|
Fanamafisan’ny FMF – Mbola manohy ny Can 2013 i Hamada Nampiandraza Tsara fiarovana. Tsy nody araka ny resaka nandeha i Hamada Nampiandraza, izay hany mpitsara malagasy niatrika ny Can 2013 any Afrika Atsimo. “Resak’olon-tsotra avy any Alzeria tany anaty tranonkala no nisy nandika teto Madagasikara”, hoy i Stanislas Rakotomalala, sekretera jeneralin’ny federasiona malagasin’ ny baolina kitra (Fmf). “Mbola tsy nisy izany fanapahan-kevitra izany. Izahay nitsara an’iny lalao iny aza no nisaoran’ny kaofederasiona afrikanina ho an’ny baolina kitra. Ny olana fotsiny tamin’izany lalao izany ny 13 minitra fe-potoana fanampiny, izay tsy fifanarahana teo aminay sy ny mpitsara fahefatra”, hoy i Hamada Nampiandraza, tamin’ny antso an-tariby. Nampitovian’i Alzeria tamin’i Jihed Jaricha, mpitsara ejipsianina, izay voaroaka tamin’ny Can noho ny fahadisoana nihoapampana nataony i Hamada tamin’ ity tatitra, izay nodisoin’ny federasiona malagasin’ ny baolina kitra ity. “Raha voaroaka izy dia tsy nanana antra ny Caf fa avy hatrany dia namonjy fodiana . Izahay eto anivon’ny federasiona dia mbola tsy nahazo izany taratasy izany”, hoy ihany ny sekretera jeneralin’ny Fmf. “Niresaka nivantana tamiko i Hamada fa tsy nisy ny olana teo amin’iny savorovoro noforonina iny. Mbola tsy nahazo fanapahan-kevitra hoe nody izy”, hoy indray i Pascal Rakotonirina, mpandrindra ny asan’ny mpitsara baolina kitra eto Madagasikara. R.A |
![]() |
Baolina kitra CAN 2013 – Niara-nody tamin’i Alzeria i Tonizia Samy tsy tafita teo amin’ny lalaom-bondrona ireo ekipa magrebiana roa, tao amin’ny vondrona D, izay nisy an’i Côte d’Ivoire, Togo, Tonizia ary Alzeria. Samy nisaraka tamin’ny ady sahala, izay tsy nanova ny filaharana vonjimaika teo amin’ny andro faharoa, ireo lalao roa namarana ny dingan’ ny fifanintsanana, omaly, tany amin’ity fiadiana ny amboaran’i Afrika na ny Can 2013 ity. Tamin’ny alalan’ny ady sahala 2 no ho 2 no nisarahan’ny Elefanta ivoarianina sy ny Fennecs alzerianina tany amin’ny kianja Royal Bafokeng Stadium, na dia nitarika tamin’ny alalan’ny isa 2 no ho 0 aza ny ekipan’i Alzeria. Notazonin’ny Eperviers togoley tamin’ ny alalan’ny isa 1 no ho 1 kosa ny Aigle de Carthage avy any Tonizia, ka nampihintsana ity farany teo amin’ny fihodinana voalohany. Hihaona eo amin’ny ampahefa-dalana izany i Côte d’Ivoire sy Nizeria, izay samy heverin’ny rehetra ho goavana eo amin’ity Can 2013 ity. Toy izany ihany koa i Burkina Faso sy Togo, izay samy ekipa tsy dia nampoizina loatra. Hana- marika ny ampahefa-dalana ihany kosa ny fihaonana eo amin’ny mpampiantrano (Afrika atsimo) sy i Mali arahin’ ny fifandonana eo amin’i Ghana sy Cap Vert. Ity farany dia sambany no niatrika ny Can saingy nahavita dingan-dava. R.A Ireo ampahefadalana Côte d’Ivoire # Nizeria |
|
Hirotsaka tsy misy mpifanandrina i Jean Michel Ramaroson
Tsy nisy sahy hifaninana amin’ ny filoha teo aloha, Jean Michel Ramaroson na i Mika, hatramin’ny omaly eo amin’ny fifidianana izay hitantana ny federasiona malagasin’ ny basket ball. Hotontosaina amin’ ny sabotsy ho avy izao eny amin’ny lapan’ny Fana- tanjahantena Mahamasina io fivoriambe hanavaozana ny birao hitantana ny federasiona io. “Mbola betsaka ireo tokony hohatsaraina, saingy tsy ampy ny fotoana ka nahatonga ahy hirotsaka indray”, hoy i Jean Michel Ramaroson. Isan’ireo nampiavaka ity federasiona ity ny fisian’ny Afrobasket indroa (2009 sy 2011) nisesy teto Madagasikara, izay toa nanetsiketsika ny taranja teto Madagasikara. Mbola miandry azy ireo amin’ity taona ity ny Afrobasket 2013, izay handraisantsika anjara eo amin’ny fifanintsanana eto amin’ny faritra fahafito aty Afrika, hatao any Seychelles, amin’ny 25 febroary hatramin’ny Roméo Andriamihaja Hotakina fanamarinam-pianarana ireo mpilalao Hiady amin’ny fangalaran-taona ny federasiona malagasin’ny basket ball. “Mbola hotapahina ao amin’ny fivoriambe, izay hatao amin’ny sabotsy ho avy izao, ny mety hitakiana ny fanamarinam-pianarana avy eny anivon’ireo sekoly ho an’ireo mpilalao latsaky ny 18 taona, manomboka amin’ity taona ity”, araka ny fanirian’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny basket ball. Hoentina hampirisihana ireo mpilalao basket hianatra ity tetika iray ity, araka ny fantatra. Olana iray mipetraka ho an’ireo mpilalao eny anivon’ny fokontany tsy nandalo sekoly ity fanapahan-kevitra ity. “Sivana farany ataon’ny federasiona io satria mety mbola ho voafitaka ireo any amin’ny seksiona sy ligy amin’ny mety hosoka ataon’ny mpilalao sy ny mpitantana”, hoy ihany i Mika. |
![]() |
Anjoron- »CAN » MILALAO ODY Novalian’i Paul Put bontana ny fanontaniana hafahafa napetraky ny mpanao gazety hoe: «avy aiza ny hery manokana nananan’i Burkina Faso nahazoana iny fandresena iny?», taorian’ny nandresen’ izy ireo an’i Etiopia tamin’ ny isa 4 no ho 0. “Mety milalao ody izahay dia nahita fandresena”, hoy i Paul Put, mpanazatra an’i Burkina Faso. Hora- koraka no namarana ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety tamin’ izany fotoana izany, izay isan’ny nahavoriana mpanao gazety betsaka. FANDRAHONANA Saika niantsoan’ny tompon’ andraikitry ny serasera eo anivon’ny kaonfederasiona Polisy handroaka azy tao amin’ny efitrano ny mpanao gazety tonizianina iray. Nambaran’ iry voalohany fa «aleo fanontaniana mikasika ny lalao ho avy no apetraka». Tsy nanaiky izany anefa ity Tonizianina ka nanam- bara fa “manana faha- fahana eo amin’ny fanon- taniana izay apetrany ny mpanao gazety”. Teo no nanomboka ny fifamaliana niafara tamin’ny fandrahonana. Nangonin’i R.A |
![]() |
Kitra Tournoi FIMITA – Nihosom-potaka ny mpilalao tetsy Tsaramasay Nitohy tamin’ny alahady tontolo andro teo ny fifanintsanana kitra lalaovin’ olona fito, Tournoi Fimita (Fikambanana mitaiza tanora Ankazomanga), tetsy amin’ny kianjan’ny Boulevard de l’Europe, Tsaramasay-Ankazomanga. Tany mena natototra no nilalaovan’ireo ekipa 14. « Nihosom-potaka vao maraina izahay nandamina ny dian’ireo kamiao mijanona eo, izay vao azo nilalaovana ilay kianja », hoy B.A Voka-dalao Sudaf Ankorondrano andrefana # CEA Ankazomanga atsimo (2-0) |
|
Tontolo iainana – Nisokatra omaly ny taom-pambolen-kazo
Nifamotoana teny Anosy omaly ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, niaraka tamin’ny kaominina Antananarivo renivohitra (Cua), amin’ny fanokafana ny taom-pambolen-kazo 2012-2013. Nitarika izany teny an-toerana ny Praiminisitra, Omer Beriziky sy ny Pds-n’Antananarivo renivohitra, Edgard Razafindravahy. Ny hazo “palmiers” sy “jacaranda” no nambolena manodidina ny farihin’Anosy. “Ny ala harena sarobidy, tsy manam-paharoa”, no lohahevitra amin’ity fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fambolen-kazo ity. “Iarahan’ny rehetra mahafantatra fa Analamanga no anaran’ity tanànantsika ity. Ary vinan’ny tanàna ihany koa ny hananana tanàna maitso. Sarobidy tokoa ny hazo ho an’ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana koa manentana ny mponina mba hikajy sy hamboly hazo amin’ny faritra azo anaovana izany mba ho tanteraka tokoa ilay hoe solofo dimbin’ny ala”, hoy ny fanentanan’ny Pds, Razafindravahy Edgard, raha nanokatra ny fambolen- kazo teto Antananarivo, omaly. Nanamafy izany fanentanana izany ihany koa ny Praiminisitra, Beriziky Omer. “Ampitomboina ny faritra maitso an-tanàn-dehibe sy ny manodidina. Adidy ho an’ny fiainantsika ny fambolen-kazo”, hoy izy. LR |
![]() |
Rano miakatra – Fianakaviana 144 no efa tra-boina eto an-drenivohitra Tsy mbola tonga akory ilay rivo-doza Felleng, izay niforona atsy amin’ny Ranomasimbe Indianina ny fiandohan’ny herinandro teo, dia efa nahitana fiakarany ny rano amina faritra maro eto an-dreni- vohitra. Efa nampisy tra-boina ny oram-be nofaritan’ ny avy ao amin’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro ho «Ilaifito», nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo. «Miisa 84 ny olona tra-boina eny Anosizato Andrefana, mahakasika fianakaviana 22. Olona 570 kosa, anatina fianakaviana 122 no tra-boina eny Ankorondrano Andranomahery», raha ny tatitra teny anivon’ny ivon-toerana fanangonana sy fandiniham-baovao momba ny loza voajanahary (Cervo). «Nafindra amin’ny tranolay amina tany malalaka ao anatin’ny fokontany aloha ny tra-boina», hoy Ranjamalala Dina Valisoa, sefo fokontanin’Ankoron- drano Andranomahery. Mikasika an’i Felleng manokana dia tany amin’ ny 325km atsinanan’i Mananara Avaratra no nisy ny foibeny, omaly tolakandro. Manohy ny diany miankandrefana somary atsimo izy. Lasibatry ny orana ireo faritra rehetra manakaiky azy ary efa distrika maro no nahazo fampitandremana momba izany. Nambaran’ ny teo anivon’ny famantarana ny toetr’andro fa hitohy hatrany ny rotsak’ orana ary heverina hikasika ny morontsiraka atsinanan’ ny Nosy izy anio. Monica Rasoloarison |
![]() |
Fifamoivoizana – Tsy hisy bokotra vy intsony ny fahazoan-dalana mamily Nasiam-panovana. Nanomboka ny volana desambra ny taona 2012 teo no tsy nahitana bokotra vy, na « rivets » ny fitazonana sary amin’ny fahazoan-dalana hamily. Nilaza ny tompon’andraikitra fa tsy hasiana io bokotra vy io intsony manomboka izao amin’ity taratasim-panjakana iray ity. « Lany tamin’io fotoana io ny bokotra vy fametraka amin’ny taratasy fahazoan-dalana hamily. Efa nanafatra ihany ny fitondram-panjakana, saingy tsy misy azy io mihitsy any amin’ireo firenena nanafarana izany. Notapahina fa tsy hasiana bokotra vy intsony ny taratasy fahazoan-dalana hamily, noho io antony io. Mandeha sy mizotra araka ny tokony ho izy hatrany anefa ny fizaràna izany », hoy ny fanazavan-dRajaonarison Hyacinthe, lehiben’ny ivon-toerana mizara laharana fiarakodia eto Antananarivo, na ny CIM. Notsipihiny anefa fa efa nisy ny naoty fampaha- fantarana mikasika ity fanovana ity, nalefa eny anivon’ny mpitandro ny filaminana, izay tokony hahalala izany. Notsindriany ihany koa fa ny fitomboka ara-panjakana no tena anavahana ny maha ara-dalàna na hosoka ny taratasy fahazoan-dalana fa tsy dia ny bokotra vy loatra. Niisa 21835 ny taratasy fahazoan-dalana hamily nozarain’ity sampandraharaha ity nandritra ny taona 2012. Nohafainganina, ankoatra izany, ny famoahana azy, izay vita ao anatin’ny iray volana ankehitriny, raha telo volana izany teo aloha. MR |
![]() |
Fitakian’ny mpanabe – Nanavao mpikambana ny Sempama Voatsipaka tanteraka ny Sempama tarihin-dRaharovoatra Claude. Nampahafantarina omaly, tetsy Antaninarenina, ny fijoroan’ny birao vaovao hitarika ity sendikan’ny mpanabe ity. “Efa mijoro ara-dalàna ny sendikan’ ny mpanabe ary nampitondraina ny anarana Sempama Nosy. Efa napetraka eny anivon’ny ofisy miaro ny zon’ny mpamorona (Omapi) io anarana io, ary voaaro mandritra ny 10 taona. Koa mampitandrina ireo olona misandoka mitondra izany anarana izany izahay”, hoy Ratolojanahary Arsène, filohan’ny Sempama Nosy. “Efa 12 taona no tsy nisy fanavaozana ny birao teo aloha. Tsy tokony hitondra intsony, araka izany, io filoha io”, hoy ny tsikeran’ny Sempama Nosy. Nohamafisin’ity sendika ity kosa anefa ny fitohizan’ny fitakiana an-databatra boribory. LR |
|
Renim-pianakaviana jamba mivelona amin’ny fanaovana mofomamy
Mahagaga sady mahavita zavatra. Sarotra ho an’ ny olona ny hino an-dRasoarimanana Lanto ho jamba raha tafaresaka aminy. Mitovy amin’ny olona rehetra izy, saingy mitsapatsapa indraindray rehefa mandeha amin’ ny toerana tsy mahazatra. Raha ao an-tranony kosa anefa, izay niresahana taminy, dia toy ireny olona mahita ireny izy noho ny fahazarana. Teo am-panofana vary izy no tafaresaka taminay ary mahavita mandraraka rano ao anatina tavoahangy ihany koa. “Teo amin’ny faha-24 taonako aho no nanomboka narary an-doha lava. Nijery maso dia niroso tamin’ny fanaovana solomaso. Nanomboka tsy nahita mihitsy anefa aho ka niroso tamin’ny fandidiana. Taorian’ny fandidiana indroa natao tamiko dia niverina nahita mazava aho hatramin’ izao, saingy mazava be fotsiny fa tsy haiko ny manavaka ny zavatra hitako. Fantatro fotsiny hoe andro sy alina”, hoy i Lanto mitantara ny zavatra nahazo azy. 10 taona no niainan’i Lanto izany fahitana hafahafa izany. Manam- bady ary manan-janaka lahikely iray izy. “Indrisy anefa fa tsy mbola nahita ny tena endrik’io zanako io mihitsy aho satria efa tao anatin’ny fahajambana aho no niteraka azy”, raha ny fitantarany. Miaina toy ny olona rehetra i Lanto, izy avokoa no misahana ny fiantsenana sy ny raharaha rehetra ao an-tokantrano amin’ ny maha renim-pianakaviana azy. Sahaniny amin’izany asa izany hatramin’ny manasa lamba sy ny mahandro sakafo. Efa fantany avokoa ny toerana fiantsenana eny Analamahitsy, fokontany misy azy. Mbola hahiratra Na jamba aza anefa i Lanto dia vehivavy tsy tia mipetra-potsiny fa miezaka mioitra amin’ ny fiainana. Efa nananany hatramin’izay ny talenta amin’ny fanamboarana mofomamy, ary tena voafehiny mihitsy. “Rehefa mety zavatra rehetra mahakasika ny mofomamy (patisserie) dia haiko avokoa”, hoy izy sady mirana. Izy no miandraikitra manontolo ny fanamboarana izany mofomamy izany ary tsy misy manampy azy mihitsy. Olona maro no manafatra izany ao aminy. Tsy vesatra ho an’ny manodidina azy mihitsy i Lanto, satria dia afaka mandeha mivoaka irery. “Ny miditra taksibe irery no tena tsy vitako. Ny ankamaroan’izy ireny mantsy tsy mandray sady tsy mety mitondra anay mihitsy. Tena mampitomany ny toe-tsain’ireny mpitondra fiara fitaterana ireny”, hoy izy sady malok’endrika. Mbola misy fanantenana amin’ny mety hampahiratra azy i Lanto, raha miatrika fandidiana any ivelany. Lafo be anefa izany fandidiana izany raha ny nambarany, ka anaovany antso amin’ny malala-tanana. “Efa tena reraka ara-bola izahay izao noho ireo fitsaboana samihafa efa natao. Miezaka mba hanitatra ny asa fanaovana mofomamy aho hahafahako mitsabo tena. Ankoatra ny fitsaboana ahy koa anefa dia ny famelomana ny zanako sisa no tena hifantohako”, hoy i Lanto sady nitsiky. Lilia Rajaonah |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |