Subscribe to RSS

Ampangabe – Mpandeha taksiborosy 13 naratra mafy

Olona 13 no naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga teo amin’ny taksiborosy marika « Mazda » teny Ampangabe-Ambatofotsy tamin’ny lalam-pirenena faha-7 iny, ny talata teo.  Noentina notsaboina haingana teny amin’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy Andriana­valona izy ireo. Andeha hiakatra aty Antana­narivo ity fiara mpitatitra ity no tra -doza.

« Niditra fiolahana ilay taksiborosy ary tafiala ny lalana ka nilatsaka tany anaty hantsana », araka ny tatitra azo teo anivon’ny zandarimaria. « Tany amin’ny 100 metatra vao nijanona ilay fiara ary  niafara tany an-tanimbary», hoy hatrany ny tatitra.
Araka ny voalazan’ ny teo anivon’ny zandarimaria ihany dia « nisy olana teo amin’ny familiana ity  fiara mpitatitra ity ka izay no nahatonga ny loza ».

Haja R.

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Tanjombato – Lehilahy maty nitsoraka tampoka  avy eny ambony tetezana

Tanjombato – Lehilahy maty nitsoraka tampoka  avy eny ambony tetezana(0)

Hatairana ny an’ireo olona monina etsy amin’ny manodidina ny tetezan’i Tanjombato, omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 ora nahita lehilahy iray nitsoraka tampoka avy eny ambony tetezana. Namoy ny ainy avy hatrany ity farany. Niantso teo amina  »taxi-phone » iray teo akaikin’ilay tetezana izy nialohan’ny nitsorahany tao amin’io tetezana io, raha ny fitantaran’ireo olona teo amin’ny

Mahamasina – Polisy monisipaly nanao ny asany notorian’ny olona

Mahamasina – Polisy monisipaly nanao ny asany notorian’ny olona(0)

Polisy monisipaly 22 no nohenoin’ny polisy misahana ny heloka bevava, omaly. Olona enina tamin’ireo fito nosamborina noahiahiana ho nihetraketraka tamin’ireo polisy monisipaly nanatanteraka ny asany, teny Mahamasina, ny harivan’ny zoma 17mey, no nametraka fitoriana. Nandroaka mpivarotra toaka etsy Mahamasina tamin’io zoma hariva io, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany ireo polisy monisipaly no nisy

Misaona ny l’Express de Madagascar – Nodimandry teo amin’ny faha-62 taonany i Beben

Misaona ny l’Express de Madagascar – Nodimandry teo amin’ny faha-62 taonany i Beben(0)

Gina ny mpiara-miasa. Vaka ny saina, tohina ny fo, toa tsy nety nino mihitsy aza ny saina amam-panahy satria nandao tampoka ny toeram-piasana, teto amin’ny L’Express de Madagascar ary tsy niverina intsony, fa nody any amin’ny mandrakizay, Andriamanantsoa Bien Aimé Désiré  na i Beben, teo amin’ny faha-62 taonany. Paoiste zokiny indrindra izy, ary misahana manokana

Tapatapany

Tapatapany(0)

Nisandoka. Kaomôriana telo mianadahy no saron’ny polisin’ny seranam-piaramanidina Ivato nitondra pasipaoro sandoka ny fiandohan’ny herinandro teo. Avy hatrany dia nentina tetsy amin’ny biraon’ny polisy misahana ny fanadihadiana manokana etsy Anosy izy ireo. Pasipaoro ana teratany Frantsay mitovitovy endrika amin’izy ireo avy no nentin’izy ireo tamin’izany. Niaiky izy ireo fa tsy azy tokoa ireo pasipaoro ireo

Loza tampoka – Zazalahy 14 taona maty  nipoahan’ny bala

Loza tampoka – Zazalahy 14 taona maty nipoahan’ny bala(0)

Zazalahy iray 14 taona no maty nipoahan’ny bala, voalaza fa hitany teny an-tokotaniny, tetsy Ambodirano, ao amin’ny kaominina Ivato Firaisana, ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Taitra ny manodidina naheno ny fipoahana ka namonjy ilay zazalahy sy nitondra azy tany amin’ny hôpitaly saingy ny harivan’io dia efa tsy tana intsony

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite