Hanamarika ny faha-35 taona niakarany an-tsehatra i Erick Manana. Ho fanamarihana izany ny fampisehoana hataony amin’ny sabotsy 05 mey ho avy izao, etsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina.
Hotsidihiny avokoa ireo sehatry ny hira nandalovany sy nahafantarana azy, miainga amin’ny famelomana indray ireo hiran-dRazilinah, ny vazon’ny Lôlo sy ny tariny ary ny sanganasan’ny tarika Feo Gasy. Hanotrona sy hiara-dia aminy mandritra ny fampisehoana anefa i Jenny, ilay andriambavilanitra vahiny mpitendry lokanga sy mampiara-peo aminy sy ny tarika Feo Gasy. Ity tarika ity izay natsangan’i Erick Manana niaraka tamin-dRakoto Frah ary ahitana an-dry Kolibera, Nini, Bariliva ary Fafah sy Benny.
Etsy ankilany kosa dia mpitendry nanara-dia an’i Erick Manana sy Jenny ry Solofo Bota (angorodao), Donné Randria Ernest (ampongalava), Titi (saxophone) ary Sata.
Ho tonga eto an-tanindrazana ny 29 avrily izao ireo mpanakanto monina any ivelany, ka handray anjara amin’io seho hatolotr’i Erick Manana io ary hiatrika avy hatrany ny famerenan-kira eny amin’ny trano fandraisam-peon’ny m’Ritsoka, izay mpikarakara ny fampisehoana.
Nambaran’i Erick Manana fa hoentina ahatsiarovana ireo efa nodimandry, ka nanampy azy teo amin’ny sehatry ny hira, ity fampisehoana ity. Nosinganiny ry Razilinah izay nambarany fa nahafantarana azy tamin’ny famelomana ireo hirany. Ao ihany koa i Raoul (tarika Mahaleo) izay nolazainy kosa fa nanosika azy hiroso amin’ny mozika ary Rakoto Frah, izay singa iray ao amin’ny Feo Gasy.
Faly Ran.










0 Fanehoan-kevitra