Zandary iray no naratra voatifitry ny jiolahy namaky trano, teny Masinandriana Ankadikely Ilafy, omaly vao maraimbe tokony ho tamin’ny 1 ora.
« Niisa 10 ary nitondra basy poleta, »kalachnikov » sy »fusil à pompe » ary fitaovana famakiana trano marobe, ireo jiolahy. Nanapoaka basy izy ireo raha vao hiditra tao amin’ilay trano, ka raha vao nandre izany ny zandary dia nandray fanapahan-kevitra hano- didina an’ilay toerana », hoy ny tatitry ny zandary etsy Ankadikely Ilafy.
Rehefa nahita an’ireo mpitandro ny filaminana ireo jiolahy dia niverina nitifitra indray ka teo no nahavoa an’ilay zandary. Voalazan’ny mpitandro ny filaminana fa tafatsoaka ireo jiolahy niaraka tamina finday maromaro sy vola Ar 240 000.
Haja R.










0 Fanehoan-kevitra