Hatramin’ny volana janoary no nankaty dia mbola vao efatra monja ny minisitra nanao fanambaràm-pananana teny amin’ny Bianco. Tsy mbola nisy nanao izany kosa ireo mpikambana eo amin’ny Filankevitra ambonin’ny Tetezamita, ireo olom-boatendry ao amin’ny Kaongresin’ny tetezamita na koa ireo Lehiben’ny faritra.
Tsy vao tamin’ity taona ity no »manadino » tsy manao an’io fanambaràna voafaritry ny lalàna io ireo tompon’ andraikitra ambony voatondro fa tokony hanao an’izany.
Mbola ny filazana fa hijery izay fomba ahafahana manenjika ireo miziriziry tsy manao fanambaràm-pananana izay hatrany anefa hatreto no ataon’ny eo anivon’ny birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco). Efa zary litania mihitsy io fa tsy mbola nisy voasazy aloha hatreto. Voafaritry ny lalàna mazava mihitsy anefa ny sazy tokony homena ireo tsy mahefa ny adidiny. Ny tsy fahasahiana mikapoka ihany anie no mampidingin-drambo ny zaza maditra e!









0 Fanehoan-kevitra