![]() |
Goragora Ny mpanararaotra ve no nihamaro sa ny gaboraraka no tsy mitsaha-mahazo laka eto amin’ity firenena ity? Efa tena mampanahy mantsy raha eto Antananarivo, ao anatina fety ho an’ny vahoaka noho ny fetim-pirenena no isehoana tsindrona antsy, vely tavoahangy, hatramin’ny fanolanana. Nisy aina nafoy mihitsy nandritra ny »Podium » teny Anosy. Na inona holazaina, nisy tsy fandraisan’ andraikitra tao. Tompon’antoka feno tamin’izay hadalana nataony ireo izay nihoa-pefy fa tsy afa-miala andraikitra ihany koa ny manam-pahefana isan-tsokajiny sy isan’ambaratongany amin’izany. Ny fety mantsy tsy tokony hidika mihitsy ho filibana: izany hoe tsy maintsy hiafara amina zavatra mamohehatra sy tsy voahevitra. Izay no tsy maintsy ilàna arofanina indrindra fa efa miharihary ny tsy fana rahandalànan-dRamalagasy. Ilay hoe fiarovana ny vahoaka sy ny fananany anie ka tena andraikitra isan-tsegaondra mihitsy fa tsy tsianjery maimbo fotsiny e! |
![]() |
Ambohibarikely Anosibe – Jiolahy efatra nitondra sabatra sy basy kilalao nandroba trano iray. Tokantrano irey eny Ambohibarikely Anosibe omaly maraina nanodidina ny tamin’ny 1 ora sy sasany no niharan’ny fandrobana. Araka ny tatitra azo teo anivon’ny polisim-pirenena dia « sabatra iray, antsy kely iray ary basy poleta kilalao no nentin’ireo jiolahy efatra nanafika tao amin’io trano io ». « Nopitsohan’ireo olon-dratsy ny varavarana fidirana tao amin’ilay trano ka lasan’izy ireo tamin’izany ny solosaina iray miampy finday iray. Tsy nisy aloha anefa ny naratra na namoy ainy nandritra ity fandrobana ity», hoy hatrany ny tatitra. Haja R. |
![]() |
Fanjifana – Tsy mbola mihetsika ny vidin’ ny fitaovam-pianarana Efa misy saingy mbola vitsy ireo manararaotra mividy ny fitaovam-pianaran’ny zanany ho amin’ny taom-pianarana manaraka. « Raha manam-bola ihany ka hividy fitaovam-pianarana dia tsara raha izao dia efa manararaotra manao izany », hoy rahateo ny filazan’ireo mpivarotra izany. Tsy mbola mihetsika hatramin’izao ny vidin’ny fitaovam-pianarana amin’ny ankapobeny. Saika nilaza avokoa ireo mpivarotra fa tsy mbola fantatra ny mikasika ny mety ho fisondrotam-bidiny na tsia. « Mbola entana taloha avokoa aloha ireo fa tsy dia mbola misy ny maka entana vaovao, ka mbola ny vidiny hatramin’izay ihany no ivarotanay azy », hoy Ramanitrarivo Eliane, mpivarotra iray eny Analakely. « Raha hisondrotra ny vidin’ny fitaovam-pianarana dia mety ho kely ihany satria ahoana moa no hahafahan’ny olona hividy izany raha amidy lafobe amin’izao fidangan’ny vidim-piainana izao ? », hoy ihany koa Andriampenosoa Tiana, mpivarotra iray hafa. MR |
![]() |
Total Madagascar – Mangataka ny hijerena ny vidin-tsolika Mivarotra fatiantoka. Mandalo eto Madagasikara ny tale jeneralin’ny Total Afrika Afovoany Atsinanana, Momar Nguer. Mahatsapa ho mivarotra fatiantoka ny orinasa Total Madagascar raha ny hitan’izy ireo tato anatin’ny volana vitsivitsy izay. Nihaona tamin’ny Filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina sy ny minisitry ny Vola sy ny tetibola, Rajaonarimampianina Hery ity tompon’andraikitra ity omaly, nifampiraharaha mikasika ny hijerena ny vidin-tsolika eto amintsika. « Tsy voatery ho ny fisondrotam-bidin’ny solika no vahaolana andrasanay, fa azo atao ihany koa ny mampihena ny hetra alaina amin’izany », hoy i Momar Nguer. Nanambara kosa anefa izy fa fifampiraharahana ihany no atao fa an’ny fitondram-panjakana ny teny farany mikasika izany. Na izany aza dia nilaza ho mino ny fahatanterahan’io vahaolana narosony io ity tompon’andraikitra ity. Voalaza ihany koa fa tsy hitarika ho amin’ny fialany eto an-toerana akory ny fanapahan-kevitra horaisina eo, noho izay maha fangatahana fifampiraharahana azy fotsiny izay ihany. Manodidina ny 10 tapitrisa dolara isan-taona ny vola ampiasain’ny Total eto Madagasikara, tato anatin’ny 10 taona izao. MR |
![]() |
Tsitokotoko FANONDRANANA VOLAMENA FIARAMANIDINA VAOVAO |
|
Hetsika i’trotra 2011 – Kaompania telo hitety Alliance française telo
Mioty ny vokatry ny fandresena azony tamin’ny fifaninanana, ireo mpandresy tamin’ny fifaninanana soradihy « I’Trôtra 2011 ». Kaompania telo no hiatrika fitetezam-paritra miaraka amin’ny Alliance Française manomboka ny 4 ka hatramin’ny 11 Jolay izao, ahitana ny kaompania Jarims, Haja Saranouffi ary Ultime Force. Ny Alliance Française ao Toliara no hisantatra ny fandraisana azy ireo, handalo ao Antsirabe ary hifarana any Morondava. Ireo soradihy telo nahazoan’izy ireo ny fandresena tamin’ny I’Trôtra 2011 no hoentina mandritra ny fitetezam-paritra.” Duo” no lohatenin’ny soradihy ho an’ny Jarims, izay nandrombaka ny loka lehibe tamin’ity hetsika iraisam-pirenena ho an’ny dihy ity. “Territoire sans parole” kosa no hasehon’i Haja Saranouffi, nahazo ny lokan’ireo mpitsara. Haneho “Ny Maharevo” indray ny Ultime force, nankasitrahana tamin’ny alalan’ny loka fankaherezana. Ho an’ny I’Trôtra 2012, “na eo aza ny krizy dia hisokatra kokoa amin’ireo mpandihy malagasy ny hetsika ary hanam-bahiny maromaro avy any Azia sy Moyen Orient isika”, hoy sahady ny fampanantenana nentin’i Gabhy Saranouffi, tale ara-javakanton’ny I’Trôtra. Faly Ran. |
|
Harena an-kibon’ny tany – Mbola malalaka ny tsenan’ny asa
Maro ary mivelatra ny tolotr’asa ho an’ny seha-pihariana fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. « Tsy voatery ho olona manana fahaizana mikasika ny fitrandrahana no karohina fa misy ihany koa ireo asa hafa aterany, toy ny fikirakirana solosaina, ny fifandraisana, ny varotra, ny fitantanan-draharaha sy ny fitantanam-bola », hoy Rakotovao Sandrine, tompon’andraikitra avy ao amin’ny birao momba ny fandraisana mpiasa Fthm, nandritra ny famelabelaran-kevitra tao anatin’ny hetsika Side Event, karakarain’ ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sady niharo fampihaonana ireo mpandraharaha voakasik’ity seha-pihari- ana ity, tetsy amin’ny Hotel Carlton Anosy, ny alakamisy teo. Nanoro hevitra ny tanora mpianatra iry tompon’andraikitra iry ny amin’ny tokony hahaizan’ izy ireo misafidy ny lalam-piofanana horantovin’izy ireo mba hifanaraka amin’ny filan’ny tsenan’ny asa misy. Miomana ny oniversite Raha ny nambaran-dRakotoarisoa Jean Eric, filoha lefitry ny oniversiten’ Antananarivo dia hisy ny fiaraha-miasan’ny oniversitem-panjakana amin’ny sehatra tsy miankina, ho fiatrehana izay fampifanarahana ny fiofanana omena ny mpianatra sy ny filan’ « Hojerena ny fametrahana ny fanovana maha- kasika izany, na dia efa somary taraiky aza isika », hoy izy. Efa misy kosa ny lalam- piofanana manokana mikasika ny solika eny