|
Seho “FETIN’NY MAMAN’TY” – Hifangaro etsy Antsahamanitra ny hira sy ny hatsikana Tafiditra ao anatin’ireo fanomezana ho an’ny Reny. Hiara-dia amin’ny seho hatao etsy Antsaha- manitra mandritra ny fety ho an’ny reny ho avy izao na ny «Fetin’ny Maman’ty» ny hira sy ny hatsikana. Nampiraisin’ ny LH Pro, mpikarakara ny hetsika ireo andrarezin’ ny hatsikana malagasy, Gothlieb, Françis Turbo, Foy Hehy ary ry Rajao Mianakavy. Ho an-dry Rajao Mianakavy, dia hofehezin’izy ireo amin’ny alalan’ny hira ny tantara nolalaovin’ izy ireo toy ny «Malok’ila», amin’ny alalan’ny «Afindrafindrao» sy ny «Vakansin-dRajao mianakavy». «Santionany fotsiny ireny, fa marobe ireo hiranay niainga avy amin’iny tantara iny», hoy i Tsarafara Rakotoson, very anarana amin’ny hoe Rajao. Ho an-dry Gothlieb, Françis Turbo ary Foy Hehy kosa dia hisongadina kokoa ireo hatsikana miainga amin’ ny reny sy ny tranga rehetra manodidina azy. Tsy hadinon’ireo mpandray anjara rehetra ny fiaraha-miventy ilay hira malaza amin’ny haino aman-jery ankehitriny “Vavaka ho an’i neny”, sanganasan’i Ramy Franck sy ny «Mama» an-dRamahafadrahona. Faly Ran. |
|
Faha 35 taona ao Olympia – Haharitra ora telo ny fampisehoan’ i Erick Manana Hoentina any ivelany ny endriky ny seho natao tetsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina. Hitohy ao amin’ny Olympia any Frantsa ary haharitra adiny telo ny fampisehoana miara-dalana amin’ny faha-35 taona nidiran’i Erick Manana teo amin’ny sehatry ny kanto, ny 12 janoary 2013. Hizara telo amin’ny ankapobeny ny fampisehoana, ka ny ora iray voalohany dia natokana ho an’i Erick Manana sy ny gitarany amin’ny endrika rehetra. Hiarahany amin’ny Feo Gasy kosa ny ora faharoa ary ireo hira hiarahany amin’i Jenny sy ireo mpitendry miaraka aminy no handrafitra ny ora fahatelo farany. Hampiavaka ity fampisehoana ity ny fiaraha-miasan’ny trano mpamokatra frantsay Production Possible sy ny mi’Ritsoka Production. Hamoahana rindran-tsary anaty DVD telo ihany koa io fampisehoana io. «Raha tsy misy ny sampona, dia afaka efatra na dimy volana aorian’ny fampisehoana no ho tonga eto Madagasikara ireo vokatra ireo», hoy kosa i Erick Manana. Faly Ran. |
![]() |
Toro anatra Miaraka amin’ny Ceg Antanimena – kilasy taona Fahasivy (3ème) Ny taranja Malagasy Araka ny fanazavana nentina tamin’ny talata lasa teo dia misy ny tanjona ezahana hotratrarina amin’ireo mpianatra isaky ny ambaratongana kilasy lalovan’izy ireo. Mifampiankina ireo ambaratonga ireo. Ho an’ny taranja Malagasy dia tsikaritra izay fifampitohizana izay eo amin’ny fianarana ny literatiora. Sokajin-dahatsoratra efatra no misy ao anatin’ny literatiora dia ny lahatsoratra manoritsoritra hianarana ao amin’ny taona Fahenina, ny mitantara (taona Fahafito), ny manazava hevitra (taona Fahavalo) ary ny mandresy lahatra (taona Fahasivy). Na efa tonga eo amin’ny taona Fahasivy aza anefa dia mety mbola hanadinana ireo sokajin-dahatsoratra tany amin’ny ambaratonga ambany. Atolotra amintsika ao anatin’ity fafana ity ny fomba ahafantarana ireo sokajin-dahatsoratra ireo. FAMINTINANA IREO SOKAJIN-DAHATSORATRA
Hanitry Ny Aina |
![]() |
