Subscribe to RSS

News Miverena

Torohevitra ara-pahasalamana Torohevitra ara-pahasalamana

• Ny fomba fialana amin’ny «makafoka» rehefa avy misotro toaka

Ao anatin’ny vonin’andro fankalazana ny taom-baovao tanteraka isika izao. Tsy ilaozan’ny fihinanana sakafo matsiro, matavy sy ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola ny vanim-potoana toy izao. Efa nentintsika teto ihany ireo torohevitra mahakasika ny fandanjalanjana ny sakafo rehefa andro fety. Ny mahakasika ny zava-pisotro misy alikaola indray no horesahantsika anio.
Ho fitsinjovana ny fahasalamana dia ny tsy fisotroana toaka mihitsy no tena tsara indrindra raha ny torohevitra avy amin’ireo mpitsabo. Somary ho sarotra ihany anefa ny fanatanterahana izany ho an’ireo olona zatra misotro itony karazana zava-pisotro mahamamo itony indrindra ao anatin’ny asaramanitra toy izao.

• Misakafo tsara, misotro visy gasy…

Ny torohevitra fototra omen’ireo mpitsabo dia ny fisakafoanana tsara ihany ao anatin’ny fotoana isotroana toaka. “Tsy dia misy loatra ny zavatra azo atao mialoha hiomanana amin’ny fisotroana toaka. Tokony hisakafo tsara kosa anefa ao anatin’ny fotoana hisotroana. Tsara ho fantatra mantsy fa ny tsy fihinanana sakafo na ny tsy fahampian-tsakafo no mahatonga ny olona iray tsy mahatsiaro tena noho ny fisotroan-toaka na tratry ny “coma éthylique” araka ny hahalantsika azy”, hoy Dr Andrianarijaona Liva, mpitsabo eo anivon’ny sampana famelomana aina eo anivon’ny Hjra.

Ny fisotroana visy gasy indray no fomba iray ialana amin’ilay toe-batana rehefa avy misotro toaka iny. “Mazàna dia somary savolaina na tsy mahazo aina izany ny maraina rehefa avy miso­tro toaka. “Makafoka”, hoy ilay fomba fiteny azy izay. Miseho ny atao hoe “acidose respiratoire” matoa isehoan’ireo toetoetra ireo rehefa avy misotro zava-pisotro mahamamo. Midika izany fa na lasa bazika na asidra ny “potentiel hydrogène” na ny (pH)-n’ny vatana. Ny alkalinina ao anatin’ny visy gasy no mamerina izany ho “pH neutre”, hoy hatrany ity mpitsabo ity.

Hanitry Ny Aina

Angovo azo avaozina – «Biogaz» 500 no haparitaka amin’ny taona 2013 Angovo azo avaozina – «Biogaz» 500 no haparitaka amin’ny taona 2013

RESY LAHATRA AMIN’NY TOKONY HIAROVANA NY ALA TSY HO RINGANANY FIANGONANA LOTERANA MALAGASY (FLM) . TE HAMPIVOATRA NY FARI-PIAINAN’NY TANTSAHA IZY IREO KA TANJONA NY MBA HIALAN’NY VEHIVAVY AMIN’NY SORONA AFO, NY FANELINGELENANA NY ANKIZY MPIANATRA AMIN’NY FAKANA KITAY. NOHO IZANY DIA MIROSO AMIN’NY FANATANTERAHANA ILAY TETIKASA FAMETRAHANA  »BIOGAZ » NA FANODINANA NY
TAIM-BIBY HO LASA ENTONA AZO HANDRAHOIN-TSAKAFO SY HAHAZOANA HAZAVANA NY FLM.  500 NO HAPARITANY AMIN’NY TAONA 2013 HO AVY IO.

Hitosaka eto amintsika ny angovo azo avaozina, azo avy amin’ny taim-biby na  »biogaz ».  »Ny finoana tsy arahin’asa, maty », hoy ny teny avy amin’ny Soratra Masina. Tsy nampaninona ny Fiangonana Loterana eto Madagasikara (FLM) ny nifampiraharaha tamin’ny Ong sinoa iray mba hamindrana ny traikefa fanaovana  »biogaz », haparitaka eto Madagasikara. Nanamora ny fifampiraharahana ny nahazoany famatsiam-bola avy amin’ny NMS na Norwegian Missionary Sosaiety, ny misiona norveziana hiatrehana izany. Vola Ar 200 tapitrisa eo no efa lany tao anatin’ ny roa taona.

