Atahorana ny voka-bary makaolika ao anatin’ny Faritra Alaotra-Mangoro amin’ity taona ity. Raha ny nambaran’ny tantsaha avy any an-toerana mantsy dia ny volana desambra teo vao nirotsaka ny orana, hany ka izao vao afaka miasa amin’ny fanetsana ireo tantsaha.
Ny vary makalioka no tena ahafantarana iny faritra iny. Efa misy amin’ireo tantsaha anefa no mirona any amin’ireo masomboly mahatanty ny haintany toy ny « dista » ialana amin’ny tsy fahombiazan’ny voly raha toa ka makalioka no ampiasaina.
Miandry ny rotsak’orana tsy voajanahary nangatahany ireo tantsaha. Milaza ny tsy manana ny vola hanatanterahana izany anefa aloha ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fambolena. « Lafo dia lafo ny sandan’ny fandrotsahana orana tsy voajanahary. Hojerena eo anefa aloha ny fizotran’ny fiovan’ny toetr’andro ahafahana mandray ny fepetra mifandraika amin’izany », hoy Ravatomanga Roland, minisitry ny Fambolena.
HNA









0 Fanehoan-kevitra