Hafatry ny lanitra ANDRIAMANITRA NO VAVOLOMBELONA Nifandona, hono, ny fiaran’ireto Mpitandrina roa, ary dia nifamaly teo izy mirahalahy. Ianao no diso, hoy ilay zokiny fa nangalatra ankavanana ianao. Tsia, hoy ilay mpitandrina zandriny, nandeha mafy ianao ka tsy voatazonao intsony ny familiana dia nifatratra aty amiko. Tonga hatrany amin’ny Fitsarana mihitsy ny raharaha. Rehefa tonga tany amin’ny Fitsarana, mbola samy nifanjija izy roa lahy, dia nanontany ilay mpitandrina zokiny ny mpitsara: -Manana vavolombelona ve hianao? -Eny tompoko, Andriamanitra no vavolombelona Dia napetraka tamin’ilay zandriny koa ny fanontaniana - Ary ianao, manana vavolombelona ve? - Eny Tompoko, Andriamanitra koa ny ahy no vavolombelona! Rehefa nisintona ny Fitsarana, nivoaka ny didy, tankina tsy nahateny izy roa lahy: - Meloka ianareo roa lahy satria nampidi-kizo an’Andriamanitra koa dia saziana telo volana an-tranomaizina! Hafatra tiana ho tsoahina: Tandremo an! Tsy miditra amin’ny adin’izao tontolo izao Andriamanitra. |
![]() |
Ao raha hikabary “Ho any am-bohitr’olona” Rehefa vita ny dinidinika sy ny fombafomba rehetra, azo ny zatovovavy nangatahana, avy hatrany dia miala ao an-tranon’ny ray aman-dreniny ravehivavy hanaraka ny vadiny “ho any am-bohitr’olona”. Manatitra azy any ny fianakaviany ka efa manomana sakafo ho an’ireto mpanatitra ny avy amin-dralehilahy. Tsy misy kabary ifamaliana intsony rehefa tonga any fa fifanafatrafarana fotsiny no atao miampy anatranatra ho an’ireo mpivady vao mba hahay hitondra tokantrano. Ny fianakaviana avy amin-dravehivavy manafatrafatra sy manantitrantitra amin’ny fianakavian-dralehilahy ny amin’izay ho fitondrana ny zanany vavy mba tsy ho ratsy fitondra. Ny fianakavian-dralehilahy kosa manamafy ny fanomezan-toky efa nataony fa ho tsara fitondra an-dravehivavy. (mbola hitohy…) |
![]() |
FIM Andranomena – Hanome tolotra vaovao ny Orange expo Tafiditra ao anatin’ilay Foara Iraisam-pirenena (FIM), izay hanomboka anio eny amin’ny Park Futura Andranomena, dia hisy ny fifaninanana sy tolotra vaovao avy amin’ ny Orange Madagascar ao anatin’ny orange Expo. Ho hita amin’izany ireo karazana lalao sy fialam-boly samihafa mifandray amin’ny teknolojiam-pifandrai- sana ho an’ny rehetra, toy ny fifaninanana mamily fiarakodia, Golf ary Tsy hadino ny fampahafantarana ireo hiaka farany sy vokatra vaovao eo amin’ny sehatry ny Fifandraisana, ka isan’ny ho hita ao amin’ny Orange expo ohatra ny «Tabbee» izay fitaovana iray sady ahafahana miserasera amin’ny Internet, mijery fahitalavitra sy mihaino radio, hihainoana mozika…. Faly Ran. |
|
Fitrandrana safira Alaotra – Hampandoavin’ny faritra Ar 5 tapitrisa ireo Srilankey
Mikendry hampandoa karazana onitra manoloana ny korontana ateraky ny fandraharahana tsy ara-dalàna ataon’ireo Srilankey ao Ambatondrazaka ny faritra Alaotra-Mangoro. Nampivory ireo Srilankey sy ireo tompon-tsena fividianana vato sarobidy tao amin’ny trano fivorian’ny Ekar Victoire Rasoamanarivo ao an-toerana Ramandehamanana Richard, Lehiben’ny faritra Alaotra-Mangoro, omaly. «Tapaka nandritra ny Filankevitry ny faritra fa hampandoavina Ar 5 tapitrisa ireo mpividy vato ireo. Any amin’ny Tahirim- bolam-panjakana avy hatrany no haloa io vola io», hoy izy. Nilaza avy hatrany ny teo anivon’ny minisiteran’ ny Harena an-kibon’ny tany fa tsy tompon-kevitra amin’izao lalan-kizoranny faritra Alaotra-Mangoro izao. Tokony hakatona i Didy «Ny anay dia ny fampi- tsaharana sy fanafoanana ny fitrandrahana any anaty faritra arovana sy ny endrika fandraharahana manodidina izany», hoy Rakotoarimanana Pamphile Julien, sekretera jeneralin’ ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany. Tsy takona afenina kosa anefa fa mitarazoka ny fandraisana fepetra sy andraikitra ataon’ny governemanta manoloana ity raharaha ity. Efa mipaka ao Antsevabe, Antanandava hatrany Manakambahiny-atsinanana sy ao Vodivato Ambohiboatavo ihany koa anefa ny fitrandrahana vato rubis ankehitriny. Ny hany fantatra dia ny fisian’ny polisy sy zandary nidina nanara-maso ny fitrandrahana ao Antanandava sy Vodivato, ary ny fanaraha- maso ny fidirana sy fivoa- hana ao Ambatondrazaka. Hery Fils A./Hanitry Ny Aina |
