Afaka herinandro. Amin’ny alarobia ho avy izao no hivoaka ny didim- pitsarana mahakasika ny fampiharana ilay didy hitsivolana mamela
ny foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny hetra (Dgi) hiditra ao amin’ny faritra misy ny Tiko ao Antsirabe.
Ny alarobia lasa teo no nitondra ny teny fiarovana ny orinasa Tiko teo anivon’ny Fitsarana etsy Anosy ny Me Radson Solo sy ny ekipany. Nanao fampiakarana io didy hitsivolana nanome alalana ny Dgi hiditra sy hanao fanagiazana ao amin’ny Tiko Antsirabe io mantsy ireto mpisolovavan’ny Tiko ireto. Fanagiazana izay entina hanaovana lavanty ireo entana ao anatin’ny Tiko ho amin’ny fandoavana ny hetra an’aliny tapitrisa ariary, izay nolazaina fa tsy voaloan’ny orinasa.
HNA








0 Fanehoan-kevitra