Andrana faharoa

« Efa nisy andrana voalohany nataon’ny FLM momba ny  »biogaz », tamin’ny taona 2006-2007,  natao tamin’ny plastika ilay fanangonana entona fa roa taona ihany dia rovitra ka tsy tian’ny olona », hoy Rakotovao Anten’aina, mpandrindra ity tetikasa ity ao amin’ny BMS/Fafi na Birao manohana soritra asa fambolena sy fiompiana, ao anivon’ny FLM.

Natomboka tamin’ny taona 2011 ny andrana faharoa, izay nahazoana tohana ara-bola avy amin’ny Misiona Norveziana. Noho ny fahafantarana ny traikefa avo lenta efa ananan’ny Sinoa dia natao ny fifandraisana tamin’ny ONG Amity Foundation, iraisana fikambanana maromaro any Chine hahazoana ny lafiny teknika.

« Mpitantana tetikasa 13 tao anivon’ny FLM no nalefa niofana tany Chine. Nisy koa teknisianina dimy nalefa taorian’izay.  »Foibe mpanome entona mirehitra 10 no naorina tamin’ ity 2012 ity: Telo tao Vakinankaratra, telo tany Anosy ary efatra tao Matsiatra Ambony », hoy Rakotovao Anten’aina.

10 m toratelo

Ilay maodely manome entona (biodigesteur) 10 m?, natao handrahoina sakafo ho an’olona valo an-trano no nosafidiana haely, noho izy io hita mifanaraka kokoa amin’ny filàn’ny tantsaha malagasy.

« Natao fepetra hananganana azy ny maha tantsaha manana omby sy olona vonona hiaro ny tontolo iainana ary ny faritra efa diso ripaka ny ala. Tsy nampidirina ny finoana », hoy Rakotovao Anten’aina.  »Fanampiana ara-batana sy amin’ny akora sasany toy ny biriky, vatokely sy fasika ary fandavahana ny toerana no entin’izay mahazo tombontsoa. Ny tetikasa kosa no miantoka ny kojakoja fitarihana ny entona sy ny fatana ary ny  simenitra sy vy, manome ny toromarika teknika, miaraka amin’ny teknisiana sinoa », hoy ihany izy.

Ahotrika ao anaty lavaka, tsy ivezivezen’ny rivotra ny taim-biby (omby na kisoa na akoho na an’olona koa aza). Lavaka mitsentsina tsara, tsy misy irika hivoahan’ny entona.  Miteraka entona mirehitra izy io rehefa milona ao.  »Amin’ny voalohany, dia mila alona telo na efatr’andro ilay taim-biby vao miteraka entona mirehitra. Mandalo sivana ny entona vao tonga any amin’ny fatana. Misy fanamboarana kely atao amin’ireny fatana fahita mahazatra ireny dia efa mety. Azo atao koa ny mandrehitra  jiro amin’io entona io.  Ny famahanana taim-biby isan’andro ilay milina avy eo no hahazoana entona fandrehitra mitohy, tsy mety ritra », hoy ny teknisiana iray, niofana momba azy ity.

Hahazoana ranon-jezika

Manome ranon-jezika marihitra, tonga dia azo atondraka ny tanety na tanimbary ary mitondra otrik’aina voajanahary ho an’ny voly, mampitombo be ny famokarana, ny faika avoakany. Mitentina 1 000 000 ariary no lany amin’ny biogaz iray, amin’ity 10m3 ity.   »Efa enim-polo mahery ny fangatahana azonay raha vao vita tao anatin’ny roa volana ireto toerana folo, nanaovana andrana voalohany », hoy Rakotovao Antenan’aina.

Ao anatin’ny tetikasa hotanterahina ny hanaovana toerana vitsivitsy hamokatra entona mirehitra 100 m toratelo, toy ny Sekoly Tombontsoa, ao Antsirabe.  »Mbola manao fandinihina lalina ny hahazoana manangana toerana famokarana entona iombonana izahay. Mora kokoa ny mason­karena amin’izay. Io koa no ampirisihan’ny mpamatsy vola hano­hizana azy », hoy ihany ny avy ao amin’ny FLM.
« Tany Chine izahay, dia nahita toerana fiompiana kisoa goavam-be, tsy mampiasa angovo handrahoin-tsakafo, hanafanana trano sy rano ary hanazavana afa-tsy entona mirehitra izay mahatratra 400 m? no avoakany », hoy Rakotovao Anten’aina.

20 taona eo ny faharetan’ny toerana iray. Isaky ny roa na telo taona no tokony hanaovana fanadiovana ilay milina, ho fikojakojana azy.

Natao tany Andreanavo, any Ambalavao ny 7 desambra teo ny fitokanana ny zava-bita voalohany, nisantarana ireo 500 hotanterahina amin’ity taona 2013 ity. Nanome voninahitra ny fitokanana Raharison Benjamin, lehiben’ny faritra Matsiatra Ambony sy pasitera Randrianirina Dieu Donné, filohan’ny synodam-paritany Afovoany, izay sekretera jeneraly lefitry ny FLM rahateo.

Ny firesahana amin’ireo tompon’andraikitra isan-tokony ao amin’ny FLM misahana ity tetikasa ity no mety hahazoana manangana toerana famokarana entona mirehitra toy ny voalaza eto.

Soratra sy sary nangonin’i Barphil Andriantsiferanarivo

Rugby – Mety haverina ny lalaon’ny US Ikopa sy US Ankadifotsy Rugby – Mety haverina ny lalaon’ny US Ikopa sy US Ankadifotsy

Niady dia niady ny baolina lavalava teny amin’ny kianja Malacam, Antanimena omaly tolakandro. Nisaraka tamin’ ny ady sahala ny US Ikopa sy ny US Ankadifotsy, izay niady laharana hisolo ny IRC, voasazy, tsy afaka milalao.

Teo amin’ny fe-potoana ara-dalana, nisaraka tamin’ ny isa 21 no ho 21 ny roa tonta. Natao ny fanalavam- potoana nefa tsy niova ny isa teny amin’ny solaitrabe. Nolalaovina indray ny « mort subite » fa mbola 21/21ihany.

Natao ny fanisana ny baolina aterin-tànana ka samy 2 no ho 2. Nisaina koa ny karatra mena ka nitovy ny azon’ny an-daniny sy an-kilany. « Lalao haverina no hiafaran’io fa mbola hivory aloha izahay ao amin’ny federasiona amin’ ny herinandro, hanapaka izany », hoy ny tompon’ andraikitra iray avy amin’io federasiona io. Nilamina aloha ny lalao hatramin’ny farany.

B.A

Lanonana – Manomana fetin’ny faran’ny taona ny hotely Krypton Lanonana – Manomana fetin’ny faran’ny taona ny hotely Krypton

Fanao isan-taona. Raha te hiala kely ny renivohitra hamonjy toerana milamina ny mpiala voly amin’izao fety handraisana ny taona vaovao 2013 izao dia mety ho an’izy ireo tsara ny fety karakarain’ny hotely Krypton, eny Ambohimalaza anio alina mandra-marain’ny andro.

«Hiandry olona hatramin’ny 500 izahay amin’io, toy ny efa fahita isan-taona ihany ary miavaka hatrany ny ambiansy. Misy ny lanonana ao amin’ny efitra lehibe ao ambany rihana iarahana amin’ny orkesitra Korana Mozika ary misy ihany koa ny any ambony rihana fihetsehana ambiansy « discothèque » iarahana amin’ny Kool Mix sy Rdj’s Team», hoy ny fanazavan-dRazafimahefa Donald, mpitantana ity hotely ity.

Efa misy ny fivarotana ny tapakila eny amin’ny Nectar Ankaditapaka sy eny amin’ny Planète Ambohijatovo ary nanome toky ny mpikarakara fa hanao izay hahafa-po ny olona ho tonga eny, izay tsy anavahana sokajin-taona fa natao ho an’ny daholobe.

MR

Tapatapany Tapatapany

BANKY

Mikatona ny banky manomboka anio ary tsy hisokatra raha tsy ny alarobia ho avy izao araka ny fanapahan-kevitry ny fikambanana matihanin’ireo mpandraharaha amin’ny banky. Ireo toerana fampiasana ireo karatra fakana vola kosa dia hisokatra hatrany mandritra ireo andro ireo.

LALAO VINTANA

Mpilalao 1 220 no nozarain’ny lalao Peo ny dimy loka nandritra ny fisarihana izay natao ny zoma lasa teo. Vola Ar 4 039 600 no nozaraina tamin’izy ireo. mpilalao roa no nahita ny efatra tamin’ireo laharana dimy nosarihana ka nahazo Ar 877 300. Miakatra ho Ar 10 tapitrisa ny tontona ho an’izay mahita ireo laharana dimy marina.

Fanatanjahantena – Namarana ny taona ny taranja Triathlon Fanatanjahantena – Namarana ny taona ny taranja Triathlon

Namarana ireo fifaninanana faran’ny taona ny Triathlon, izay federasiona zandriny indrindra, omaly alahady teny amin’ny Ans Ampefiloha. Fifaninanana karazany telo no nokarakarainy: Triathlon sprint, Duathlon ho an’ny lehibe sy Aquathlon, ho an’ny ankizy. Teo amin’ny isan-tarika, dia ny ekipan’ny Mpamonjy voina eny Tsaralalàna no nitana ny voalohany.

Tsy nandiso fanantenana ireo kalaza amin’ity Triathlon ity Andriafenomananaina Zouzou, 18 taona, izay voalohany (1ora 3’85 »). Efa nitana ny voalohany tamin’ ny fihaonana tany Saint Leu, La Réunion tamin’ny oktobra i Zouzou. «Mila ezaka na efa tsaratsara aza ny toerana misy antsika eto amin’ny Ranomasim-be Indianina. Ny sangany iraisam-pirenena, 45′ no henjehina. Tsy mbola manana bisikileta fanaovana triathlon isika fa mila manafatra», hoy izy.

Razafimandimby Tino no faharoa (faha-9 izy tany Saint Leu). Antonio, avy ao amin’ny G4S kosa no fahatelo. Renitavy Crown Marie Thérèse no hany vehivavy tokana nahatody hatramin’ny farany (1h 19’30 »). «Bisikileta tsy nisy vitesy no nampiasaiko. Mbola afaka manatsara ny zava-bitako aho raha mahita fitaovana tsara kokoa», hoy i Crown. (lomano 750m, 20km am-bisikileta sy 5km an-tongotra no nifaninanana.

«Amin’ny 20 janoary ny fifaninanana manaraka amin’ity taranja Triathlon ity, izay hatao any Mantasoa. Bisikileta VTT no hifaninanana. Mahavelom-bolo ny ekipa malagasy fa araka ny tombana nataon’ireo manam-pahaizana manokana, tonga nanome fiofanana teto amintsika farany teo, mety ho tompondakan’i Afrika isika Malagasy afaka roa na telo taona», hoy Raoelina Tiana, filohan’ny Federasiona Triathlon (F Tri M).

Barphil Andriantsiferanarivo

Vokatry ny Duathlon sy Aquathlon

Roger, avy any Antsirabe no voalohany teo amin’ny Duathlon, izay 5 km an-tongotra, 20 km am-bisikileta sy 2,5km an-tongotra no nifaninanana. Efa nampitolagaga ny tany La Réunion sy nitana ny voalohany tany Maurice i Roger. Rakotondrasoa Fulgence kosa no faharoa ary Joachim, G4S ny fahatelo.

Teo amin’ny Aquathlon, latsaky ny 11 taona vehivavy: Malalasoa (3’51 »97) no voalohany, Finoana (5’30 »40) no faharoa ary Tsiorintsoa (6’3 »30) ny fahatelo. Fitahiana irery no lahy. Aquathlon, mihoatra ny 11 taona : samy voalohany Rova Sitraka (vavy 11’55’67) sy Toavina (lahy 8’49 »42).

Fitadiavana – Mahavita azy ireo vehivavy  mpandraharaha madinika Fitadiavana – Mahavita azy ireo vehivavy mpandraharaha madinika

Nisy 250 ireo vehivavy nahazo tombony tamin’ ny fanofanana maimaim- poana momba ny fahaiza- mitantana, nanomboka ny taona 2011. “Ilay fitantanana ara-bola mihitsy no tena olana nosedrain’izy ireo tany am-boalohany. Nampianarina azy ireo anefa ny maha fitaovana ny vola ka tsy tokony handanindaniana fahatany izany”, hoy i Lizah Ndrialisoa, mpandrindra ny tetikasa nanofana ireo vehivavy ireo. Tsy sarotra ho azy ireo ny mampahomby ny fitantanana ataony rehefa voafehiny ireo teknikam-pitantanana, na olona, na fitaovana, na vola amin’ ny fandraharahany.

Efa 10 taona mahery izao no nivarotra akoho Ravololoniaina Fanjanirina. “Na ny fahaizako nanaja ny fotoana amin’ny fanatontosana ny kaomandin’ ireo mpanjifa fotsiny aza dia nahazoako tombony. Manam-potoana kokoa hanatontosa kaomandy hafa aho. Mitombo na ny vola miditra aza”, hoy izy.

Niitatra hatramin’ny fandraharahana nataony. Lasa mivarotra saosisy, karazan-kena, “charcuterie” izy taty aoriana. Nitombo isa hatramin’ireo olona nanampy azy. “Lehilahy efatra izao no tarihiko. Tsy misy olana mihitsy ny mitondra lehilahy rehefa mampiseho fa matotra sy hentitra ny tena ao anatin’ ny asa. Manaraka ho azy izy ireo. Efa nampianarina ahy rahateo ny fomba fisafidianana ireo mpiara- miasa mahavita ny asa takian’ny fandraharahana ataoko”, hoy izy.

“Miavaka tsara ny volan-tokantrano sy ny orinasa”

Noho ny fahaiza-mitantana ihany koa dia afaka nanitatra ny varotra hani-masaka nataony Rakotovololona Harisoa. Lasa mivarotra trondro, atody, akoho fakana nofo, vokatra avy amin’ny soja ihany koa izy ankehitriny. “Teo aloha aho tsy nahay nanavaka ny volan-tokan- trano sy ny volan’ny orinasa keliko mihitsy. Avahako amin’ny paoketra roa izany ankehitriny. Raisiko an-tsoratra avokoa ny fandani- ana. Tsy mandanindany vola fahatany toy ny teo aloha intsony aho izao. Nahasokatra kaonty mihitsy aza hitahirizako ny volako taty aoriana”, hoy izy.

Trondro 8 kg no niaingany rehefa nanitatra ny fandraharahany izy. Nitombo avo telo heny anefa izany amin’izao fotoana izao.

Notsorin’izy ireo fa ny tsy fananana ny fahefa-mividy hanefana ny karazana fiofanana toy izany no mbola olana sedrain’ireo vehivavy mpandraharaha madinika.

HNA

Dojo Betongolo – Hatambatra ny fitaizam-batana sy saina Dojo Betongolo – Hatambatra ny fitaizam-batana sy saina

Ady amin’ny «stress». Nisokatra ao anivon’ny AJSL na Fikambanan’ny tanora tia fanatanjahantena sy fialam-boly, mampiasa ny Dojo ao Betongolo, ny sabotsy teo ny Magfi-Do. Ivon-toerana iray tsy mihanona amin’ny fitaizam- batana toy ny «aérobic» sy «fitness» fotsiny ny Magfi-Do fa mampiaraka ny fitaizana ara-tsaina, ho an’ny renim-pianakaviana sy raim-pianakaviana sahirana amin’ny lahasa ka manahy na efa voan’ ny « stress ».

« Hisy fampitomboana hozatra sy fanalefahan-kozatra. Fa hisy koa ny fanatanjahan-tsaina, ny fifampitaizana hifanaja, mahitsy toetra, manana saina tsy azo lemena, tsy mora kivy amin’ny fiainana», hoy Razafindratsara Sahondra, tale teknikan’ ny AJSL, manana tempana mainty 2e dan eo amin’ ny karate sy ny tae kwon do ITF.

Ankoatra izany dia misokatra ao amin’ny AJSL koa ny sampana Savate boxe française. Rakotonindrina Jereda no tompon’andraikitra teknika, misahana izany.

B.A

Aretin-tsaina – Mitaky mafy ny hihazonana an’i Bob eny Anjanamasina ny mponin’Antsakaviro Aretin-tsaina – Mitaky mafy ny hihazonana an’i Bob eny Anjanamasina ny mponin’Antsakaviro

Nitrangana olana. Ny sabotsy faran’ny herinandro teo indray vao tena noraisina an-tanana eny amin’ny toeram-pitsaboana ny olona marary saina eny Anjanamasina i Bob, ilay tovolahy marary saina tetsy Antsakaviro Ambodiroatra.