|
Fitaterana – Handaniana ny 5%-n’ny harin-karena ny lozam-pifamoivoizana Antony faha-10 mahatonga ny fahafatesana maneran- tany ny lozam-pifamoivoizana. Ny 5%-n’ny harin-karena faobe (Pib) eny anivon’ireo firenena mahantra anefa dia lany noho ny lozam-pifamoivoizana avokoa. Natokan’ny vondron’ny mpandraharaha ara-tsolika eto Madagasikara (Gpm) handinihana miaraka amin’ ireo mpitatitra isan-tsokajiny ireo vahaolana ho amin’ ny aro lozan’ny fifamoivoizana ny andro omaly tetsy amin’ny Château de l’amitié tetsy Andavamamba. Hanolotra soson-kevitra hanatsarana ny aro lozan’ny fifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena sy an-tanàn-dehibe, ny fitondran-tena sy ny fahazaran’ireo mpampiasa ny lalana, ny fanatsarana ny fiara ampiasaina amin’ny minisiteran’ny Fitaterana ny Gpm. Notsindrian’i Olga Rabakoarisoa, lehiben’ny sampan-draharahan’ny arolozan’ny fifamoivoizana eo anivon’ny minisiteran’ny Fitaterana mantsy fa « ny fitondran-tenan’ny mpamily, ny olana ara-teknika amin’ ny fiara… no isan’ny mahatonga ny lozam-pifamoivoizana ». HNA |
![]() |
Fanjifana – Lafolafo kokoa ilay gazoala tsara kalitao Raha ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena dia misy elanelana Ar 60 ny iray litatra amin’ny gazoala ahitana tahana sofra 5 000 PPM ampiasaina amin’izao fotoana izao, raha oharina amin’ilay gazoala ahitana tahana sofra 500 PPM, eritreretin’ny minisiteran’ny Solika hampiharina manomboka ny volana aogositra ho avy izao. « Miankina amin’ny fiovaovan’ny vidin-tsolika iraisam-pirenena no hiovan’io elanelana io. Raha tsy misy ny vahaolana avy amin’ny Fanjakana tsy hanetsehana ny vidiny, dia tsy maintsy hisy fiantraikany any amin’ny vidin’ny gazoala io fanatsarana ny kalitaon’ny gazoala io », hoy ny avy amin’ny vondron’ny mpandraharaha ara-tsolika (GPM). Mbola mitohy ny fifampidinihana eo amin’ny roa tonta mahakasika izany sy mahakasika ny vahaolan’ny solika amin’ny ankapobeny. Raha ny nambaran’ny GPM hatrany dia tokony hihoatra Ar 600 amin’ny sara mihatra amin’izao fotoana ny tokony ho vidin’ny solika eny amin’ny tobin-dasantsy ankehitriny. HNA |
![]() |
Lalao – Mpanjifa 30 an’ny Airtel nizaràna loka Ar 150 000 hatramin’ ny Ar 2,4 tapitrisa. Io lela- vola io no nampidirina avy hatrany tany amin’ny kaonty Airtel Money an’ireo mpanjifan’ny orinasam-pifandraisana Airtel, nahazo loka nandritra ny lalao « Chooze your prize ». Naharitra iray volana, ny 29 marsa hatramin’ny 27 avrily 2012 teo ity lalao ity. Nisy 30 ireo mpanjifa no nizarana ireo loka ireo afak’omaly teny amin’ny foiben’ny Airtel. Tsotra ny fandraisan’ anjara amin’ny lalao « Chooze your prize ». Rehefa tafiditra ao anatin’ny tolotra misy ny lalao ny mpanjifa dia mamaly karazam-panontaniana ahazoana isa 10 isaky ny valim-panontaniana marina. Misy karazana loka antsoina hoe « bonus » eny anelanelam- potoana eny, ka mety hahazoana vola hatramin’ ny Ar 15 tapitrisa isan’andro, na hatramin’ny Ar 30 tapitrisa isaky ny herinandro. Ahitana hatramin’ ny fitaovan-tokantrano mandeha amin’ny herinaratra sy fiara ny loka atolotry ny Airtel. HNA |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |