|
Very ny omby 76 – Polisy iray indray no matin’ny dahalo tany Ambato Boeny
Nisehoana halatr’omby indray tao Maroelatra, kaominina Am-bato Ambarimay any Ambato Boeny, ny alakamisy 27 septambra teo. Polisy iray nanara-dia ireo olon-dratsy no maty novonoin’ireo dahalo tamin’izany. «Dahalo 18 eo ho eo mirongo basy sy zava-maranitra no nangalatra omby 76 tao amin’ilay tanàna», hoy ny tatitry ny zandarimaria avy any an-toerana. «Polisy roa lahy izy ireo no niaraka, saika andeha hody any Ambato Boeny, ka teny an-dalana no nifanehatra tamin’ ireo fokonolona nanara-dia. Teo Antongomena, kaominina Mangabe tokony ho tamin’ny mitatao vovonana no raikitra ny fifandonana tamin’ireo dahalo. Nohodidinin’izy ireo ilay mpitandro ny filaminana iray fa ilay namany kosa afaka nitsoaka, ka namonjy ny borigadin’ny zandarimaria Ambato Boeny nitantara ny zava-nisy», hoy hatrany ny tatitra. «Tsy hisy fanantenana intsony ny ahaveloman’ilay namako», hoy ny fitantaran’ilay polisy rehefa tonga teto amin’ny borigady ny hariva tokony ho tamin’ ny 7 ora», raha ny tatitra hatrany. Vao naheno ilay vaovao ny zandary tao amin’ny borigady dia niantso ny lehiben’ny distrika ka nandray fepetra handefa zandary hanao ny fanarahan- dia any toerana hanampy ireo foko-nolona ity tompon’ andraikitra ity. Haja R. |
![]() |
Fandrobana – Lehilahy mpamaky fiara sarona teny Ambanidia Notanana vonjimaika eny Antanimora ny lehilahy iray tratran’ ny polisy am-bodiomby teo am-pangalarana entana nipetraka tao anatin’ny fiara iray teny amin’ny faritra Am-banidia, ny alakamisy tokony ho tamin’ny 1ora antoandro. «Antontan- taratasy maromaro sy finday ana mpisolovava no nofaohiny tamin’ izany», hoy ny tatitra azo avy amin’ny polisim-pirenena. Raha ny voalazan’ ny mpitandro ny fila-minana ihany dia «olona telo na efatra izy ireo no manao izao asa ratsy izao ka ny sasany mody manelingelina ny mpamily amin’ny fandondonana ny vatan’ilay fiara. Ny iray kosa mamoha ny iray amin’ireo varavaran’ilay fiara ary maka izay azo alaina rehetra ao», hoy hatrany ny tatitra. Rehefa nantsoina ireo olona nitaraina fa efa voaroba tamin’iny lalana iny dia samy nilaza ho mahafantatra ity lehilahy ity avokoa. Haja R. |
|
Fanafihana tany mandritsara – Nodoran’ireo dahalo ny tanàna dia lasa ny omby 18 Dahalo fito nirongo basim-borona no nanafika tao amin’ny tananàn’i Belambanana Mandritsara, ny alin’ny 24 hifoha 25 septambra lasa teo. «Nodoran’izy ireo ny trano miisa enina tao an-tanàna ary nofaohin’izy ireo avy eo ny omby 18, fananan’olona iray. Nalain’izy ireo an-keriny ihany koa ity tompon’omby ity saingy navelan’izy ireo rehefa lasa lavidavitra niala ny tanàna», hoy ny tatitry ny zandarimaria avy any an-toerana. Raha ny fantatra dia mitentina Ar 4 tapitrisa ny zavatra may tao amin’ireo trano voadoro, niaraka tamin’ny vary 60 daba. Olona 19 no tsy manan-kialofana amin’izao fotoana izao. Nizotra nankany Andilamena ny lalan’ireo dahalo ka nampandrenesina avy hatrany ny zandary tany Antsinjanilava mba hiambina ny kizo mety holalovan’izy ireo. Haja R. |
![]() |
Varo-maizina teny Isotry – Mpivarotra sy mpamatsy rongony saron’ny polisy Lehilahy iray mpivarotra legioma eny Isotry no nahatraran’ny polisy fonosana rongony 84 isa izay voalaza fa saika mbola hamidiny, ny alakamisy 27 septambra teo. «Rehefa natao ny famotorana dia nolazainy fa vokatry ny krizy no nanaovany io asa io ka 500 Ar no ivarotany ny fonosana rongony iray ary lehilahy iray no notondroiny ho mpamatsy azy ireo zava-mahadomelina ireo. Rehefa natao ny fikarohana dia voasambotra ihany koa ity farany», hoy hatrany ny tatitra azo avy amin’ny polisy. Anio no hatolotra ny Fitsarana izy roa lahy ireto. Haja R. |
![]() |
Tapatapany Mpivaro-drongony tratra > Notanana vonji- maika eny amin’ny fonjan’ Antanimora ilay lehilahy iray voatondro ho sady mpivarotra no mpifoka rongony, tra-tehaky ny polisy, ny alakamisy teo tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany alina, teny Anosy. Rongony fonosana 36 no mbola sarona tany aminy tamin’ny fisavana natao. Rehefa nanontaniana izy dia nolazainy fa efa ho telo volana no nanaovany an’io asa io ary namba-rany fa olona iray eny Isotry no mpamatsy azy. Razana tsy misy mpaka > Tsy mbola nisy havana tonga naka ny vatana mangatsiakan’ny ankizilahy kely iray mano- didina ny 12 taona eny amin’ny tranom-patin’ ny hôpitaly Hjra hatra-min’ny omaly. Voadonan’ ny fiara teny Andrano-mena afak’omaly alina, nanodidina ny tamin’ny 9 ora ity zaza ity, araka ny fantatra. Taksibe iray no nanatitra azy teny amin’ny hopitaly. Avy hatrany dia lasa io fiara io taorian’izay, ka tsy fantatra izay zava-nisy marina mahakasika ilay loza. |
|
Fiompiana – Manatsara ny atodin’ny vorontsiloza ny «mampisahy»
Teknikam-piompiana nahitana fahombi- azana. «Maherin’ ny 20 ny isan’ny atodin’ny vorontsiloza, rehefa nampi- harana ny fomba fampanarahana antsoinay hoe «mampisahy». Latsaky ny 15 hatrany izany raha tsy manao io teknika io», hoy i Nestor Sylvestre, avy ao amin’ny fikambanana tantsaha Mitia, miompy vorontsiloza, any Bekily, faritra Androy ary tohanan’ ny Tetikasa Tantsoroky ny Fampandrosoana eny Ambanivohitra efa ho herin- taona izao. Mampiranty ny vokany ny fikambanana, etsy amin’ilay hetsika Tsimoka 2012, tontosaina eny amin’ny tokotanin’ ny Tranom-bokim-pirenena Anosy, nanomboka omaly ary hitohy anio sy rahampitso. Intelo isan-taona ny vorontsiloza iray no mana- tody sy mikotrika. Manodidina na mihoatra ny 20 andro ny fikotrehana ary afaka manao izany ihany koa ny vorontsiloza lahy. Ar 20 000 ka hatramin’ ny Ar 30 000 ny vidin’ny vorontsiloza iray any Bekily. Tafakatra Ar 45 000 ka hatramin’ny Ar 70 000 izany rehefa tonga eto an-drenivohitra. Nilaza anefa ireo mpiompy fa Ar 5 000 no tombony azo avy amin’izany. Mbola any amin’ny faritra Atsimo, noho izany, no mivarotra ny vokany ny fikambanana Mitia, noho ny fanahiana ny mety ho fatiantoka eny am-pandehanana, ateraky ny fahafatesan’ny vorona sasany. Notsindrian’ireo tantsaha fa nihatsara ny fari-piainan’izy ireo, taorian’ny nanaovany ity fiompiana ity. Monica Rasoloarison |
![]() |
Fetim-pirenena – Vitsy mpamaly ny fanasan’ny Masoivohon’i Sina Tsy tonga nanotrona ny lanonam-pankalazana ny faha-63 taonan’ny ni-tsanganan’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina, teny Nanisana ny ankamaroan’ireo lehibena Andrimpanjakana sy ireo minisitra eo anivon’ny Governemantan’ny tete-zamita, indrindra fa ireo akaikin’ny Filohan’ny tete- zamita, Andry Rajoelina. Tsy isan’ireo niatrika ny lanonana mahakasika izany koa ny Praimini-sitra Omer Beriziky sy ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Dolin Rasolosoa. Ny filohan’ny Kaongresin’ny tetezamita, Mamy Rako-toarivelo sy ny filohan’ny Cenit, Béatrice Atallah ary minisitra telo ka avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ny roa, ireo ihany no tonga namaly ny fana- san’ny Masoivohon’i Sina. Tetsy an-danin’izay, ny mpitarika ny delegasion’ny ankolafy Ratsiraka sy ny filohan’ny antoko Mts, Roland Ratsiraka ary ny mpitarika ny delegasion’ny ankolafy Zafy teo aloha, Emmanuel Rakotovahiny ihany no koa no hany mpanao politika tazana teny an-toerana. lahateny nataony no nanipihan’ny Masoivo-hon’i Sina, Shen Yong-xiang fa ny fifidianana ihany no lalan-tokana ahafahan’i Madagasikara miala ao anatin’ny krizy politika izay efa naharitra telo taona. «Tokony samy hanao izay fomba rehetra ahafahana manatanteraka izany ao anatin’ny manga- rahara ny mpanao poli- tika rehetra ary hijery ny tombontsoa ambonin’ny Firenena fa tsy hikatsaka fotsiny ihany ny tombon-tsoan’ny antoko misy azy», hoy izy. JR |
![]() |
Fifaninan-kira – Ho fantatra anio ireo 16 hiatrika ny dingana manaraka Efa tontosa ny sabotsy lasa teo ny mivantana andiany voalohany. Ho fantatra anio ireo 16 mianadahy mianaka hiatrika ny dingana manaraka. Ny valo mianadahy, roa isaky ny mpampianatra no efa fantatra tamin’ny heriny androany. Raha tsiahivina, mpifaninana telo isaky ny mpampianatra no miatrika ity dingan’ ny mivantana voalohany ity, ka ny iray dia ny mpijery amin’ny alalan’ny SMS amin’ny Rta mobile no manavotra azy. Ny mpampi- anatra kosa no manavotra ny mpifaninana faharoa. Amin’ny ankapobeny, dia ady mafy ho an’ireo mpifaninana ity dingana ity, nefa kosa safidy mafy ho an’ny mpampianatra, izay tsy maintsy hisafidy sy hampijanona ny iray amin’ ireo mpanakanto nokolo- koloina efa ho volana maromaro. Miverimberina matetika eo am-bavan’ireo mpitsara ireo rahateo ny hoe «Tsy maintsy misafidy». FR |
|
Angovo – Kaompania malagasy hitrandraka solika any Bezaha
Orinasa malagasy tokana sady voalohany mitrandraka solika amin’ireo 16 manao izany eto Madagasikara. Kaompania malagasy, hitrandraka ny solika ao Bezaha, Toliara, ny PétroMad. Manodidina ny 1 000 000 tapitrisa barila no solika vinavinaina hisy ao an-toerana. «Efa vita ny dingana voalohany mahakasika ny fitsirihana. Ao anatin’ny dingana faharoa ny kaompania ankehitriny, izay hirosoana amin’ny fandavahana sy fitrandrahana», hoy Rasolovoahangy Roseline Emma, vehivavy mpitantana ny kaompania. Anisan’ireo nampiranty ny zava-bitany tetsy amin’ny Carlton Anosy izy, tao anatin’ilay hetsika momba ny solika, ny «Journée du Pétrole amont», omaly. Nandalim-pahaizana manokana mikasika ny fitrandrahana solika izy ary izay indrindra no anisan’ ireo antony nanosika azy hanao ity fitrandrahana ity. «Heverina hatomboka amin’io taona 2013 io ny fandavahana voalohany ary fandavahana miisa 23 eo no hatao», raha ny fanazavany. Raha ny hevitr’ity manam-pahaizana ity dia ahazoana miantoka ny fahaleovan-tena ara-toekarena ho an’i Madagasikara ny fisian’ny solika eto amin’ny firenentsika. «Raha mandeha amin’ny rariny ny fitrandrahana, izany hoe, manaja ny tany sy ny tontolo iainana, mampiasa ireo fitaovana manara-penitra mifanentana amin’izany ary tsy tia tena dia tokony hiantoka ny ho avin’i Madagasikara ny solika eto amintsika», hoy izy. MR |
|
Coca-Cola – Nandalo teto Iarivo ny kamiao mizara fanomezana Mizara hafaliana. Io no tanjona amin’ny hetsika entin’ilay fiarabe mpizara fanomezana miaraka amin’ ny zava-pisotro Coca-Cola. Nitety faritra maromaro teto an-drenivohitra ity kamiao menaben’ny Star ity manatanteraka izay fizaràna hafaliana izay. Tsotra ny tanjona amin’ ny hetsika dia ny fanolorana fanomezana ho an’ireo rehetra manjifa ity zava-pisotro ity. «Isaky ny mividy zava-pisotro iray ny mpanjifa iray dia afaka manindry ny bokotra be iray misy soratra hoe Push», araka ny fanazavan’ny orinasa Star. «Ny fanindriana io bokotra io dia midika fanomezana avy hatrany, ka karazana loka maromaro toy ny coca-cola, t-Shirt…» no ho azon’ireo mpanjifa. FR |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |