|
Anosizato – Mpamokatra piraty nanaovan’ ny BAP bemidina vao maraim-be
Niainga avy amin’ny loharanom-baovao marim- pototra sy taorian’ny fana- dihadiana. Mpamokatra piraty teny Anosizato, omaly maraina tamin’ny 5 ora no nanaovan’ny Borigady manokana miady amin’ny Piraty (BAP) bemidina. Trano voalaza fa mpamokatra sy mpamatsy vokatra ireo mpivarotra piraty eto Antananarivo sy ny manodidina ity tratran’ ny fisavana tampoka ity. Noho ny fandikan-dalàna nataon’ilay voalaza fa mpanao piraty dia fitaovana maromaro no nogiazan’ny BAP ary noentina tetsy amin’ny birao fiasan’izy ireo tetsy Anosy. Tao anatin’izany ny kapila mangirana 5.541, «duplicateur» 02, «Unité centrale» 08, «Graveurs» 28, «Claviers» 02, «Ecran» 01, fanapahana taratasy iray ary fiara iray. Olona efatra no voantso hanaovana famotorana taorian’izay, ka anio no hiakatra etsy amin’ny Fampanoavana izy ireo. «Anisan’ny andrasana amin’ny BAP ny fikarohana ny loharanon’ny piraty toy izao ary isaorana azy ireo izany. Ny antenaina dia ny mba tsy hisian’ny lava tanana sy tsy matimanota ka ho afaka indray rehefa tonga eny amin’ny Fitsarana», araka ny fanehoan-kevitry ny mpitantana trano mpamokatra iray. Tao anatin’ny iray volana dia manodidina ny 50.000 ny kapila mangirana piraty efa noraofin’ny BAP. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana kosa ireo mpivarotra piraty efa tratra teo aloha. FR |
|
Zavakanto sy fanatanjahantena – Hampiaina ny kilalaka etsy amin’ny Marais Masay ry Tsiliva Hifanotrona ny fana- tanjahantena sy ny kolon- tsaina. Ao anatin’ny fanka- lazan’ny Fikambanana Tanora Mitaiza sy Manabe eto Manjakaray na ny FT3M ny fahadimy taona nijoroany, dia hampiaina ny kilalaka etsy amin’ny Marais Masay ry Tsiliva sy ny tariny. Fampisehoana hotanterahina rahampitso 01 novambra izy io. «Hisantatra ny fampisehoana ireo fanentanana sy lalao samihafa», araka ny fanazavan’ny mpikarakara. I Live’s Rasa, izay anarana vaovao ihany nefa efa manana ny talentany amin’ny fanafanana hetsika samihafa, no hitarika io fanentanana io. Handray anjara ao anatin’ny hetsika ihany koa ny tarika Le Rifa, mpanakanto avy any amin’iny faritr’Alaotra iny, nefa mivoy sy miangaly ny mozika mafana. Hamarana ny seho ao anatin’ny ambiansa mafana ry Tsiliva sy ny tariny ary ny kilalaka. Hoentiny ao anatin’ny fampisehoana avokoa ireo hira rehetra nahafantarana ny tarika hatramin’izay. Anisan’ny fomba noentin’ny FT3M tamin’ny fanabe- azana ny tanora mba hialana amin’ny fidonanananam- poana sy ny fidorohana zava-mahadomelina ny fikarakarana fihaonana ara-panatanjahantena. FR |
|
Lozam-pifamoivoizana – Nivadibadika tao Antsohihy ny fiara nitondra an- dry Wawa
Niharan-doza. Ao anatin’ny fitetezam-paritra ato anatin’ny Ranomasimbe Indianina amin’izao fotoana ry Wawa sy ny tariny. Rehefa avy nanatontosa fampi- sehoana 14 nandritra ny iray volana tatsy amin’ny Nosy Mayotte,dia tra-doza ary nivadika tany amin’ ny 5 km mialoha ny hidirana an’Antsohihy ny fiara Mercedes Sprinter nitondra an-dry Wawa omaly. Araka ny fanampim-baovao voaray dia nivadibadika indroa tamin’ny vatany mihitsy io fiara nitondra azy ireo io. Na izany aza dia tsy nisy ny aina nafoy, saingy ny mpitendry ny vata maroafitsoka no naratra. Tany Nosy Be no niantsona ny fiaramanidina nitondra azy ireo ary niampita tao Ambanja naka ny fiara manokana hitondra hiakatra aty Antananarivo. Ny marainan’ny alatsinainy 29 oktobra teo no nitranga ny loza, raha nihevitra ny ho tonga aty Antananarivo ny marainan’ny alatsinainy izy ireo, hikarakara indray ny taratasy handehanana ho atsy amin’ny Nosy La Réunion. Ny 10 novambra izao no tokony hihazo an’i La Réunion ry Wawa sy ny tariny ary haharitra efatra andro ny fivahinianany any. Tsy mbola fantatra ny mety ho fiovan’ny fandaharam-potoana taorian’izao loza nitranga tampoka izao. FR |
|
Fitadiavana – Ankizivavy maro avy any Antalaha niala nianatra fa hiasa any Koweit
Ny fitadiavana mahazaka maniraka. Noho ny tsy fananana dia voalaza fa nahafoy ny fianarany mihitsy ny andian’ankizivavy maro avy any Antalaha, ka mikasa handeha hikarama any Koweit. Toa an-dRaherisoa Malala Marie Ange. « Tokony hiditra kilasy famaranana aho amin’ity taom-pianarana ity, saingy aleoko miasa, mitady vola », hoy izy. « Navelan’i dada sy i neny hiasa any Koweit aho ka aleoko mandeha miasa », hoy indray Bezafy Aurélienne, 21 taona, taona fahasivy. « Sahirana ireo ray aman- dreny mamelona anay, ka aleonay mandeha miasa », hoy kosa ireo ankizivavy roa samy ao amin’ny taona faha-11. Misy amin’izy ireo ihany anefa no efa ao anatin’ny taona fitadiavana asa mihitsy, saingy tsy mahita na tsy afa-po amin’ny karama raisiny eto an-toerana. Fampanantenana 64 no tazana nanamboatra pasipaoro tetsy amin’ny biraon’ny polisim- pirenena tetsy Anosy omaly. « Efa nanome toky anay ny birao nikarakara anay fa raha toa ka misy ny olana dia izy ireo no antsoina sy hanao izay hamahana izany », hoy ny valin-teny tsotra nomen’ ireto tovovavy ireto. Asa an-trano no tena ihazakazahana any aminity firenen’i Golf ity, amin’ny karama Ar 400 000 isam-bolana. Nambaran-dRakotoarisoa Radomanana, avy ao amin’ ny birao FA Entreprise mikarakara ny dian’ireto tovovavy ireto, fa manao fitetezam-paritra mihitsy izy ireo mitady tovovavy hiasa any Koweit. « 2 000 eo no efa nalefa tany Koweit nanomboka tamin’ny 1999. Vao hisy mpiasa malagasy 12 izao hanainga ho any Koweit anio », hoy izy. Milaza ny hanao izay hampahay ireto tovovavy ireto ny teny anglisy sy ireo kojakojan-tokantrano tsara ho fantatra ity birao ity mandra-piaingan’izy ireo, afaka iray volana raha ela. Milaza ny manara-maso izany ny minisiteran’ ny Asam-panjakana sy ny Lalàna sosialy, saingy tsy mijery kosa ny toerana misy ilay mikasa ny hiasa any ivelany. « Sarotra ny hametra ireo ankizy hoe tsy handeha hiasa any noho ny fianarana. Fifanarahan’ izy ireo sy ny ray aman-dreniny izany», hoy Rajaobelina Gérard, sekretera jeneralin’io minisitera io.
Hanitry Ny Aina |
![]() |
Vatovavy fitovinany – Nanokafana ivon-ketra Ifanadiana sy Vohipeno Vita hatreo ny fanaovan’ ireo mponin’ny distrikan’ Ifanadiana sy Vohipeno dia an-kilaometatra maro amin’ ny fandoavan-ketra any Mananjary. Nametrahana ivon-ketra mantsy ny tao amin’ireo distrika roa ireo, izay samy nosokafana ny alakamisy sy zoma teo. Faritra fahatelo manana ivon-ketra isaky ny distrika ao aminy ny Faritra Vatovavy Fitovinany. Misy ivon-ketra ao Manakara, Mananjary, Ikongo, Nosy Varika. Ivon- ketra faha-94 sy faha-95 io vao notokanana io. « Faritra be otrikarena iny tapany atsimo-atsinanan’ ny Nosy iny. Ny fahalavirana anefa no isan’ny sakana amin’ny tsy fandoavan-ketra», hoy i Tazafy Armand, tale jeneralin’ny Hetra raha nanazava ny fametrahana ireo ivon-ketra manakaiky ny vahoaka ireo. Hiezaka ny hanentana ireo mponina amin’ny fan- doavan-ketra ireo manam- pahefana any an-toerana. HNA |
|
Taekwondo Tompondakan’i Afrika – Nahazo Ar 50 tapitrisa teny Ambohitsorohitra ny federasiona Ny 2 – 6 novambra izao no handraisantsika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja taekwondo. Raha efa vonona hiatrika izany ny ekipam-pirenena malagasy, dia naneho ny fahavononany hanampy amin’ny fikarakarana sy fanomanana ihany koa ny fitondram-panjakana teny Ambohitsorohitra omaly. Vola mitentina Ar 50 tapitrisa, ka ny 10 tapitrisa ariary ho an’ireo mpikatroka, no nomenan’ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina, nandritra ny fitsofan-drano azy ireo. “Isika tsy mba naman’izay resy. Tanora aho ary tia manampy tanora. Fantatro fa ny tanora ny ho avin’ity firenena ity”, hoy izy. Firenena 18 no efa heverina handray anjara amin’ity fifaninanana kaontinantaly ity tamin’ireo 30 nandefasana fanasana. “Efa tamin’ny sabotsy no efa tonga ny ekipam-pirenena senegaley. Omaly kosa no nifandimby tonga i Côte d’Ivoire sy Tonizia ary Ejypta”, hoy i Danny Rasolofomasoandro, filohan’ny federasiona malagasin’ny taekwondo. Ho an’ny ekipam-pirenena malagasy dia efa nanomboka nampiasa ireo fitaovana avo lenta hampiasaina amin’ny fifaninanana izy ireo nandritra ny fanazaran-tena. Roméo Andriamihaja Ekipam-pirenena malagasy Poomse: Lahy -17 taona: Kevin Rajoelina -29 taona: Kévin -39 taona: Rivo Rakotobe -49 taona: Nicolas de Gonzague Vavy -17 taona: Felana Razafinimanana -29 taona: Audrey Randriamandranto Isan-tarika: Annie
Katrok’ady olon-tokana Lahy -54kg: Marcellin Rafanomezantsoa -58kg: Rija Rabeniala -63kg: Honorin Randriamandimby -68kg: Tantely Randriantsoa -74kg: Désiré Jaotiana -80kg: David Randrianantoandro Vavy -46kg: Volasoa Rabeholinantenaina -49kg: Hanitriniaina Rakotonodrasoa -53kg: Patricelle Lantonirina -57kg: Betty Mariane |
|
Hazakaza-piarakodia – Misy mpanamory mampaneno lakolosy fanairana momba ny kodiarana vaky
Misy raha? “Mampametra-panontaniana amin’ izao fotoana izao ny fahavakisana kodiarana matetika ho an’ireo mpifaninana eo amin’ny fanamoriana fiarakodia”, hoy i Haingo Ramiandrisoa, mpanamory mpanampy an’i Olivier amin’ny Subaru Silhouette de l’Est, mitarika vonjimaika eo amin’ny fifaninanam- pirenena. Dingana manokana iray, tao Tsaravinany, dia nitovy fahavoazana ireo farakodia telo nentin’i Mathieu sy Titi ary Olivier teo amina toerana iray. “Samy kodiarana havia eo aloha avokoa no nipoaka ho anay ireo na dia tsy nandona vato aza. Nandritra iny fifaninanana iny dia inefatra izahay no vaky kodiarana, izay tsy dia mpiseho tany aloha tany”, hoy ihany izy. Andrimasom-pokonolona Samy naneho hevitra avokoa ireo mpanamory ireo ny amin’ny “tokony hijerena akaiky ny momba izany”. Isan’ny mba fanirian’izy ireo ny hisian’ny andrimasom-pokonolona any anaty dingana manokana, hijery izay mety ho sakantsakana ataon’ny sasany any ka handraisan’ny mpikarakara fepetra mifanandrify amin’izany. Isan’ireo tena tsy nampoizina ny fifanenana teo amin’i Mathieu sy ny fiara tsy mataho-dalana iray tao anaty dingana manokana, izay tsy dia fahita firy amina fifaninanana tahaka ireny. Nitarika faharesena tsy satry ho an’ity mpanamory kalaza ity izany noho ny fahaverezam-potoana teo am-panoloana kodiarana. Toy izany ihany koa ny nahazo an’i Joda tany amin’ ny “Rallye du Boeny”, fahavakisana kodiarana no nampiala an-daharana azy. R.A |
![]() |
Kitra « Tournoi de l’amitie II » – Hiatrika ny ampahefa-dalana ny L’Express de Madagascar Tafita hiatrika ny ampahefa-dalana ho an’ny fiadiana ny “amboaram-pirahalahiana II” ihany ny ekipan’ny l’Express de Madagascar taorian’ireo fahasahiranana nanjo azy ireo teo amin’io fifaninanana baolina kitra io. Hanampy ny Camusat sy ny Sporting Carrefour Autos izy ireo sy ny Toyota Rasseta. Ny ady sahala teo amin’ny vokatry ny lalaon’ny France Rider sy ny Camusat tamin’ny faran’ny herinandro teo (2 sy 2) no nampitsiky ny vintana ho an’io ekipan-dry Jimmy sy ny tariny io ho eo amin’ny dingana manaraka ho an’ny fifaninanana. Miankina amin’ny vokatra farany eo amin’ny vondrona B, izay mbola misy lalao roa tsy vita, no hahafahana mamaritra izay ekipa hifanandrina amin’izy ireo. Hiady ny toerana voalohany eo amin’io vondrona io ny Star sy ny Auximad mialohan’ ny hifanandrinan’ny Star amin’ny Bmoi. Hotontosaina amin’ny 11 – 12 novambra ho avy izao ny dingan’ny ampahefa-dalana eo amin’io fifaninanana andiany faharoa ho an’ny fiadiana ny “amboaram-pirahalahiana II”. R.A |
![]() |
Kitra ami’ny tora-pasika – Mbola ho sarotra resena ny ekipan’ i Morondava any Vatomandry Mbola henjana ! Nandray anjara hatrany tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny baolina kitra lalaovina amin’ny tora-pasika na ny «Beach soccer» ny ekipan’i Morondava. Tamin’ny andiany teo aloha, izay natao tany Morondava, dia izy ireo no nahazo ny anaram-boninahitra ary mbola vonona ny hiaro izany no tanjon’izy ireo amin’ny 1 – 4 novambra ho avy izao any Vatomandry, araka ny hafatr’i Hawel Mamod’Ali, filohan’ny ligin’i Menabe eo amin’ny baolina kitra. Mandritra io fifaninanam-pirenena andiany fahefatra io rahateo no hifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena mala- gasy amin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena hoatrehin- tsika amin’ny herintaona. Isan’ireo mpifanandrina akaiky amin’i Morondava ny ekipan’i Boeny, izay lefitry ny tompondaka farany, sy ny avy any Alaotra Mangoro. Ity farany no nahazo ny medaly alimo tamin’ny fifaninanam-pirenena tany Morondava. Aorian’io fifaninanana io dia hisy ny fampivondronana an’ireo mpilalao lany handrafitra ny Barea any Mahajanga miaraka amina teknisianina vahiny iray, Henri Emile, amin’ny 13 – 25 novambra ho avy izao. Hoentina miomana amin’ny fiavian’ny ekipam- pirenena senegaley sy ireo avy ety amin’ny Nosy manodidina antsika hiatrika ny fifaninanana iraisam-pirenena hatao any Toamasina amin’ny 13 – 16 desambra ho avy izao no anton’io fampivondronana io, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra. R.A |
![]() |
Judo Analamanga – Lany ho Filoha noho ny fizoki- ana Raman- dimbisolo Bertin Andro vitsivitsy mialoha ny fifidianana ny ho filohan’ ny federasiona malagasin’ ny judo dia lany hitantana ny ligin’Analamanga ao anatin’ny fe-potoana olympika manaraka i Bertin Raman- dimbisolo, tamin’ny faran’ ny herinandro teo. Nitovi- zana hatrany ny vokatra azony sy i Vola Raoelison, izay nifanandrina taminy teo amin’ny fihodinana voalohany sy faharoa. Ny fitsipika anatiny mifehy ny judo no nahatonga azy ho lany, izay nametraka fa “raha misy fitoviana hatrany ny isam-baton’ny mpifanandrina dia izay zokiny amin’ny taona no lany”. Tsy nisy fiovana na dia efa naverimberina aza ny fifidianana teo amin’izy ireo, fa samy nitana ny isam-bato dimy hatrany. Tamin’ny fifidianana federasiona teo aloha dia nisahana ny andraikitry ny filoha lefitry ny federasiona, izay niara-niasa akaiky tamin’ i Siteny Randrianasoloniaiko, i Solokely. “Tanjona amin’ ity ny hisian’ny fifaninanana maromaro eto amin’ny ligin’Analamanga mialoha ny fifaninanam-paritra sy ny fifaninanam-pirenena. Hiezaka aho ny hanome aina vao indray ny taranja judo eto Analamanga”, hoy i Bertin Ramandimbisolo na i Solokely. R.A |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |