|
Hetsika politika – Hifampitana eny Ambohijatovo ny samy Ravalomanana Tsy hihemotra ny ankilany ary nanizingizina ny tsy hitsitsy koa ny andaniny. Tsy ho azo ihodivirana ny mety hisian’ny fifandonana eny amin’ny kianjan’ Ambohijatovo anio. Omaly dia mbola nanamafy ny hanatanteraka ny hetsika famoriam-bahoaka eny amin’ity kianja efa notokanana ho »kianjan’ny demokrasia » ity ireo parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Ireto farany izay mbola nanamafy fa raha ny voafaritra ao amin’ny andininy faha-18 ao anatin’ny sori-dalana dia « zon’izy ireo ny maneho hevitra sy manao tatitra amin’ireo mpanara-dia azy ». Nambaran’izy ireo ihany koa fa hisy amin’ireo parlemantera sasantsasany ivelan’ny ankolafy Ravalomanana hanotrona ity hetsika kasaina hotanterahina anio ity. Hatramin’ny omaly dia tsy nahazo alalana hanatontosa ity hetsika ity ireto mpanara-dia ny mpanorina ny orinasa Tiko ireto. «Noho ny amin’ny maha toerana natokana hanaovana hetsika ara-kolontsaina sy ara-tsosialy ny eny Ambohijatovo dia niangaviana ny hitady toeran-kafa hanaovana io hetsika io izy ireo», araka ny fanazavan’ny «Préfet de police» an’Antananarivo Renivohitra, Francis Odilon Rasoanaivo. Nanamafy ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra fa « azon’ireo parlemantera ireo tsara ny nangataka kianja hafa toy ny eny Andohatapenaka ohatra mba hihaonana amin’ny vahoaka ». Nampitandrina Rajoelina Etsy andanin’izay dia efa miomankomana amin’ny fametrahana ireo paikady rehetra ahafahana misakana ity hetsika ity ny mpitandro ny filaminana. «Tsy misy olona ambonin’ny lalàna eto. Tsy handefitra amin’ny fihoaram-pefy sy izay mety ho fanohintohinana ny filaminam-bahoaka mihitsy izahay», hoy ny fanamarihan’ny jeneraly Richard Ravalomanana lehiben’ny fari-piadidian’ny Zandarimaria eto Antananarivo. Tsy kisendrasendra rahateo fa omaly hariva no nanoloran’ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina ireo fiara tsy mataho-dalana miisa 30 ho an’ny Foloalindahy. Nilaza mihitsy ny Filohan’ny tetezamita fa «tsy mety ary tsy ekena ny fanakorontanana ». « Efa fiaraha-mitantana izao ka eny amin’ny parlemanta sy ao anatin’ny filankevitry ny minisitra sy ny governemanta no tokony hiady hevitra fa tsy eny an-dalambe hanao inona indray? », hoy ny fanamarihany. Na dia tsy novantaniny aza dia karazana baiko hentitra amin’ny hifehezana ity hetsika ity mihitsy no nomen’ny mpanorina ny antoko Tanora malaGasy Vonona ireo mpitandro ny filaminana teny an-toerana. «Na inona na inona vatomisakana dia tsy maintsy mijoro isika. Tsy mety ny fampisaraham-bazana ary misy ny manao izany amin’ny endriny samihafa», hoy izy.
JR
|
|
Resaka “Pont”-litika Anarany fotsiny no mba faran’ny herinandro lavabe fa tsy maintsy hosembanin’ity gidragidra politika ity indray! Izao “pont” omena ny alatsinainy 30 avrily izao no antsoina hoe fanomezana misy poizina. Ny sasany manao pi-maso sy manambitamby ny mpiasa madinika, te ho tsara endrika eo imason’ireo vahoaka sahirana. Ny hafa mandrangaranga korontana tsy misy farany, be fihetsiketsehana, tsy manondrana raha tsy tonga vahiny. Mahalasa saina sady mampanontany tena hoe tena samy mikatsaka izay fomba hahafahana mivoaka amin’ny krizy tokoa ve ireto mpanao politika malagasy ireto? Na ny mpitondra io na ny mpanohitra. Na ny marimarina kokoa, na ny mpiara-mitantana na mpiara-misaosy… Aleonay rangahy tsy asiana “pont” na tetezana izany fa aleo izahay hiaina am-pilaminana tsy misy romoromo a! Ny firenena ity mihamahantra; ny krizy mihalalina; ny fifankahalana mihamitombo. Ireo mpiasa madinika anie tsy dia hanana tombony firy amin’izay andro iray tsy hiasana e! Nefa mety ho hitan’ny vazanainy ihany iny iray andro tsy handoavana saran-dalana sy vidin-tsakafo ary havizanana amin’ny fitohanan’ny fiara iny. Ireo politisianina hajaina kosa, tsy maintsy hody ny masoandro ho an’ny andron’ny savorovoro anio, saingy hitsangantsangana miaraka amin’ny fianakaviany sy hilaoka sakafo be izy ireo manomboka rahampitso. Aoka tsy holazaina fa ny Malagasy no tsy mahay misitraka ny fialan-tsasatra kely omena azy. Ianareo mpanao politika mihitsy no mandoto ny androm-piainany. Ady tsy vita hatrizay ny anareo efa tsy hisy fiafarany intsony. Hihatsaravelatsihy fotsiny anie ireo mpiasa madinika ireo raha hisy hisaotra fa natao “pont” ny alatsinainy ho avy izao e! Firifiry amin’izy ireo indray no andeha hamono tena sy hitady raharaha ho kofon’ny baomba mandatsa-dranomaso etsy Ambohijatovo avy eo? Mihetsika amin’izay mahametimety ny fihinanany ireo mpanao politika malagasy. Jereo anie e! Mandalo eto ny iraky ny Firenena Mikambana: mikiry hamory vahoaka ny andaniny (Ambohijatovo), minia mandentika ny mpifanandrina aminy ankilany (Raharaha 07 febroary). Inona fa tsy dia ny mandrehitra sy ny mamono afo ihany no tena manavanana eto ! Rina Rasoava
|
![]() |
Tapatapany MANIPY BAOLINA. Efa misy ny tompon’andraikitra amin’ny famaliana ireo fitakiana sendikaly, raha ny valin-teny famerimberin’ny Filohan’ny tetezamita. Isan’izany ny mikasika ny fitokonan’ireo sendikan’ny mpampianatra eo anivon’ny Sempana. Isan’ny naresaka tato ho ato ny fitakian’ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara ho fampiharana ireo fehin-kevitra nifanarahana teny Ivato. Napetrak’i Andry Rajoelina eo am-pelantanan’ny minisitry ny Serasera, Harry Laurent Rahajasona ihany koa ny mahakasika ny raharaha fitoriana ny onjam-peo «Free Fm». MITADY FANOHANANA. Araka ny fantatra dia nisy ny fihaonan’ireo tompon’andraikitry ny sampana iraisam-pinoana misahana ny raharaham-pirenena (Sefip) eo anivon’ny Ffkm tamin’ireo solontenan’ny Banky iraisam-pirenena, ny alakamisy teo. Ny fanazavana ny fomba hiatrehan’ny Sefip ny fanelanelanana amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara no niompanan’ny fifampidinihana. Isan’ny noresahana ihany koa ny olana mahakasika ny sosialim-bahoaka. MIANDRY FITSARANA. Araka ny fanazavan’ny minisitry ny Filaminana anatiny, Arsène Rakotondrazaka teny Ivato omaly, dia saika efa eto Antananarivo avokoa ireo polisy voarohirohy tamin’ny raharaha famonoana ilay mpitsara tany Toliara, Michel Rehavana. Efa nisy ny fanaterana ireo antontan-taratasy mahakasika ity raharaha ity eny amin’ny Fitsarana, araka ny fanazavan’ity minisitra ity ihany. ADY AMIN’NY TSY FANDRIAMPAHALEMANA. Fiara tsy mataho-dalana ( »4×4 Pick-up ») miisa 30 no natolotry ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina ho an’ny Foloalindahy teny amin’ny sekolim-pirenena ambony fanofanana polisy teny Ivato, omaly. Toromarika hentitra no nomen’ny Filohan’ny tetezamita amin’ny fampiasana ireto fiara ireto ho fiahiana ny fandriampahalemana eto amintsika. Volam-panjakana no nividianana ireto fiara tsy mataho-dalana ireto raha ny fanazavan’ny mpanorina ny antoko Tanora malaGasy Vonona. |
![]() |
Raharaha 7 Febroary – Manao izay handentehana tanteraka an-dRavalomanana ny Av7 Tonga teto an-drenivohitra omaly i David Erleigh, mpisolovava afrikanina tatsimo, nasaina namotopototra momba ireo fitarainana voaray tamin’ny raharaha 7 febroary 2009. Nanamafy ity farany fa nisy fitarainana miisa fito avy amin’ny Fikambanan’ireo niharam-boina tamin’ny 7 febroary 2009, teny Antaninarenina (AV7), voarain’ny Fampanoavana ao Afrika Atsimo ny 1 avrily 2012. Nisy dika mitovy amin’izany napetraka tany Genève sy tany amin’ny Sadc ary any amin’ny masoivoho malagasy ao Prétoria. «Nolanian’ny Antenimierampirenena afrikanina tatsimo tamin’ny taona 2002 ny lalàna fampiharana ny satan’i Roma, voafaritry ny fitsarana ady heloka bevava iraisam-pirenena. Voalazan’io lalàna io fa na iza na iza monina ao Afrika Atsimo dia azo ampiharana an’izany lalàna izany», hoy ity mpisolovava afrikanina tatsimo ity.