amin’ny oniversiten’i Vontovorona, napetraka roa taona lasa izay. Mahavelombolo ny zava-misy satria efa hita ho miha manana traikefa ireo tanora malagasy, momba ny asa mikasika ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, toy ny hita any amin’ny orinasa mpitrandraka fasimainty Qmm. Ny 30 amin’ireo mpiasa 1500 any an-toerana ihany no voalaza fa teratany vahiny. Efa maherin’ny 500 ihany koa ireo olona nahazo asa manodidina ny seha-pihari- ana fitrandrahana harena an-kibon’ny tany . Monica Rasoloarison |
|
Miresaka momba ny vehivavy – Nomen’ny Cite Ambatonakanga toerana ireo bokin’ny EISA Boky karazany 300 no nampidirin’ny EISA eny amin’ny Cite Ambatonankanga. Hahazoana mampitombo fahalalana hanatratrarana ny tanjon’ny Firenena mikambana mba hisian’ny vehivavy hitana andraikitra ambony hahatratra 30% amin’ity taona 2012 ity ary ho 50% amin’ny taona 2015, no kendreny. Ny EISA dia fikambanana ONG miezaka mampitombo isa ny vehivavy mandray andraikitra sy manapa-kevitra ara-politika. ”Milofo mba hampitombo fahalalana ny vehivavy izahay, hahazoany miditra ho anisan’ny mpaka fanapahan-kevitra politika. Anisan’ny boky ho hita ny tatitra nataon’ireo olon’ny EISA nanara-maso ny fifidianana tany amin’ny firenena samihafa”, hoy Rajaonarisoa Tania, tompon’andraikitra ao amin’ny EISA Madagasikara. ”Mifanojo ny tombontsoanay eo amin’ny fitarihana ny olona hamaky boky”, hoy kosa Randrianarivony Haingo, tale jeneralin’ny Cite Ambatonakanga. Barphil Andriantsiferanarivo |
|
Tenisy ITF U 12 – Hitety an’i Eorôpa i Randy Randrianasoloson
“Tena tsy nampoiziko ny fanohanana ahy amin’ ny lalana hodiaviko tahaka izao”, hoy i Randy Randrianasoloson, solon- tena malagasy amin’ny fifaninanana eorôpeanina ho an’ny sokajy latsaky ny 14 taona ao anatin’ny iray volana sy tapany, 6 jolay hatramin’ny 12 aogositra. Nirotsaka hanohana an’ity laharana fahenina tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika sokajy junior ity ny orinasa Vision Madagascar (Vima), izay tafaroboka amin’ny fanohanana ny hetsika ara-panatanjahantena eto Madagasikara. Isan’ireo mpanohana ofisialy ny “marathon international de Tana” hotontosaina eto Antananarivo amin’ny volana oktobra ho avy izao ihany koa izy ireo. R.A |
|
Fitaterana Itaosy – Nibahan-dalana indray ny zotra 133
Tsy mety miravona ny olana misy eo amin’ireo mpitatitra eny Itaosy sy ny mpitandro ny filaminana. Naneho ny tsy fankasitrahany tamin’ny alalan’ny fibahanan-dalana sy filanjana sora-baventy indray ireo taksiben’ny zotra 133 omaly, nanomboka tamin’ny 11 ora antoandro ka hatramin’ ny 12 ora. »Tazonina any amin’ny biraon’ny kaomisaria ny namanay, nefa tsy nisy fahadisoana nataony. Ny fangalana ny taratasin’ny fiara sy fampiantsoana ny mpamily no tena tsy rariny mihatra aminay », hoy ireo mpamily amin’ity zotra. « Famalivaliana sy faniratsirana nataon’ilay mpamily ny mpitandro filaminana no nitazonana azy fa tsy misy resaka tsindry hazolena mihitsy », hoy kosa ny loharanom-baovao avy amin’ny kaomisaria ao an-toerana. Vetivety dia tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanokatra ny lalana ary nitohy tamin’ny fifampidinihana niaraka amin’ ireo tompon’andraikitra samihafa ao an-toerana ny famahana ny olana. LR |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |