Subscribe to RSS

Anjoron- »CAN »

Milan AC sy Benatia
Na dia mbola any Afrika Atsimo hiatrika ny Can 2013 aza ity kapitenin’ny Liona avy any Atlas izay milalao ao Udinese ity dia efa mandeha sahady ny resaka amin’ny mety hindraman’ny Milan AC azy amin’ity taom-pilalaovana ity.

Afrika Atsimo sy Norvezy
Niondrika teo anatrehan’ny ekipan’i Norvezy tamin’ ny alalan’ny isa 1 no ho 0, tao amin’ny taniny ny Bafana Bafana tamin’ny talata teo. Teo amin’ny minitra faha-41 no nahafatesan’i Elyounoussi ny baolina nandresena ity firenena mpampiantrano ny Can ity tamin’izany.

Voatana sahala i Nizeria
Nisaraka ady sahala samy tsy nitoko i Nizeria sy Cap Vert nandritra ny lalao fanomanan’ny Antsantsa manga ny Can 2013, ny alarobia lasa teo. Isan’ireo ekipa tsy dia nampoizina loatra teo amin’ireo ekipa 16 tafita hiatrika ny dingan’ny famaranana izy ireo. Isan’ireo nahintsany ka niakarany tamin’izany ny Liona tsy Voabaikon’i Cameroun.

Nangonin’i Roméo Andriamihaja

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

« Afrobasket tour U16″ – Nomontsanin’ny FFI Ivandry  ny South Side

« Afrobasket tour U16″ – Nomontsanin’ny FFI Ivandry ny South Side(0)

Tamin’ny alalan’ny isa mavesatra 103 no ho 42 no nanamontsanan’ny ekipan’Ivandry, FFI, ny South Side avy eny Atsimondrano, ny sabotsy lasa teo teny amin’ny kianjan’Ambohipo. Andro faharoa tamina kianja faharoa ity notontosaina ity taorian’ ny nanombohan’ny teny amin’ny kianjan’ Ambodin’ Isotry,  herinandro talohan’ izao. Ity ekipan’Ivandry ity irery no nahatafakatra ny isa 100 tamin’ireo lalao dimy nanamarika izany teny an-toerana. Nanamarika iny faran’ ny herinandro iny ihany koa ny fandresena faharoa

Lay sy voy lakana – Mpilay 10 ofanin’i Rob Holden  ho lasa mpampianatra

Lay sy voy lakana – Mpilay 10 ofanin’i Rob Holden ho lasa mpampianatra(0)

“Hanomboka hametraka ny fototra eo amin’ny fitondrana lay sy ny voy lakana ny federasiona amin’ity taona ity hatramin’ ny taona 2016”, hoy i Brice Jacobson Andrianirina, filohan’ny Lay Voy Lakana Malagasy federasiona, omaly teny amin’ny hotel Palissandre Ambondrona. Hoentina manomboka izany ny fampiofanana ireo mpampianatra 10 mianadahy tontosaina any Antsiranana, izay tarihin’ilay manam-pahaizana manokan’ny federasiona iraisam-pirenena, Rob Holden. “Fanatanjahan- tena tsy mitovy amin’ny rehetra izy ity ka ilaina ny mpampianatra manana

« Tournoi Berthin » – Hisokatra eny amin’ny kanetibe sy basket-ball

« Tournoi Berthin » – Hisokatra eny amin’ny kanetibe sy basket-ball(0)

Nandritra ny lalao nokara- karaina teny Antanikatsaka Itaosy no namalian’i Berthin Randriamihaingo ny heta- hetan’ireo mpankafy taranja tsipy kanetibe sy basket-ball, avy eny Atsimondrano. “Hosokafantsika ato ho ato ny fifaninanana ho an’ireo taranja roa ireo raha efa nisy ny fifaninanana baolina kitra sy rugby nokarakaraina. Ireo tanora eny amin’ny fokontany amin’ny distrikan’ Atsimondrano no nangataka izany ka mendrika hotohanana”,

Baolina kitra UFOI – Hatao etsy Mahamasina  ny lalao famaranana miverina

Baolina kitra UFOI – Hatao etsy Mahamasina ny lalao famaranana miverina(0)

Ny alatsinainy teo no nanainga hihazo an’i Seychelles, izay hiatrehan’izy ireo ny lalao famaranana mandroso ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Ranomasimbe Indianina hihaonana amin’ny Dalons de la Côte D’Or, ny Tana Formation FC. Mpilalao 18 no mandrafitra ny delegasiona ka ny “hikatsaka fandresena no tena tanjona”, araka ny nambaran’i Hery Rasoamaromaka, filohan’ny klioba Tana Formation FC. “Mbola matory indroa

« Evenement sportif » – Hifaninana hitety faritra ireo mpiasan’ny Otiv

« Evenement sportif » – Hifaninana hitety faritra ireo mpiasan’ny Otiv(0)

Kianja efatra amina tanàna samy hafa no hanao- vana ny fifaninanana ho an’ireo mpiasan’ny Otiv tambajotra Antananarivo, ao anatin’ny iray volana. Hatomboka any Mangamila izany amin’ny sabotsy ho avy izao, ary hiova kianja isaky ny faran’ny herinandro hatramin’ny 15 jona, hanaovana ny famaranana. “Isan’ny hampiavaka ity andiany fahefatra ho an’ny fifaninanana karakarainay ity ny fidinana eny amin’ireo masoivoho efatra: Mangamila, Ambohimalaza,

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite