakarana ny sakafo :
Afangaro tsikelikely ireo zavatra notanisaina ireo, arakaraka ny filaharany avy. Kapohina tsara, ahazoana paty marihitra. Arotsaka anaty lasitra efa nohosorana dibera sy lafarinina kely izany, rehefa avy nokapohina tsara. Ahandroina ao anaty lafaoro mandritra ny antsasak’adiny. Ho an’ireo tsy manana lafaoro dia azo atao tsara ny mampiasa vilany.
Apetraka ambony afon’arina ny vilany, ametrahana fasika ao anatiny. Apetraka ambonin’io fasika io ny lasitra. Saronana ny vilany, saingy atao mivadika ny takotra ary ametrahana vain’afo ihany koa eo amboniny.
Azo hanina mafana, na mangatsiaka, araka izay itiavana azy koa mazotoa homana tompoko !
Nangonin’i MR








0 Fanehoan-kevitra