Barphil Andriantsiferanarivo |
![]() |
Adala tompo? Orinasa goavana sinoa mpitrandraka harena ankibon’ny tany miisa telo sy orinasa tailandey iray, mbola miasa amin’io sehatra io ihany no tsy manaiky ny hiditra ao amin’ilay ezaka ho amin’ny fangaraharahana eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany na ilay antsoina hoe »EITI ». Azo adika tsotsotra ho karazana pasipaoro iraisam-pirenena hanamarinana fa mangarahara tokoa ny manodidina ny fitrandrahana ireo harena ireo amina firenena iray, fa indrindra ny mahakasika ny hetra aloa amin’ny fanjakana io »ezaka EITI » io. Mazava ny karatra hoy ilay mpisikidy fa matoa tsy manaiky ny hiditra ao anatin’izay rafitra mangarahara izay ireo orinasa vahiny ireo dia misy ny tsy mazava ao. Mivandravandra ny fitsetsefana. Ny tompon’andraikitra malagasy no tokony haka fepetra hentitra manoloana izany. Rehefa tsy to izany dia mazava ihany koa hoe iza no tena fositra. Ankoatra ny mpitsetsitra mantsy dia mety misy ihany koa ny manaiky hotsetsefina. |
|
Fitafiana – Efa mihavitsy ny friperia any ivelany Miharitra ny « fripy ». «Tsy vitan’ny misondro-bidy fa miha tsy misy ihany koa ireo fitafiam-bazaha efa niasa na fantatra amin’ny hoe –friperia- any ivelany any. Mamely an-dry zareo vahiny ny krizy ara-toekarena ka velona angamba ny fitsitsiana», hoy ny mpamongady friperia iray. Miha manahirana noho izany ny fitadiavana entana any ivelany, ka misy manahy fiakaram-bidy tampoka mihitsy ireo mpamongady atsy ho atsy. «Arakaraka ny firenena nanafarana azy ny vidin’ny entana. Misy ireo miaka-bidy fa misy ihany koa ny tsy mihetsika», hoy Ndriantiana Misa, mpivarotra friperia eny Isotry. Ny fonosana friperia avy any Espaina sy Belzika ohatra dia tsy mbola nisy fiakarany, raha ny nambaran’ny mpamongady iray eny Andrefan’Ambohijanahary. Ny avy atsy Frantsa sy Aostralia kosa no maro amin’ireo nisondro-bidy ireo, raha ny filazan’ny mpamongady hafa eny Andravoahangy. Manodidina ny Ar 20 000 isaky ny fonosana ka hatramin’ny Ar 50 000 eo izay fiakaram-bidy izay amin’ny ankapobeny. Ankoatra izay dia nilaza ihany koa ireo mpivarotra friperia fa misy ifandraisany amin’ny toetr’andro eto amintsika ihany koa io tsy maha marin-toerana ny vidin’ny friperia io. «Rehefa hiditra amin’ny ririnina toy izao matetika dia tsy maintsy miakatra ny vidin’ny fitafiana mafana ary mihena ny vidin’ny fitafiana maivamaivana», hoy ny mpivarotra iray hafa eny Andravoahangy. Monica Rasoloarison |
![]() |
Raharaha Toliara – Niampy iray indray ireo voasambotra Olona iray indray no voasambotra tany Toliara, omaly. Ny famotorana ireo olona telo voasambotra nahatrarana ny findain’ilay vehivavy frantsay maty no nahatonga ity fisamborana tao Toliara ity. Ireo olona efatra nampidirina am-ponja vonjimaika tamin’ny herinandro kosa dia voalazan’ny polisy fa noho ny raharaha famonoana vazaha tamin’ny Paska tamin’ny taon-dasa no maha voarohirohy azy ireo. « Niampy iray indray ireo voasambotra omaly tany Toliara. Isan’ireo tena nandray anjara tamin’ny famonoana ireo vazaha roa mpifankatia, andro vitsy lasa izay, ireo olona voasambotra ireo ary nanaiky sy nitantara ny zavatra nataony izy ireo », hoy ny avy amin’ny polisy. Faralala |
![]() |
Serasera – Hosantarina any Avaratra ny «Telma M’Sôma» Tafiditra amin’ny paik’ady ho fijerena ny vinavinan’ny orinasa sy ny zava-misy any amn’ny faritra amin’ny fampandrosoana ny ara-toekarena, dia hiainga any amin’ny faritra Avaratry ny Nosy ny “Telma M’Sôma”. Hisongadina ny fihaonan’ireo tompon’andraikitra amin’ireo mpanjifa, ny orinasa ary ireo mpandray anjara amin’ny fampandrosoana ara-toekarena any amin’iny faritra iny. Hisy kosa ny fitetezan’ny fiaraben’ny Telma, mampahafantatra ireo tolotra omeny ny mpanjifa, toy ny «Telma M’Ora». Mifanindran-dalana amin’izay ihany koa ny fifaninanana ho an’ireo mpanjifa, ka hisy fisarihana efatra isam-bolana hanolorana ny loka goavana. Vao omaly ohatra no nisy mpanjifa Telma 10 nahazo loka tamin’ny fividianana entana tany amin’ny Telma Shop nandritra ny volana desambra. Loka lehibe tamin’izany ny tapakilana fiaramanidina roa mankany Frantsa, «Tablette », «I Phone» ary fahafahana mividy entana mitentina Ar 500.000.
Faly Ran. |
![]() |
Behoririka – Sinoa nandratra olona Renim-pianakaviana iray no nampandre ny polisy teny Tsaralalàna afak’omaly hariva noho ny fandratrana olona nataona teratany sinoa iray teny Behoririka. Nentina teny amin’ny hopitaly avy hatrany ilay naratra. Ny lohan’ilay lehilahy no nisy ratra, saingy tsy atahorana ny ainy. « Tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany no tonga teto aminay ilay vehivavy nitaraina. Tonga teny an-toerana izahay nijery ny zava-nisy, saingy efa tsy tao amin’ilay fivarotana intsony ilay naratra. Nahay nifanaraka ihany ny roa tonta. Misy rohim-pihavanana rahateo ilay Sinoa sy ilay noratrainy », hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny polisim-pirenena.
Faralala |
|
Andranomanalina – Mpivarotra saribao voatafika, lasa 2 tapitrisa Ariary
Afak’omaly vao maraimbe tokony ho tamin’ny 1 ora maraina no nanafihan’ny jiolahy ny mpivarotra arina fandrehitra iray teny Andranomanalina. Olona roa no naratra notifirin’ireo jiolahy. Nifanehitra tamin’ny polisy teo Antohomadinika ireo jiolahy, saingy tafaporitsaka ihany. « Fito lahy ireo nanafika. Ny enina tamin’ireo no nanao saron-tava. Nitondra basy « kalachnikov » ny iray ary poleta kosa no nentin’ny roa. Ankoatra ilay lelavola dia nisy ihany koa ny firavaka volamena lasan’ireo jiolahy », hoy ny tatitry ny polisy. Taorian’ilay fanafihana dia nihazo ny lalana mankany Antohomadinika ireo jiolahy. Nisy ny fanenjehana nataon’ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria ao 67 ha sy ny Gir , saingy tsy nahitam-bokany izany. Efa nanenjika ihany koa anefa ny fokonolona.
Faralala |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |