Subscribe to RSS

Akany fanabeazana – Mampahafantatra ny fiainany sy ny alahelony ireo zaza mania etsy Anosiala

Fikambanana maro samihafa no tonga eny Anosiala manome fanampiana ny ankizy mania

Fikambanana maro samihafa no tonga eny Anosiala manome fanampiana ny ankizy mania

MIAINA TOY NY OLONA REHETRA IREO ANKIZY TSY AMPY TAONA ENJEHIN’NY LALÀNA ETSY AMIN’NY AKANY ANOSIALA, ANJANAMASINA. SAMY MANANA NY FIHETSEHAM-PO IAINANY IZANY TOERANA MISY AZY IZANY ANEFA IZY IREO. MISY NO LASA POETA TAMPOKA VOKATRY NY ALAHELO, AO NO LASA MPAMBOLY SY MPIOMPY ARY MPANAMBOATRA SAVONY.

Zaza tsy ampy taona enjehin’ny lalàna vokatry ny halatra madinika sy ny ditra samihafa no an­kabeazan’ny vesatra antony anabeazana ireo ankizy tsy ampy taona etsy Anosiala, Anjanamasina. Manodidina ny 120 izy ireo, izay 10 ka hatramin’ ny 18 taona, no beazina eny an-toerana amin’izao fotoana raha 87 no tokony ho zakan’ny fotodrafitrasa. Miavaka kosa ny ankamaroan’ny heloka vitan’ireo zaza ireo, ankoatra ny ditra madinika, satria dia voarohirohy amin’ny trangana fanolanana.  »Tao anatin’ny roa taona izay no tena nisehoan’izany tranga izany »,  hoy Ralaivoavy Hanta Eliane, talen’ny akany. Miezaka manarina ny fiainana sy ny toetran’ireo zaza mania tokoa ny akany satria mandranto fianarana ara-dalàna, mamboly, miompy ary mianatra momba ny haitaon-trano.

Hadisoan’ny rehetra

Efa samy mahafantatra ny anjara asa sahaniny avy ireo ankizy tezaina etsy amin’ny akanin’ny zaza  »maditra » na mania, etsy Anosiala, raha vao mifoha maraina. Ao ny mikarakara avy hatrany ny trano fonenany, ao ny mandeha manao ny asa mahazatra ary tsy hadinon’izy ireo ny fotoam-bavaka. Niavaka kosa anefa izany fomba mahazatra izany tamin’ ny fetin’ny Krismasy sy taom-baovao teo. Lanonana maraina hatramin’ny harivan’ny andro no nanamarihan’ireo zaza mania ny fety na dia lavitra ray aman-dreny sy fianakaviana aza. Ondry no sakafo nohanin’izy ireo nandritra ny fety.  »Hadinon’ny ankizy izany alahelo izany rehefa fety ohatra izao. Ny akany rahateo miezaka mampahery azy ireo ary tsy avy amin’ny ankizy ihany ny hadisoana. Tsy ampy fitiavana ny 75%-n’ireo ankizy, ka izay no antony mampania azy. Tsy avy aminy ihany anefa ny fahadisoana satria ny 80%-n’ny nipoiran’ny heloka dia avy amin’ny ray aman-dreny avokoa », hoy hatrany Ralaivoavy Hanta Eliane.

Mitaraina

Miteraka fihetseham-po eo amin’ireo ankizy ny fisarahany amin’ny fianakaviany sy ny toerana misy azy eny Anosiala. Antso no ataon’ireo zaza beazina, antso natao hiantefa amin’ny olona tsirairay avy, na ny ankizy toa azy, na isika ray aman-dreny na ny fiarahamonina iray manotolo mihitsy. Misy amin’ireo ankizy ihany koa no maha­tsapa ho voailikila satria dia ny ray aman-dreniny mihitsy no nanatitra azy eny amin’ny akany vokatry ny ditra nataony.

Samy nanambara anefa ireo ankizy nanontaniana fa malahelo ny fianakaviana saingy kosa nanenina tamin’ny ditra nataony izay hita taratra tamin’ny tononkalo sasantsasany noforonin’izy ireo. Olona an-jatony no fantatra fa efa latsa-dranomaso tamin’ny tononkalon’ireo ankizy ireo satria hita fa tena vokatry ny fihetseham-po tokoa izany.

Rakotonirina Tojo Maminirina, 14 taona 

« Tsy tokony hankaty amin’ny toerana toa itony ny ankizy », izany no voalohan-tenin’ i Tojo raha vao naneho ny heviny. 15 volana no sazy na fe-potoana ipetrahany eny Anosiala, rehefa voarohirohy tamin’ny asa fanola­nana, ary amin’ny 29 marsa 2014 izy vao afaka mody. Efatra mirahalahy i Tojo no mpiray tampo ka tena naha­tsapa ny hamafin’ ny fisarahana izy tamin’ ny fety.  »Hafa ihany izany manao fety eo anivon’i Dada sy Neny izany. Voarohirohy ny tena ka tsy maintsy miatrika, nefa na izany aza mahatsapa aho fa hiova amin’ny fitondran-tena rehetra », hoy izy.

Fotoana isany tsy andrin’i Tojo indrindra, raha  ny nambarany hatrany ny sabotsy na alahady, fotoana izay amangian’ny ray aman-dreniny azy. Mianatra i Tojo na dia voasokajy ho isan’ny zaza mania aza. Kilasy fahatelo amin’ny fampianarana ankapobeny izy ary ny ho lasa dokotera no mba faniriany.  »Anatra ho an’ny tanora ny fijoroanay toa izao. Tokony hiova ianareo ankizy satria madiditra ny ankizy amin’izao fotoana. Tsy tokony hiditra amin’itony toerana itony ny ankizy », izany no hafatra hampitainy amin’ireo ankizy namany.

Radovazanany Holison Joel, 16 taona

Tamin’ny 22 jolay 2010 no nihazo ny akany tetsy Anosiala i Joel ary hody eny anivon’ny fianakaviany amin’ity volana janoary ity.  »Voaendrikendrika nanolana ankizy aho », hoy kosa Joel, raha nitantara ny antony nahatongavany eny amin’ny akany. Ny zavatra tena tsapany na dia efa eny amin’ny akany fanarenana aza izy dia ny tsy fahafoizan’ireo fianakaviany azy. Nambarany fa tonga mitsidika azy matetika ny reniny sy ny iray tampo aminy mianadahy. Miofana momba ny fambolena izy ao amin’ny akany ary isan’ny faniriany ny ho lasa mpamboly matihanina.

Christian Alexis

Haveloarison Christian Alexis, 17 taona

Tamin’ny volana mey 2012 no niditra teny amin’ny akany fibeazana Anosiala i Christian, ary hody amin’ity volana janoary ity. Mianatra momba ny haintrano izy ao amin’ny akany ary ny ho lasa miaramila no tanjony. Niavaka amin’ireo ankizy nanontaniana ny antony nidirany teny amin’ny akany satria dia trangam-piarahamonina avy amin’ny ray aman-dreny mihitsy no nahatonga azy teny.  »Naditra aho ary tena tsapako izany. Bedin’i Neny foana aho nefa sarotra notenenina ary nivadika ho fankahalako azy aza izany. Ny ray aman-dreniko mihitsy no nandefa ahy ety mba hiovan’ny toetrako », hoy izy sady malomalok’endrika.

Efatra mianadahy izy ireo no iray tampo ary manana hafatra ho azy ireo sy ny ankizy toa azy i Christian. «Miova ho olom-baovao aho izao. Tena voataiza kokoa aho raha mitaha ny tany ivelany. Anatra ho an’ny rehetra ny tokony hanarahana ny tenin’i Dada sy Neny», hoy izy sady manganohano.

Nenina sy alahelo maro no nifamezivezy tao an-tsain’i Christian, nandritra ny fotoana nisarahany tamin’ireo ankohonany. Vokatr’izany alahelo nitambesatra tao am-pony izany no nahavitany nanoratra tononkalo miisa 36, mirakitra ny alahelony sy ny fiainany rehetra.  »Tononkalo ho an’ny fianakaviana no tena nifotoran’ny aingam-panahiko. Ny momba an’i Neny kosa no tena betsaka », hoy izy. Santionany amin’ireny ity tononkalo ity.

Rakotondrainibe Anjaratiana, 16 taona 

Roa taona no nambaran’i Anjaratiana fa tokony hipetrahany eny amin’ny akany fibeazana Anosiala, ary amin’ny 12 aogositra 2013 izy no mody.  »Endrikendriky ny fianakaviana nilaza fa nanolana no nahatonga ahy tety », hoy Anjara­tiana. Sivy mianadahy izy no mpiray tampo ary maha­tsiaro ho tena irery izy eny amin’ny akany.  »Miezaka manary dia amin’ny fianarana miompy akoho aho mba hanadinoako ny alahelo ny fianakaviana », hoy izy. Na ireo mpanabe eo anivon’ny akany aza dia mahatsapa fa efa tena mahafehy tsara ny fiompiana akoho i Anjaratiana.

Antso ataony ho an’ny rehetra ny tokony hiantorahana amin’Andriamanitra.  »Mila mivavaka isika satria Andriamanitra manome ny zavatra rehetra ary mahay mitantana ihany koa ny fiainan’ny olona rehetra », hoy izy. Toetra nambarany fa ataony fanomezana tsy ampoizina ho an’ireo ray aman-dreniny sy ny fianakaviany ny fiovany, rehefa mivoaka eny Anosiala. Isan’ny fiovana hitany amin’ny tenany ny fananany fiainam-bavaka.

Sary: Mamy Mael
Soratra: Lilia Rajaonah

Vokatry ny ditra  

1- Naditra aho dia nosaziana
Nanovo toetra fa tsy nampijaliana
Nafindra tamin’ny toerana mangina
Nandao an’ireo fianakaviana

2- Naterina tany Anjanamasina
Tany aho vao niova olo-marina
Fa niharitra ny mafy
Ka mijinja izay nafafy

3- Vonona aho hiova amin’izay
Ka tsy hisaraka amin’ny Ray
Tena vonona aho hanara-dalàna
Rehefa tonga any an-tanàna

4- Rehefa tonga any aho hianatra
Misaotra anareo mpanabe nananatra
Ka hanaraka ny teninareo amin’izay
Mba ho azo antoka ny ho avinay

5- Rehefa tafita aho mamaly babena
Tsaroko hatrany ireo teny nomena
Raha tsy manaraka ireny teny ireny
Tsy ho tafita izahay ry Neny

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Faran’ny herinandro

Faran’ny herinandro(0)

LAPAN’NY KOLONTSAINA – MAHAMASINA Hiverenan’i Nônô avokoa ireo hira rehetra nahafantarana azy Efa tonga eto an-tanindrazana hatramin’ny talata alina teo ary efa vonona hiatrika ny fampisehoana. Hiverenan’i Nônô avokoa ireo hira rehetra nahafantarana azy amin’ny fam­pisehoana izay hihaonany indray amin’ireo mpankafy azy, etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny alahady 26 mey izao, manomboka amin’ny telo ora tolakandro. Seho izay atolotry ny mi’Ritsoka Production ao anatin’ny fankalazany ny faha-5 taonany. «Ny taona 2001 no nisy ny seho farany teto an-tanindrazana», hoy izy. Hataony tolotra tsy ampoizina kosa ny fandrindra amin’ireo hira entiny ao anatin’ny fampisehoana. Hokaloiny amin’io ny «Ento aty», «Ialahy», «Kabary», «Tonga lafatra»…. Noho ny fotoana fohy nanomanana ny seho, dia mpitendry malagasy avy any ivelany no hanaraka an’i Nônô amin’ity fampisehoana ity izay ahitana an’i Henri (Gitara), Lalaina (Amponga maroanaka), Mamitiana (Gitara beso) ary Mickaël (Vata maroafitsoka). JAO’S PUB Tsinjaka kilalaka hiarahana amin’i Bagzana Hanao be fiavy amin’ny fampisehoana eto Antananarivo i Bagzana izay hanolotra ny tsinjaka kilalaka anio, etsy amin’ny Jao’s Pub Ambohipo manomboka amin’ny 9 ora alina. Hetsika hanehoana ny hira vaovao. Hanjaka ao koa ny kilalaka. Mpanakanto nampahafantatra ny kilalaka voalohany tamin’ilay hira «Siky menamena»i Bagzana. AFT ANDAVAMAMBA Famaranana ny fifaninanana hira frantsay miaraka amin’i Jerry Marcoss Tafiditra amin’ny hetsika famaranana ny fifaninanana hira teny frantsay izay nokarakarain’ny Alliance française ary koa ho fitokanana ilay sehatra vaovao etsy Andavamamba. Hanafana ny hetsika amin’ny sabotsy tolakandro izao i Jerry Marcoss, mpanakanto mpiangaly salegy sy kawitry. Nahatratra 300 ireo nandray anjara tamin’ny fifaninanana ka ny 13 sisa hiady ny famaranana. Fivahinianana any Frantsa no loka miandry ny voalohany miampy fanomezana avy amin’ny Orange. ANTSAHAMANITRA Princio sy Rajao mianakavy ho an’ny fetin’ny reny Fiarahana tsy mbola fahita. Hiaraka hanamarika ny fetin’ ny reny etsy Antsahamanitra ny alahady 26 mey izao i Princio sy ry Rajao mianakavy. Tarika roa izay samy manana ny maha izy azy, nefa manana ny tolotra iraisany dia ny vazivazy ao anatin’ny hira. Hiara-dia ao ny hira sy ny hatsi­kana. Ankoatra ny zava-misy sy ny tranga andavanandro dia anisan’ny atsidiky ny roa tonta ao anatin’ny fampisehoana ny resaka politika sy ny tsindrom-paingotra madinika. KIANJA ESCA – ANTANIMENA Seho telo amin’ny sehatra telo

Acupuncture – Teboka 800 amin’ny vatan’ny olona no azo itsaboana

Acupuncture – Teboka 800 amin’ny vatan’ny olona no azo itsaboana(0)

5 000 TAONA ATY AORIAN’NY NIANDOHAN’NY ACUPUNCTURE NA NY FOMBA FITSABOANA SINOA AMIN’NY ALALAN’NY FANJAITRA: MANOMBOKA MAHAZO VAHANA ETO AMINTSIKA IZY IO ANKEHITRINY. TEBOKA 800 EO AMIN’NY VATAN’NY OLONA NO AZO ITSABOANA, HATRANY AN-TAMPON-DOHA KA HATRANY AM-PALADIA. NATAO HAMERENANA AMIN’NY LAONINY NA HAMPIRINDRA TSARA NY HERIM-BATANA NY «ACUPUNCTURE». ARETINA MARO NO AZONY SITRANINA. TSY VITANY

Razam-be niaviana – Maro ireo fombafomba itovizan’ny Malagasy amin’ny Jiosy

Razam-be niaviana – Maro ireo fombafomba itovizan’ny Malagasy amin’ny Jiosy

SAMY MANANA NY FOMBA FILAZANY AMIN’NY FIAVIAN’NY RAZAM-BEN’NY MALAGASY NY REHETRA. HEVITRA NALAZA SY NOVOIZINA TATO HO ATO NY FILAZANA FA AVY AMIN’NY JIOSY NY MALAGASY. TANTARA IHANY ANEFA IZANY HATRETO, ARAKA IRETO FIJOROANA VAVOLOMBELONA IRETO, FA TSY MBOLA NISY NANAMAFY KOSA. SAIKA FOMBA SY KOLONTSAINA ARY ENDRIKA AVOKOA NO AMBARAN’IREO MPAHAY TANTARA. Tamin’ny alalan’ny fikarohana sy ny tantara tao amin’ny Baiboly avokoa no ilazan’ny ankamaroan’ny olona fa manana fiaviana Jiosy ny Malagasy. Maro ny fikambanana efa nitsangana manohana izany ary mivondrona ao anatin’ny firaisamben’ny Jiosy eto Madagasikara. Ity farany izay efa tafajoro ara-dalàna ary voalaza fa mifandray amin’ny Jiosy rehetra maneran-tany. Misy amin’ireo fikambanana ihany koa no efa nahazo fiofanana teknika tany Israely, milaza fa “tena Jiosy ny Malagasy”, ka nanangana ekipa iray “shalom”. Ireo fikambanana rehetra ireo no resy lahatra fa manana fiaviana Jiosy na taranaka Hebreo isika Malagasy, araka ireto fanazavana maromaro ireto. Ankoatra ireto sombintsombiny ambara ireto dia hisy ihany koa ny fampahafantarana lehibe, amin’ny alahady 26 mey izao, etsy Soavimbahoaka.

Lehilahy handeha  hijery baolina maty  tany anaty honahona

Lehilahy handeha hijery baolina maty tany anaty honahona

MPONINA ENY AMIN’NY FOKONTANY AMBOHIDAHY-ANKADINDRAMAMY RANDRIAMANANJARA HERITSOA ANTSOINA HOE TSOA, RAIM-PIANAKAVIANA 44 TAONA, HITA FATY TAO ANATY HONAHONA, TENY ANKORONDRANO -ANDRANOMAHERY, NY ALAKAMISY 16 MEY LASA TEO. TSY NODY AN-TRANO NANOMBOKA NY ALAHADY TALOHAN’IO ITY RAIM-PIANAKAVIANA ITY. EFA NIALANA NENINA TAMIN’NY FILAZANA AMIN’NY ONJAM-PEO SAO VERY NA NARARY TAMPOKA TANY AN-DALANA KA TSY TAFODY. NOTETEZINA

Fiainana mpanakanto – «Tsy nisakaiza velively tamin’i Jerry Marcoss aho», hoy i Farah John’s

Fiainana mpanakanto – «Tsy nisakaiza velively tamin’i Jerry Marcoss aho», hoy i Farah John’s

MPANDIHY SY MPIHIRA TAO ANATIN’NY TARIKA JERRY MARCOSS NO NAHAFANTARANA AN-DRASOLOFONJATOVO FARAH SAMÜELINE, NA FARAH JOHN’S, TALOHAN’NY NIKOPAHANY ELATRA IRERY TEO AMIN’NY SEHATRY NY MOZIKA. HEHY TSOTRA NO NAMALIANY NY FILAZANA FA NISAKAIZA TAMIN’I JERRY MARCOS IZY. NABORAK’I FARAH JOHN’S FA OLON-TIANY DIA TSY AO ANATIN’NY  TONTOLON’NY MOZIKA MIHITSY. Toy ny ankamaroan’ireo mpanakanto, dia fitiavana mozika hatramin’ny fahakely no nitarika an’i Farah John’s hiditra amin’ny sehatry ny mozika. Efa tao anaty rany ka notohizany tamin’ny fidirana ho mpikambana tao amin’ny antoko mpihira tany Vohemar, nanomboka teo amin’ny faha-8 taonany. Rehefa feno 18 taona izy no niakatra teto an-drenivohitra. Tao anatin’ny faniriany ho mpihira, dia ny zaobaviny, vadin’ny zokiny lahy, no nifankahalala tamin’i Jerry Marcoss ka nampifanatona azy ireo. «Taorian’ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin’ ny tarika Jerry Marcoss, ny taona 2004 no tafiditra tao amin’ny tarika aho», araka ny fitadidian’i Farah John’s. Nialoha izay anefa, efa nanana ny lazany teo amin’ny sehatry ny dihy tany Vohemar ary nivoy karazan-dihy maro tao anatin’ny tarika «Hells Angel’s», izay efa nahafantaran’ny maro azy ihany koa, na tamin’ny andron’ny sekoly na tamin’ireo fety ho an’ny fialan-tsasatra izy. «Tsy maintsy nandihy foana izahay isan’andro tamin’izany fotoana izany», araka ny fitantarany. Izay rahateo no nahatonga azy ho sady mpihira no mpandihy tao amin’ny tarika Jerry Marcoss. Ity farany no nahatsapa ny talentany ka nampirisika an’i Farah John’s hiroso lalindalina amin’ny sehatry ny mozika. Nandeha ny resa-be Nanomboka teo ny resa-be momba ny fiarahan’izy roa ireo. Tsy nahatohina an’i Farah John’s, raha napetraka taminy ny fanontaniana momba io resaka io. Sady nihomehy izy no namaly am-pahatsorana fa “tsy nisy mihitsy ny fisakaizana teo aminy sy i Jerry Marcoss”. “Mpiara-miasa izahay tany am-boalohany.  Noho izy nanoro lalana ahy dia mandray azy ho toy ny raiko aho amin’izao fotoana izao”, hoy ihany izy.

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite