|
Fambolena – Atahorana ny fanetsana amin’ny afitsoky ny valala
Efa manahy sahady ireo tantsaha ao Miandrivazo amin’ny ho avin’ny volin’izy ireo manoloana ny firongatry ny valala any an-toe-rana. Maherin’ny 1 000 Ha mantsy ny faritra rakotra valala ao anatin’ity distrika ity tao anatin’ny tapa-bolana mahery izay. “Vao ny 400 Ha no nandrarahana fanafody. Miparitaka be anefa ny faritra misy ireo valala. Manampy trotraka ny tsy fahampian’ny fitaovana ivezivezena fa ny fanafody indray dia mbola misy ambim-bava azo ampiasaina amin’ny velaran-tany 2 000 Ha eo”, hoy ireo loharanom-baovao any an-toerana. Mahavita 5 km anefa ny zana-balala ao anatin’ ny iray andro, no sady mamotika voly. Atahorana hahatratra ny fotoam-panetsana mihitsy ny fihazakazaky ny firongatry ny valala raha toa ka tsy voafehy. “Tsy ferana ny ho akon’ny fandalovan’ireto bibikely ireto amin’ny vary an-tanety, ny katsaka…”, hoy hatrany izy ireo. Velaran-tany eo amin’ny 1 000 Ha indray no rakotra valala ao avaratr’i Toliara ho an’ny Faritra Atsimo-andrefana. Misy valala vaky ihany koa anefa ao anatin’ny Faritra Betsiboka, Bongolava, Melaky. “Na dia tsy ampy aza ny fitaovana dia atao izay mampandeha ny ady. Tokony ho voafehy ireo valala raha ampy ny fanafody”, hoy René Walson John, tale nasionalin’ ny ivon-toerana misahana ny ady amin’ny valala (Cna). Hanitry Ny Aina |
|
Tontolo ambanivohitra – Voatohintohin’ny politika ny fanohanana ireo tantsaha
Nifarana tamin’ny fomba ofisialy omaly ny tetikasa tan-tsoroky ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra (Psdr). “Tetikasa vonjy voina no hanolo azy io aloha satria mbola tsy niverina ny famatsiam-bola avy any ivelany noho ny krizy. Ambin’ny vola nampiasaina hatrizay no hampihodinanay ny tetikasa. Hahena hatramin’ny isan’ireo mpiasa”, hoy Randriamamonjisoa Georges, tale nasionaly mpanatanteraka eo anivon’ny Psdr, nandritra ny nanamarihana ny famaranana ny tetikasa teny amin’ny Cci Ivato, omaly. Ny sehatry ny fambolena ihany no hahazo tombony amin’io tetikasa vonjy voina io. “Mbola tsy ireo mpamboly rehetra aza satria izay mpamboly mahafehy ny rano ihany no hotohanana mba hampisy vokany ny fanampiana omena”, hoy izy. Afaka manao fangatahana sahady ireo mpamboly liana amin’izany. Vola 120 tapitrisa dôlara no azo, tantsaha 1,1 tapitrisa no nahazo tombony tao anatin’ny 11 taona nisian’ny Psdr. HNA |
|
Kianja vaovao ao Carion – Hahazo vahana ireo ekipa miaraka amin’ny federasiona
“Ireo ekipa mpikambana eo amin’ireo rantsamangaikan’ny federasiona no hahazo vahana eny amin’ny kianja voarakotra bozaka tsy voajanaharin’i Carion manomboka izao”, hoy i Ahmad, filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra omaly teny an-toerana nandritra ny fanoloran’ny federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa) azy ireo tamin’ny fomba ofisialy ny kianja vita tsara. Na izany aza anefa dia hisy ihany koa fanomezana alalana an’ireo ekipa hafa hampiasa ny kianja, saingy miankina amin’ny fahalalahan’ny fotoana izany, araka ny nambaran’ny filohan’ny Fmf. Tetikasa manaraka “Tsy hitovy velively ny hofan’ny kianja ho an’ireo sokajina ekipa ireo. Ambonimbony kokoa ny hofan’izany ho an’ireto farany”, hoy ihany i Ahmad. Amin’ny alahady izao dia efa hanomboka ny fampiasana ny kianja, izay hihaonan’ny avy eo anivon’ny federasiona sy ny mpanohana azy. Tamin’io fotoana io ihany koa no nanambaran’ny avy eo anivon’ ny Fifa ny fanombohan’ny tetikasa manaraka “performance”, izay isan’ireo nahavoafidy an’i Madagasikara eo amin’ny fikolokoloana ekipa avy any amin’ny tanora. “Hiditra amin’ny volana aogositra na septambra 2013 ireo andiany voalohany ahitana ireo mpilalao teraka tamin’ny taona 1998 no ho midina eo amin’io Akademia io”, hoy i Jean Michel Benezet. Roméo Andriamihaja Ho any Afrika ihany ny TCO sy AS Adema Raha mbola nampisalasala ny mety tsy hahavonona an’ireo ekipa roa hisolo tena antsika amin’ny fifaninanana afrikanina amin’ny herintaona dia efa nanambara ny roa tonta fa efa nandefa ny anto-bola Ar 100 000 000 tany amin’ny federasiona omaly. Nohamafisin’i Ahmad izany, ka ny As Adema no hiatrika ny Champions league rah any TCO Boeny kosa no hanao ny Amboaran’ny CAF. |
![]() |
Sombiny TANIM-PANJAKANA BAOLINA VOLAMENA Nangonin’i RA |
|
Varotra entana tonta – Raikitra ny « vaky balle » ao Mahamasina manomboka anio
Voalohany eo amin’ny tantaran’ny varotra eto Antananarivo ny tsenabe ho an’ny entana tonta, diso fantatra amin’ny hoe “friperie”, izay hatao etsy amin’ny “stade annexe” etsy Mahamasina manomboka anio. Tsenabe Vaky balle no nampitondran’ireo mpivarotra mpandray anjara ny anaran’ity hetsika ity. “Satria hatobaka ho an’ireo mpanjifa na ny lohan’entana aza”, hoy Raharinimanana Lovaniaina, isan’ireo mpikarakara. Ho hita mandritra ity tsenabe ity na fitafiana na kiraro na kilalao hatramin’ny fitaovana mandeha amin’ny herinaratra fampiasa ao an-tokantrano. “Hisy ireo mpivarotra hanao fampihenam-bidy. Ho toy ireny eny an-tsena ireny mihitsy ny fomba hivarotanay ao mandritra ny telo andro”, hoy ihany ny mpikarakara. HNA |
![]() |
Basket ball/Sembana – Hiverina hihaona i Toliara sy Ambositra Hanala vela amin’ny ekipan’i Toliara eo amin’ ny lalao famaranana ho an’ny basket ball ho an’ ny olona manana fahasembanana anio ny ekipan’ Ambositra, rehefa avy resin’iry voalohany tamin’ ny isa 83 no ho 17 tamin’ ny lalaom-bondrona. Teny amin’ny ANS Ampefiloha omaly, dia lavon’i Toliara 93 no ho 18 i Fianarantsoa, raha nahintsan’ Ambositra 64 no ho 49 kosa i Mahajanga, nandritra ireo lalao manasa-dalana. Teo amin’ny tsipy kanetibe kosa dia nanjakazaka tanteraka ny ekipan’Antananarivo nanoloana ny solontenan’i Toliara. Tamin’ny alalan’ny isa 13 no ho 9 no nahavoahosotra ho tompondaka azy ireo omaly. Antananarivo izay hisolo tena antsika amin’ny lalaon’ny olona manana fahasembanana atsy Maorisy amin’ny volana desambra ho avy iny, ho an’ny fiadiana ny amboaran’ny Ranomasimbe indianina. R.A |
|
Fifandraisana sy fety – Hampihanta ireo mpanjifany ny Airtel
Nampatsiahivin’ny orinasam-pifandraisana Airtel fa loka mitentina Ar 100 tapitrisa no hozaraina ao anatin’ilay lalao “Airtel Safidy Mpandresy” hatramin’ny 15 janoary 2013 ho avy izao. Tafiditra ao anatin’ny fanomezana ho an’ny mpanjifa amin’izao fetin’ny faran’ny taona izao io lalao io, ka isaky ny 10 andro no hanaovana fisarihana manerana ny faritra maro. Efa nisy nahazo sahady izao ny Airtel Money mitentina Ar 1 tapitrisa. Misy ny loka hafa, toy ny môtô scooter, saingy isan’ny goavana indrindra ny fiarakodia vaovao iray. Hiavaka kosa anefa ny fanoloran’ity orinasam-pifandraisana ity ihany,ny fety aman-danonana manerana ny tanàna maro eto an-drenivohitra, miaraka amin’ny Kintana Production sy mpanakanto maro toa an’i Samoela, Marion, Y Zit, Fafah, Njakatiana, Onja Tinondia, Princio, Farah Jones, Big MJ ary DJ maro. Isan’ireo toerana hahitana izany ny Hotel Carlton, Planète Terrasse, Paprika Cap 3000, Kudeta, UrbanCafé, Karakave, Jao’s Pub, Le Glacier manomboka ny 07 hatramin’ny 29 desambra 2012. AR |
|
Fitokonan’ny mpiraki-draharaha – Olona 300 isan’andro miveri-maina avy etsy Anosy
Mikatso tanteraka. Efatra andro omaly izay no nitokonan’ireo mpiraki-draharaham-pitsarana etsy amin’ny tribonaly Anosy. Mbola maro amin’ny olona ihany koa anefa no tsy mahafantatra izany, ary tonga eny an-toerana, ka miveri-maina fotsiny. Isan’ny nahitana izany ny ao amin’ny fanamboarana ny biletà laharana fahatelo. Diso fanantenana ny ankamaroan’ny olona mila izany. Ary ireo mpiasa no tena mila maika io biletà ilaina amin’ny antontan-taratasy any amin’ny toeram-piasana io. Ny mandika ireo taratasy ilaina sy ny modely fangatahana izany, izay misoratra eo amin’ny vavahady sisa no ataon’ireo olona saika haka ny biletà laharana fahatelo. “Raha tsy miverina miasa mihitsy ny mpiraki-draharaha tsy misy ny fizaràna biletà laharana fahatelo. Olona manodidina ny 300 isan’andro anefa no tonga maka sy mila izany eto”, araka ny fitantaran’ny mpiasa iray eo anivon’ity sampan-draharaha ity. Mbola haharitra hatramin’ny 7 desambra anefa ny fitokonana. LR |
![]() |
Tapatapany MPIASA MITARAINA OLANA FANORENANA |
|
Valan’aretina – Olona iray no maty tamin’ireo 11 nararin’ny pesta tao Anjozorobe Valanaaretin’ny fotoam-pahavaratra. Nahitana trangana aretina pesta indray tao amin’ny distrikan’Anjozorobe. Renim-pianakaviana iray no namoy ny ainy, vokatry ny pesta mpahazo ny avokavoka tao amin’ny kaominina Marovazaha, ny 19 novambra teo. « Sivy no trangana aretina pesta hita hatramin’ny 21 novambra, niampy roa ireo, ka ny iray tao amin’ny kaominina Marotsipoy ary ny iray hafa, mbola hita amin’izao fotoana, ao amin’ny kaominina Marovazaha. Iray no maty tamin’ireo tranga 11 ireo », hoy ny lehiben’ny fari-piadidiam-pahasalamana eo anivon’ny distrikan’Anjozorobe, ny Dr Monet, nanome fanamarinam-baovao. « Ahiana ho ny fahatarana teo amin’ny fanatonana tobim-pahasalamana no anton’ny trangam-pahafatesana mahakasika ny pesta », hoy hatrany iry mpitsabo iry. Voafehy Nilaza kosa izy fa efa voafehy tsy hiparitaka ny aretina amin’izao fotoana ary efa misy ny fiaraha-miasan’ny tompon’andraiki-mahefa isan-tsokajiny any an-toerana, mifarimbona amin’ny fanaraha-maso sy ny fandraisana an-tanana ireo marary sy ny havany, tsy hifindran’ny aretina. « Efa mandeha ny fanentanana amin’ireo sefo fokontany rehetra, miaraka amin’ny Ben’ny tanàna rehetra any an-toerana, mahakasika ny ady amin’ny aretina pesta », hoy hatrany ny Dr Monet. Aretim-boalavo mety hifindra tsy nahy amin’ny olombelona noho ny kaikitry ny parasy nitondra ny otrikaretina ny pesta. Azo atao tsara ny misoroka azy amin’ny famongorana ny voalavo sy ny parasy, izay mitaky tontolo madio, lavitry ny fako sy ny loto mety hahatamana ny voalavo. Monica Rasoloarison |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |