Voasambotra omaly ilay lehilahy iray izay voalaza fa isan’ireo nikasa hangalatra ilay fiara »Toyota Figo » teny Ankadikely-Ilafy, afak’omaly. Efa voatazona eny amin’ ny zandary ary anaovana famotorana ity farany. Raha tsy misy ny fiovana dia anio no tokony hatolotra ny Fitsarana ireo voarohirohy amin’ity raharaha ity. Telo izy ireo no voasingotra amin’izany, ka vehivavy ny iray.
Ny fahatrarana ambodiomby an’ireo namany roa teny Ankadikely no nitarika tamin’ny fisamborana an’ity lehilahy ity, izay nambara fa tafaporitsaka tamin’io fotoana io. Ireo roa voalohany voasambotry ny fokonolona dia efa nisy nikasi-tanana mihitsy.
Faralala









0 Fanehoan-kevitra