Subscribe to RSS

Ambohibarikely Anosibe – Jiolahy efatra nitondra sabatra sy basy kilalao nandroba trano iray.

Tokantrano irey eny Ambohibarikely Anosibe omaly maraina nanodidina ny tamin’ny 1 ora sy sasany no niharan’ny fandrobana. Araka ny tatitra azo teo anivon’ny polisim-pirenena dia « sabatra  iray, antsy kely iray ary basy poleta kilalao no nentin’ireo jiolahy efatra nanafika tao amin’io trano io ». « Nopitsohan’ireo olon-dratsy ny varavarana fidirana tao amin’ilay trano ka lasan’izy ireo tamin’izany ny solosaina iray miampy finday iray. Tsy nisy aloha anefa ny naratra na namoy ainy nandritra ity fandrobana ity», hoy hatrany ny tatitra.
Ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ ny Boriborintany faha-5 no nandray an-tanana ny raharaha ka nandeha haingana namonjy teny an-toerana. Tsy nisy tratra intsony anefa ireo olon-dratsy.

Haja R.

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Mahamasina – Polisy monisipaly nanao ny asany notorian’ny olona

Mahamasina – Polisy monisipaly nanao ny asany notorian’ny olona(0)

Polisy monisipaly 22 no nohenoin’ny polisy misahana ny heloka bevava, omaly. Olona enina tamin’ireo fito nosamborina noahiahiana ho nihetraketraka tamin’ireo polisy monisipaly nanatanteraka ny asany, teny Mahamasina, ny harivan’ny zoma 17mey, no nametraka fitoriana. Nandroaka mpivarotra toaka etsy Mahamasina tamin’io zoma hariva io, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany ireo polisy monisipaly no nisy

Misaona ny l’Express de Madagascar – Nodimandry teo amin’ny faha-62 taonany i Beben

Misaona ny l’Express de Madagascar – Nodimandry teo amin’ny faha-62 taonany i Beben(0)

Gina ny mpiara-miasa. Vaka ny saina, tohina ny fo, toa tsy nety nino mihitsy aza ny saina amam-panahy satria nandao tampoka ny toeram-piasana, teto amin’ny L’Express de Madagascar ary tsy niverina intsony, fa nody any amin’ny mandrakizay, Andriamanantsoa Bien Aimé Désiré  na i Beben, teo amin’ny faha-62 taonany. Paoiste zokiny indrindra izy, ary misahana manokana

Tapatapany

Tapatapany(0)

Nisandoka. Kaomôriana telo mianadahy no saron’ny polisin’ny seranam-piaramanidina Ivato nitondra pasipaoro sandoka ny fiandohan’ny herinandro teo. Avy hatrany dia nentina tetsy amin’ny biraon’ny polisy misahana ny fanadihadiana manokana etsy Anosy izy ireo. Pasipaoro ana teratany Frantsay mitovitovy endrika amin’izy ireo avy no nentin’izy ireo tamin’izany. Niaiky izy ireo fa tsy azy tokoa ireo pasipaoro ireo

Loza tampoka – Zazalahy 14 taona maty  nipoahan’ny bala

Loza tampoka – Zazalahy 14 taona maty nipoahan’ny bala(0)

Zazalahy iray 14 taona no maty nipoahan’ny bala, voalaza fa hitany teny an-tokotaniny, tetsy Ambodirano, ao amin’ny kaominina Ivato Firaisana, ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Taitra ny manodidina naheno ny fipoahana ka namonjy ilay zazalahy sy nitondra azy tany amin’ny hôpitaly saingy ny harivan’io dia efa tsy tana intsony

Tapatapany

Tapatapany(0)

Didim-pitsarana.  20 taona an-tranomaizina no sazin’ilay lehilahy teratany Malagasy voampanga ho nangalatra sady nanolana tany Belzika, teo anelanelan’ny volana marsa sy septambra 2012. Omaly no nivoaka io didim-pitsarana io, tao amin’ny tribonalin’i Mons, any Belzika. Fitsaram-bahoaka. Lehilahy iray voatondro ho mpamaky trano no niharan’ny fitsaram-bahoaka teny Ilanivato, omaly, vao maraim-be tokony ho tamin’ny 1 ora

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite