Subscribe to RSS

News Miverena

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo – Fantaro ireo teknika fambolena oviala an-tanàn-dehibe Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo – Fantaro ireo teknika fambolena oviala an-tanàn-dehibe

AZO AMBOLENA AMIN’NY TOERANA REHETRA ETO AN-DRENIVOHITRA NY OVIALA. MANAMPY BETSAKA NY MPONINA AMIN’NY FIATREHANA NY FIOVAOVAN’NY TOETR’ANDRO SY NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO ITY VOKATRA IRAY ITY. EFA NISY NY FIOFANANA NOMEN’NY KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA (CUA) HO AN’IREO IZAY LIANA AMIN’IZANY. IRETO MISY TOROHEVITRA VITSIVITSY HANAMPY ANTSIKA, IZAY TSY AFAKA NANARAKA IO FIOFANANA IO.

Voly mora. Ezaka lehibe ataon’ny kaominina Antananarivo renivohitra (Cua) ny fampidirana ny voly oviala eto an-drenivohitra. Tafiditra ao anatin’ny fanampiana ny mponina ihany koa izy ity amin’ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny tsy fanjarian-tsakafo satria azon’ny rehetra atao tsara. Ireo mpianatra eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra (Epp) no tena nimasoana tamin’ny fanaparitahana ny fambolena azy.
Maro ny tombony azo avy aminy raha ny fanazavana nomen- dRasoanaivo Charlie, tale misahana ny tontolo iainana sy ny sehatra maitso eo anivon’ny Cua: mana­tsara ny tahan’ny fahafaham-panadinana ho an’ireo sekoly, nampiditra ny oviala ho sakafo any an-tsekoly,  amin’ireny  »cantines scolaiers » ireny; miaro ny fahasimban’ny tontolo iainana; mifanaraka amin’izay mety ho fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro; miahy amin’ny loza voajanahary, indrindra ny rivo-doza, ny tanjaky ny oviala ary manatsara ny tsy fanjarian-tsakafo.
Ny teo anivon’ny ofisy nasionaly miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo (Onn) indray dia nilaza fa manan-karena hery fiarovana ny oviala.  »Manome 1 150 kaloria, ampy ilain’ny vatan’ny olon-dehibe iray mandritra ny roa andro sy tapany ny oviala iray milanja 4,5 kg », araka ny ohatra nomen’izy ireo. Ny fototra oviala iray nefa misy milanja dimy ka hatramin’ny 20 kg.

Oviala sy ny heriny
Vokatra iray azo atao foto-tsakafo ary voasokajy ho isan’ny haninkotrana. Mahasolo vary, araka izany, ny oviala. Misy vitamina A sy B ihany koa izy sady manan-karena vy.

Angovo entiny (Kcal/100g)

Proteina (g)

Hydrate de carbone (g)

Kalisioma (mg)

Oviala

361,27

6,05

89,94

10

Mangahazo

140

1,1

 

32,02

Tsy mifidy toerana
Tsy ilàna toerana malalaka ny fambolena oviala. Azo atao amin’ny tany, anaty gony, anaty kodiarana, anaty tavoahangy plastika izy ary azo atao anatin’ny tavim-boninkazo ihany koa, indrindra raha ho an’ny mponina aty an-tànan-dehibe. Fotoana fohy dia ahafahana mahazo vokatra tsara sy betsaka. Ny fikarakarana sy ny fanaraha-maso azy kosa no tena zava-dehibe.

8 ka hatramin’ny 9 volana mantsy dia efa ahafahana miantoka sy miatrika ny maitso ahitra. Manana taham-pahavokarana ambony ihany koa ny oviala raha mitaha amin’ireo haninkotrana hafa.

Voly

Fahavokarana isaky ny ha

Oviala

20-40 t/ha

Mangahazo

3-15 t/ha

Vomanga

3-10 t/ha

Teknikam-pambolena

Misy lanjany lehibe eo amin’ny fambolena ny fikarakarana ny masomboly satria miankina amin’izany no hahazoana vokatra tsara sy lehibe. Ireto misy teknika sy fomba maromaro ary torohevitra avy amin’ny Cua sy ny mpiara-miasa aminy.
• Alaina ny vodina oviala iray tsy misy aretina. Tapatapahana manaraka ny sakany. Tapahana indray avy eo manaraka ny lavany. Tandremana tsara amin’izay fotoana izay mba tsy hiendaka ny hodiny, izay hivoahan’ny tsiry sy ny faka atao masomboly.
• Hosorana lavenona avy hatrany ny faritra nisy ny dian’antsy ary avela hipetraka amin’ny toerana maloka sy maina mandritra ny roa andro. Aorian’izay no hampitsiriana azy, avy eo apetraka anaty taim-bakona na zezika fako. Manomboka amin’io dingana io ny fanondrahana azy matetika mandra-pahazo halavana 5 sm ka hatramin’ny 10 sm sy hamindrana azy avy eo.
Ankoatra ny masomboly dia ilàna fikarakarana mialoha ihany koa ny tany hambolena azy. Lavaka kely dia mety amin’ny faritra vitsy orana, ary dongona kosa ho an’ny faritra be orana.

Maina ny ravina 

Alevina anaty tany sahabo ho 10 sm ny masomboly. Rakofana bozaka ary asiana tsatoka mba hampitombo ny voly. Ny raviny mandady ety ivelany no manampy ny fitomboany haingana sady miaro amin’ny bibikely. Mitohy hatrany ny fikarakarana azy amin’ny alalan’ny fanondrahana sy ny fiavana ny ahi-dratsy, izay mampihena ny fitombon’ny oviala. Rehefa manomboka maina kosa ny raviny sy ny tahony dia efa azo hadiana tsara ny vokatra.
Miankina amin’ny toe-tany sy ny rano kosa anefa ny isan’ny fototra oviala ambolena. Tarehimarika avy amin’ireo tompon’andraikitra hatrany no nilaza fa mahatratra 10 000 fototra isaky ny hekitara no azo ambolena eto afovoan-tany. 5 000 - 8 000 fototra isaky ny hekitara kosa izany ho an’ny toerana maina.
Azo tehirizina mandritra ny telo ka hatramin’ ny enim-bolana amin’ny toerana maloka, azon-drivotra ary tsy mando aorian’ny nihadiana azy ny oviala raha tsy naratra. Raha misy izay faharatrana izay dia azo asiana lavenona ilay faritra voa alohan’ny hitehirizana azy.  Fomba iray azo hitehirizana ny oviala ihany koa ny fanamainana azy. Maharitra an-taona maro izy rehefa tena maina. Sasana amin’ny rano matimaty ny oviala vao tetehina manify.

Karazan-tsakafo
Mety ho vita avy amin’ny oviala avokoa ny karazan-tsakafo rehetra misy araka ny fikarohana nataon’ny Onn. Vita amin’ny oviala manomboka amin’ny atao hoe tsakitsaky (caca pigéon, biscuit,…) sy endy isan-karazany, fanokafam-bavony, foto-tsakafo, solom-bary, laoka ary koa ny tsindrin-tsakafo sy mofomamy. Indreto misy karazan-tsakafo vitsivitsy hanampiana antsika.

 

Sary: Mamy Mael
Soratra: Lilia Rajaonah

 

Torolalana Torolalana

ZOTRA 123

Isan’ny zotra manana lalana lava sady mihodina ny zotra 123. Eny Ambohimahitsy irery ihany no toeram-piantsonana fiaingana sy fiafarana. Misy karazany roa ity zotra ity, izay miavaka amin’ny lokon’ny tabilao. Misy ny 123 miloko mena, miainga eny Ambohimahitsy, mihazo an’Ankadindramamy, Ampasampito, Hopitaly miaramila (Homi), Besarety, Andravoahangy ambony, Ankadifotsy, Antanimena, Ankazomanga, 67 Ha, Andavamamba, Ampefiloha, Anosy, Mahamasina, Ambohijatovo, Tonelina Ambanidia, Ankadivato, Rasalama, Besarety, Homi, Ampasampito, Ankadindramamy ary miverina eny Ambohimahitsy.

Ny zotra iray miloko manga kosa, miainga eny Ambohimahitsy ihany, mihazo an’Ankadindramamy, Ampasampito, Hopitaly miaramila (Homi), Besarety, Ampandrana, Bel’air, Tonelina Ambanidia, Ambohijatovo, Mahamasina, Anosy, Ampefiloha, Andavamamba, 67 Ha, Ankazomanga, Antanimena, Ankadifotsy, Andravoahangy ambony, Besarety, Homi, Ampasampito ary miverina eny Ambohimahitsy ihany.

Malok’Ila 12 – Nirohotra nivarotra ny «original»  ireo mpivarotra piraty Malok’Ila 12 – Nirohotra nivarotra ny «original» ireo mpivarotra piraty

Tafita ny hafatra. Nanaiky ny fandaminana napetraky ny Scoop Digital, trano mpamokatra ilay horonantsary «Malok’ila 12 au Texas» ireo mpivarotra piraty. Maro tamin’izy ireo no nirohotra nivarotra ny «original» nandritra ny andro voalohany nivoahan’ ny kapila mangiran’ity horonantsary ity, omaly. « Tokony ho azo fehezina tsara, raha toy izao, ny ady amin’ny piraty », hoy Razafimandimby Mamitiana, tale jeneralin’io trano mpamokatra io. Olona manodidina ny 300 manerana ny Nosy, izay ahitana ny ekipan’ny Scoop Digital sy ny mpitandro filaminana no hetsehin’izy ireo miaro ny vokatra.

Fifanarahana manokana

Efa mandeha amin’ny fahitalavitra sasantsasany eto an-drenivohitra ihany koa ny horonantsary vokarin’izy ireo. « Ny fahitalavitra no mandefa soson-kevitra mangataka ny hamoahana ny horonan- tsary. Miandry izahay hatramin’izao ny momba ny vola, sandan’ny fandefasana azy ireny, tokony haloan’ilay fahitalavitra any amin’ny ofisy malagasy miaro ny zon’ny mpamorona, izay tsy mbola misy, saingy efa dokam-barotra ho anay ihany kosa ny fandefasana izany », hoy ihany iry tompon’ andraikitra iry.

Ankoatra izany, dia misy ireo fikambanana na sampana eny anivon’ ny fiangonana mandefa ireny horonantsary ireny. « Fifanarahana manokana indray no mamaritra ny fiaraha-miasa momba izany », raha ny fanazavana hatrany. Voalaza fa raha mialoha ny hamoahana ilay vokatra eny an-tsena ny fotoana handefasana azy dia hofaina ilay horonan- tsary ary manomboka amin’ny Ar 100 000 ny sarany. Raha aorian’ny fotoana namoahana ilay horonantsary eny amin’ ny tsena kosa dia sarany indray mandeha monja, Ar 20 000 no aloan’ireo liana amin’izany, ka afaka mandefa ny horonantsary imbetsaka araka izay tiany izy avy eo. Tsy tokony hihoatra ny 10 andro nivarotana ny vokatra kosa anefa ny fahazoany mandefa ny horonantsary.

 

Monica Rasoloarison

Mozika mavesatra – Ho ampahafantarin’i Eric Tselatra amin’ny alahady ilay handimby azy Mozika mavesatra – Ho ampahafantarin’i Eric Tselatra amin’ny alahady ilay handimby azy

Fanomezana tsy ampoizina. Hisy vahiny hafa, hampahafantarin’ny tarika Tselatra, ankoatra an’i Lija, izay ho vahiny manokana, mandritra ilay seho an-tsehatra hatolony etsy Antsahamanitra ny alahady tolakandro ho avy izao. « Vahiny ao anatin’ny fianakaviana ireo, saingy aleo amin’io fotoana io mihitsy vao hiaraha-mahita eo », hoy Ramanarivo Eric, na i Eric Tselatra, nanazava mikasika izany. Ireo vahiny ireo, izay nolazainy ihany koa fa handimby azy any aoriana, eo amin’ny tontolon’ny kanto.

« Tantara iray » no ho lohahevitr’io fampisehoana io, havoitra ao anatina hira miisa 35 eo, ka ny dimy amin’ireo no iarahana mihira amin’i Lija. Tantara niainana sy hapetraky ny tarika izany. « Tsy hoe entina amin’ny mampahalaza fotsiny ny fanaovana ity mozika ity, fa hametrahana tantara ary misy fitiavana sy fandalinana no mbola mahatonga ny tarika hanana ny toerany tao anatin’izay 28 taona  izay », hoy ihany i Eric.

Mikasika ny mozika mavesatra manokana, izay iangalian’ny tarika Tselatra, dia nilaza ity mpanakanto ity fa « ny mozika « rock » no ahafahana miady amin’ny fiainana eto Madagasikara izay tsy misy fiovany ary mbola izy ihany koa no hitarina hitoriana ny fahatsaran’Andriamanitra tsy mamitaka, izay tantara lehibe indrindra ao anatin’ny  » Tantara iray  » havoitra ». Isan’ireo hira vaovao hoentin’ny tarika amin’io alahady io rahateo ny « Sodoma sy Gomora », ny « Hay ve » ary ny « Rotsirotsy ».

MR

Fanondranana feno hosoka – Sarona ny kaontenera 12 feno andramena tsy nandalo ladoany Fanondranana feno hosoka – Sarona ny kaontenera 12 feno andramena tsy nandalo ladoany

Tsy mila mandalo Fadintseranana akory dia tafavoakan’ireo «mafia» mpanao varo-maizina ny kaontenera feno andramena eny amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Avy amin’ny fanadihadiana nataon’ireo mpiasan’ny Fadintseranana eo anivon’ny sampana misahana ny ady amin’ny hosoka eny amin’ny fadintseranana (Slf) eto Antananarivo no nahatsapa izany, taorian’ny fahatongavan’ ireo kaontenera roa avy any Malezia tao Toamasina, ny sabotsy lasa teo. Efa nisy kaontenera enina hafa anefa tonga ny 24 jona 2012 lasa teo.

«Kaontenera 12 ny fitambarany, saingy ny efatra efa nigadona tao Hong-kong ka tsy tafaverina intsony. Ireo antontan-taratasy nahitana resaka andramena tratra tany amin’ilay teratany sinoa nivoaka tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny 27 avrily 2012 lasa teo iny no nahafahana nanaraka ireo andramena ireo», hoy ny teo anivon’ny foibem-pitondrana fadin-tseranana.

Andramena efa nogiazana

Mahavariana fa andramena efa nogiazana ka natoby tany amin’ny biraon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Ala, biraona zandary sy miaramila avokoa ireto nisy nanodina ireto.

Araka ny fanazavana avy amin’ny fadin-tseranana dia tokony hanaovana fanambarana sy mandalo milina fitarafana ireo kaontenera mialoha ny hampidirana azy ireo any amin’ny faritra tokony hitobiany ao amin’ny faritry ny seranana. « Ireo kaontenera 12 nisy andramena ireo anefa avy hatrany dia naiditra tao amin’io toerana fitobian’ny kaontenera io ary tafakatra soa aman-tsara teny ambony sambo. Nisy nanisika tany aminny lisitry ny kaontenera efa nandalo fitarafana ireo entana tsy ara-dalàna ireo avy eo, ka nahazoana alalana, azo taterina», hoy izy ireo.

Famotsiam-bola, …

Ahiana ho tambajotra matanjaka amin’ny resaka varo-maizina andramena mihitsy no nanao ity fanondranana ity. Ilay teratany sinoa nahitana antontan-taratasy afaka manondrana andramena teny Ivato, ny 27 avrily lasa teo, dia efa hanaovan’ny sampana miady amin’ny famotsiam-bola (Samifin) fanaraha-maso. Anarana orinasa mpanondrana vato etsy Faravohitra no nampiasainy sy nasiany fanovàna ny taratasy fahazoan-dalana hanondrana, ary vato no voafaritra ao anatiny kanefa andramena no any anaty kaontenera.

Mbola metisy sinoa ihany koa no tena tompon’ireo andramena ary efa karohina fatratra izy noho ilay fanondranana ireo kaontenera enina feno andramena tatsy Nosy Maorisy. Nametraka fitoriana tao Hong-kong izy ny 24 jona lasa teo noho ireo kaontenera 12 ireo tsy tonga ara-potoana tany an-toerana. Io fitoriana io no nahatratrarana azy saingy tsy niverina teto Madagasikara izy nanomboka teo.

Tamin’ireo olona 10 mahery natao fanadihadiana tamin’ity raharaha ity dia efa nisy enina naiditry ny Fampanoavana etsy Anosy, am-ponja vonjimaika. Mpiasa ao amin’ilay toerana fitobian’ny kaontenera, «transitaires», olona avy ao amin’ny kaompanian-tsambo … Ireo mpanatanteraka fa tsy mbola hita mihitsy ny « mpibaiko » na ireo « trondrobe »…

 

Hanitry Ny Aina

Soradihy – Isan’ireo dihy kadrila malagasy ny afindrafindrao Soradihy – Isan’ireo dihy kadrila malagasy ny afindrafindrao

Razafindriantsoa, mpitendry valiha, no namorona ny feon-kira sy ny dihy afindrafindrao, tamin’ny vanim-potoana nanjakan-dRanavalona III, ny taon-jato faha-XIX. Soradihy fito ny fomba fandihy azy.

« Rehefa nandihy ny Mpanjaka tamin’izany dia ny vodin-tongotra no natehika. Ny lohan-tongotra kosa no mitehika ho an’ireo mpanaraka azy. Taty aoriana dia natambatra ireo roa ireo, ka nampifandimbiasina atehika ny lohan-tongotra sy ny vodin-tongotra ary mifampijery ny mpandihy », hoy Razafindramboa Rodolphe, mpampianatra dihy.

Isan’ireo soradihy kadrila malagasy nasehon’ny tarika mpandihy kadrila malagasy eo anivon’ny Ivokolo tetsy amin’ny ivon-toerany etsy Analakely ny fomba fandihy io afindrafindrao, tao anatin’ilay fampisehoana ireo soradihy kadrila malagasy ny faran’ny herinandro lasa teo. Niavaka ihany koa ny fitafiana nanaovan’ireo mpandihy, izay tokony hihaja, mifanaraka amin’ity karazana soradihy fanao tany Anatirova fahiny ity. Ny afindrafindrao no voasokajy ho dihim-pirenena voalohany, tamin’ny fotoana nahazoantsika ny fahaleovantena, ka tokony hotandremana toy ny anakandriamaso. Ny salegy sy ny sega kosa no dihim-pirenena hafa, ankoatra io.

 

MR

Jui Jitsu « Tournoi de l’océan Indien » – Amboara iray avy no lasan’ i Maorisy sy La Réunion Jui Jitsu « Tournoi de l’océan Indien » – Amboara iray avy no lasan’ i Maorisy sy La Réunion

Tsy nahazo amboara maro ireo solontena vahiny (Maorisy sy La Réunion) niatrika ny «Tournoi de l’Océan Indien» ho an’ny haiady Jiu Jitsu, notontosaina teny amin’ny kianja mitafon’Ankatso, ny faran’ny herinandro teo. Tsy nisy afa-tsy Fabrice teo amin’ny sokajy latsaky ny 90 kg tamin’ny karazana ady «Newaza» no nitondra medaly volamena nody tamin’ireo mpikatroka renioney efatra. I Christophe (+100kg) teo amin’ny «Newaza» ihany koa no mba nitondra medaly volamena nody tamin’ireo mpikatroka telo nisolo tena an’i Maorisy .

Ho an’ny teto an-toerana kosa dia nanjakazaka tanteraka ny mpikatroka avy tao amin’ny klioban’ny Esca, izay nahazo medaly volamena dimy teo amin’ny «Newaza» sy «Fighting» mitambatra. Nanaraka azy akaiky tamin’ny alalan’ny medaly volamena telo avy ny Gordinho sy ny ASJTT. Nitohy tamin’ny fampiofanana notarihin’i Fabrice Payet, izay mpitarika ny delegasiona renioney, omaly teny amin’ny Dojo-n’ny Esca ny fifampizarana traikefa teo amin’ireo nosy telo ireo.

 

R.A

Vokatra

Jiu-jitsu Newaza:
-60kg : Giovanni (ASJTT)
-66kg : Séraphin (ESCA)
-73kg : Harivola (ESCA)
-90kg : Fabrice (La Réunion)
-100kg : Zo Aina (Gordinho)
+100kg : Christophe (Maurice)
Open vavy : Nidah (ESCA)
Open Junior : Sitraka (Gordinho)
Jiu-jitsu Fighting:
-50kg : Harifetra (Gordinho)
-62kg : Rico (ASJTT)
-77kg : Nirina (ESCA)
+77kg : Rolland (ESCA)
Mpilalao mahafehy teknika : Séraphin (ESCA)
Mpikatroka mendrika : Giovanni (ASJTT)

Kanetibe « Open d’Analamanga » – Lasan’i Regis sy Bali ary Jacques ny tapakila Tana – Paris – Tana Kanetibe « Open d’Analamanga » – Lasan’i Regis sy Bali ary Jacques ny tapakila Tana – Paris – Tana

Norombahin’ny klioba CBA Antsirabe misy an-dry Régis sy Bali ary Jacques ny tapakila mandeha mankany Paris mandroso sy miverina, nomen’ny fahitalavitra RTA sy ny mpanohana azy, nandritra ny “Open d’Analamanga” ho an’ny tsipy kanetibe andiany fahatelo. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 13 no ho 4 teo amin’ny lalao famaranana ry Naly avy ao amin’ny CIA Ivato teo amin’ny olon-telo miaraka. Tontosa teny amin’ny kianja Paddock Mahamasina ny faran’ny herinandro teo ity fifaninanana nahitàna mpandray anjara 118 olon-telo miaraka ity.

Nahatonga solontena avokoa ireo ligim-paritra manodidina an’Analamanga, toa an’i Matsiatra ambony sy Vakinankaratra ary Atsinanana. 18 kosa ny tarika olon-droa miaraka vehivavy nifaninana, raha nahatratra 120 ireo mpifaninana teo amin’ ny tifitra (tir de precision), izay sambany noforonina tamin’io hetsika io.

Teo amin’ny vehivavy dia lasan’i Mireille sy Judicaelle ny «bon d’achat» mitentina Ar 400 000 ao amin’ny Tranombarotra Irresistyle Ambato-
mitsangana, rehefa lavon’ izy ireo tamin’ny isa 13 no ho 6 ny ekipa nitambaran’ i Liva (CAP Andavamamba) sy Mireille (Bongolava) teo amin’ny lalao famaranana. I Mahefakely (CBT), izay nahazo isa 49 kosa no nahazo ny “four électrique” izay loka teo amin’ny fifaninanana tifitra.

Mety hivadika hetsika iraisam-pirenena ny “Open d’Analamanga” amin’ny herin-taona. “Omena fanasana avokoa ireo nosy aty amin’ny Ranomasimbe Indianina sy i Frantsa amin’io andiany fahefatra io”, hoy i Nambinina Harison, talen’ ny Fanatanjahantena eo anivon’ny fahitalavitra RTA.

 

Roméo Andriamihaja

Tenisy – Voahosotra ho tompondaka i Ando sy Hariniony Tenisy – Voahosotra ho tompondaka i Ando sy Hariniony

Nalalaka ny dian’i Ando Rasolomalala sy Hariniony Andriamanana- rivo teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ Analamanga teo amin’ny tenisy, izay notontosaina teny amin’ny kianjan’ Ankatso ny faran’ny herinandro teo. Afa-bela tamin’i Jean Jacques Rakotohasy ihany i Ando teo amin’ny lalao famaranana ho an’ny lehilahy raha nibata fandresena seta 2 no ho 0 (6/3, 6/4). Tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/1, 6/3), izay tsy nananany ahiahy, ihany koa no nandresen’i Hariniony an’i Safidy Razafindrakoto teo amin’ ny lalao famaranana ho an’ny “1e Série” vehivavy.

Ho an’ireo vokatra hafa indray dia voahosotra ho tompondakan’ Analamanga teo amin’ny “4e Série” i Boyaval Véronique (Acsa) sy Joharimboahangy Tsilavina Jocelyn (Asut). Teo amin’ny “3e Série” dia i Jenny Raoelimalala (Asut) sy Fenohasina Andrianjaka (MSC) no nibata ny amboara, raha ry

Verolalaina Radilofe (Acsa) sy Tanjona Raherimanana (Cosfa) kosa no teo amin’ny 2e serie.
Miandry ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara izany amin’izao ireo tompon- dakan’Analamanga ireo. Hatramin’izao fotoana izao aloha dia mbola tsy nisy ny tetiandro napetraka hanaovana io fifaninanam-pirenena io.

R.A

Ady totohondry – Vonona hilatsaka hofidiana i Gégé Bosco saingy misy fepetra Ady totohondry – Vonona hilatsaka hofidiana i Gégé Bosco saingy misy fepetra

Mihombo hatrany ny aretina mandazo ny tontolon’ ny taranja ady totohondry malagasy. “Vonona aho ny hilatsaka hofidiana sy hampisy ny fifidianana raha samy mamita izany amin’ ity taona ity avokoa ireo federasiona rehetra eto Madagasikara. Raha mbola misy rafitra iray tsy mety hanao fifidianana amin’ izao fiafaran’ny fe-potoana olympika izao dia tsy hanao izany ihany koa izahay eto anivon’ny federasiona mala- gasin’ny ady totohondry”, hoy i Gégé Bernard Andriamanampisoa na Gégé Bosco, filohan’ny federasiona mbola tsy nahazo fankatoavana avy any amin’ny federasiona iraisam-pirenena sy ny minisitera ary ny komity olympika hatramin’izao, na dia efa ela aza no nitantana izany.

Isan’ny hetsika nataon’ izy ireo farany ny fampiofanana nitety faritra nosahanin’ireo teknisianina eo anivon’io federasiona io. Fandaharam-potoana manaraka ho azy ireo ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara hatao any Mahajanga 4 – 6 oktobra ho avy izao.

 

R.A

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite