
Afaka misoratra anarana etsy amin'ny Lapan'ny tanàna anio ireo rehetra liana hiofana momba ny fambolena oviala
Santa-bokatra an-drenivohitra. Resy lahatra ny kaominina Antananarivo renivohitra (Cua) fa azo atao tsara ny manao fambolena oviala eto Iarivo. Hiroso amin’ny fanaparitahana sy fanentanana ny mponina mba hamboly izany ny Cua. »Azo atao foto-tsakafo ny oviala mba hiatrehana ny fiovaovan’ ny toetr’andro sy ny tsy fanjarian-tsakafo ary ny ady amin’ny hanoanana », araka ny fanentanana nataon-dRasoanaivo Charlie, tale misahana ny tontolo iainana sy ny sehatra maitso eo anivon’ny Cua.
Nanamafy izany ihany koa ny avy amin’ny amin’ny ofisy nasionaly misahana ny sakafo (ONN), ka nilaza fa manome 1 150 kaloria izay ampy ilain’ny vatan’ny olon-dehibe iray mandritra ny roa andro sy tapany ny oviala iray milanja 4,5 kg. « Tafiditra rahateo amin’ny vinan’ny tanàna izany satria sady entina hiarovana ny tontolo iainana no entina hanampiana ny mponina », araka ny fanamarihan- dRasamimanana Olga, sekretera jeneralin’ny Cua, izay nisolo tena ny Pds Razafindravahy Edgard.
Fomba maro no azo ambolena ny oviala eto an-drenivohitra. Epp valo sy fokontany valo no efa nanaovana ny fanentanana mikasika ny fambolena tamin’ny volana desambra 2011. Omaly no niotazana ny vokatra voalohany tetsy amin’ny Epp Antanimena III. « Voly oviala an-drenivohitra hisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo an-tokantrano sy an-tsekoly », no lohahevitra entin’ny Cua sy ny mpiara-miasa aminy hanentana ny mponina amin’ny fambolena oviala. Nilanja 5kg ka hatramin’ny 20kg ny vokatra niakatra hita omaly.
LR









0 Fanehoan-kevitra