Mpianatra roa lahy nitondra fiara marika « Peugeot 305 » avy nia- natra no nandona lehilahy, tokony ho 37 taona, teo Anosy omaly antoandro tamin’ny 2 ora. Naratra be ny lohan’ ilay lehilahy voadona ary teo amin’ny tongony no nahitana fivontosana be.
Araka ny fitantaran’ ilay mpianatra nitondra fiara dia « niampita tampoka no nahavo-adona ilay niharan-doza, ary tsy hitany mihitsy raha tsy efa izy nitsirara teo amin’ny tany ». « Nidona mafy teo amin’ny « retroviseur » no mety ho naha- vaky ny lohany », araka ny voalazany ihany.
« Niaraka niam-pita izahay ka rehefa tonga teo afovoan’ny arabe dia somary tara tany aoriana izy ary izay no nahavoadona azy », araka ny fanazavan’ny rahalahin’ilay niharan-doza.
Naterina avy hatrany teny amin’ny hopitaly Joseph Ravo- ahangy Andrianava-lona Ampefiloha ilay naratra.
Haja R.









1 Fanehoan-kevitra