Nosamborin’ny polisy monisipaly izy ny alakamisy lasa teo, saingy nalefan’ny avy any Anjanamasina nody ny alin’iny, noho ny antony voalaza ho tsy fisian’ny vola nikarakarana azy. « Mangataka ny mponina mba hotohizina sy horaisina an-tanana, araka ny tokony ho izy, ny fitsaboana ity olona ity. Efa nahiditra teny Anjanamasina mantsy izy io, talohan’izao, saingy noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manan’ny fianakaviany dia navoaka indray. Naharaisana fitarainana avy amina tokantrano 30 teo ho eo izy, noho ny fihetsehan’ny aretin-tsainy, miteraka fanimbana fananan’olona», hoy ny sefo fokontany, Rakotoarison Herinirina.

Nanamafy etsy an-danin’izay ny Dr Ratsifandriamanana Lanto, tompon’andraikitra avy ao amin’ny toeram-pitsaboana ny olona marary saina eny Anjanamasina fa « raisina an-tanana maimaim-poana avokoa ireo olona marary saina rehetra ka aterin’ny kaominina eny an-toerana ».

MR

Fanararaotana fety – Nanondrotra saran-dalana ny mpitatitra Antsirabe Fanararaotana fety – Nanondrotra saran-dalana ny mpitatitra Antsirabe

Niakatra indray ny saran-dalan’ireo mpitatitra mampitohy an’Antananarivo amin’Antsirabe tao aorian’ ny fetin’ny Noely no nankaty. « Nisondrotra ho Ar 10 000 hatramin’ny Ar 12 000 ny saran-dalana raha nanodidina ny Ar 6 000 hatrany izany raha amin’ny andavanandro», hoy ny fitarainan’ny mpandeha. Ny alarobia 26 desambra dia nilaharana ny taksiborosy teny amin’ny toby fiantsonana any Antsirabe ho aty Antananarivo.

Nanondrotra ny saran-dalana toy izany ihany koa ny mpitatitra mianatsimo, avy eo Antsirabe mankany Fianarantsoa. « Raha Ar 13 000 ny saran-dalana teo aloha dia tafiakatra Ar 15 000 izany nanomboka ny alahady faran’ny herinandro teo », hoy hatrany ireo mpandeha.
Nilaza ireto farany fa trangan-javatra efa mipoitra hatrany ny fanondrotana saran-dalana toy izao amin’iny zotra mankany Antsirabe sy ny mianatsimo iny rehefa fotoanan’ny fety toy ny faran’ny taona sy ny Paska na ny fetin’ny Fahaleovantena. Tsikaritra ho marobe, ankoatra izany, ireo vahiny tonga ao Antsirabe, hanao fetin’ny faran’ny taona.

MR/Angola Ny Avo

Niakatra indray ny saran-dalan’ireo mpitatitra mampitohy an’Antananarivo amin’Antsirabe tao aorian’ ny fetin’ny Noely no nankaty. « Nisondrotra
ho Ar 10 000 hatramin’ny Ar 12 000 ny saran-dalana raha nanodidina ny
Ar 6 000 hatrany izany raha amin’ny andavanandro», hoy ny fitarainan’ny mpandeha. Ny alarobia 26 desambra dia nilaharana ny taksiborosy teny amin’ny toby fiantsonana any Antsirabe ho aty Antananarivo.
Nanondrotra ny saran-dalana toy izany ihany koa ny mpitatitra mianatsimo, avy eo Antsirabe mankany Fianarantsoa. « Raha
Ar 13 000 ny saran-dalana teo aloha dia tafiakatra
Ar 15 000 izany nanomboka ny alahady faran’ny herinandro teo », hoy hatrany ireo mpandeha.
Nilaza ireto farany fa trangan-javatra efa mipoitra hatrany ny fanondrotana saran-dalana toy izao amin’iny zotra mankany Antsirabe sy ny mianatsimo iny rehefa fotoanan’ny fety toy ny faran’ny taona
sy ny Paska na ny
fetin’ny Fahaleovantena. Tsikaritra ho marobe, ankoatra izany, ireo vahiny tonga ao Antsirabe, hanao fetin’ny faran’ny taona.

MR/Angola Ny Avo

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite