Subscribe to RSS

« Lalao » tsy olimpika

Saika hifaly havanja ireo mpomba an-dRavalomanana, fa rehefa tsy tonga ihany ny « dadany » hatramin’izao, dia indro fa nigadona nangingina teny amin’ny seranam-piarama-nidin’Ivato omaly ny « neniny ». Tena tsy re tsaika tokoa ny fahatongavan’i Lalao Ravalomanana. Rehefa tsy natao manakoako tokoa angaha dia tena tonga izay nandrasana. Tsy tahaka ireo fitsenana makotrokotroka, sanatria niandry matoatoa, tamin’ny filazana imbetsaka hoe « ho avy Ravalo, ho tonga Ravalo »! Saingy hafaliana niserana ihany.

Fa naninona? Hanao inona? Hitondra inona?… hoy angamba ireo tandapa, raha vantany vao nahare, ka nikoropaka tamin’ity vaovao omaly ity. Tany ho any anefa, vao re fa hoe tonga i Lalao Ravalomanana omaly, dia noheverina fa tsy kisendresendra raha taorian’ilay fifanatrehana teo amin-dRavalomanana sy Rajoelina tatsy Nosy Seychelles, vao tamin’ity herinandro ity no nitrangany. Nandiso avy hatrany izay eritreritra izay ny zava-nisy, indrindra fa nolazaina ho tsy manana raharaham-pitsarana mahakasika azy ity vadin’ny Filoha teo aloha ity.

Henjana ilay kajikajy. Azo heverina fa ny nampodian-dRavalomanana ny andefimandriny dia mba handrefesana ny halalin’ny rano sy hampanaonao foana ny fitondrana tetezamita ankehitriny indray. Dia ho avy ity Filoham-pirenena teo aloha ity hanao be takalaza any amin’ny Sadc hoe « tsy manam-piniavana hametraka fitoniana eto mihitsy ny mpitondra ny tetezamita » Ary niniany tsy natao ren-tany ren-danitra toy izay niseho teo aloha mba haha tafaroboka izay nojonoana ao anatin’ny haratony.

Nahomby ny tetik’ady, saingy mbola ao anatin’ny kianjan’ ny fifampihantsiana hatrany izany ry Rajoelina sy Ravalo-manana. Mbola nitsefotra hatrany kosa ny fanelanelanan’ ny Sadc. Dia tena mitombo hatrany tokoa ny elanelana eo amin’izy roa lahy taorian’iny tranga teny Ivato omaly iny. Izao ho avy ny mpanadrohadro hanontany hoe « Iza indray koa no matahotra an’i Lalao Ravalomanana?».

Vao mainka manahirana ny toe-draharaha. Tsy misy manam-piniavana hanary ny kibay eny an-tanany avy ny rehetra. Ka na Nosy Desroches na Maputo, toa tsy mety ho tapitra mihitsy ny lalaon’ny roa tonta…

Rina Rasoava

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Fiaraha-mitantana telo loha – Tsy mbola nankatoavin’ ny governemanta ilay volavolan-dalàna

Fiaraha-mitantana telo loha – Tsy mbola nankatoavin’ ny governemanta ilay volavolan-dalàna

Manjavozavo tanteraka ny ho fipetraky ny fitantanana ny tetezamita aorian’ny mety ho fametraham-pialan’ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina, eo amin’ny toerany. Nirava maina ny Filankevitry ny minisitra, omaly, teny Iavoloha, izay tokony nankatoavana ilay volavolan-dalàna naroson’ny minisiteran’ny Atitany mamariparitra ny fitsipi-dalao maha­kasika ny fiaraha-mitantana ny tetezamita hiarahan’ny Praiminisitra, Omer Beriziky sy ny filohan’ny Kaongresin’ny tetezamita, Mamy Rakotoarivelo ary izay ho solon’ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, ny jeneraly Dolin Rasolosoa. «Tsy nisy ny fanapahan-kevitra noraisina ny maraina satria mbola samy nilaza ny handi­nika lalina sy hanontany hevitry ny Cenit sy ireo antoko niaviany avy mahakasika io vola­volan-dalàna io ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Tokony notohizana ny hariva ihany anefa io fivoriana io saingy tsy raikitra tampoka tamin’ny ora farany izany», araka ny fanazavan’ny minisitra iray eo anivon’ ny governemanta izay nisafidy ny tsy hitonona anarana. Voalaza fa «tsy nety nitovy hevitra hatramin’ny farany mahakasika ny fampiharana ny volavolan-dalàna momba ity fiaraha-mitantana telo loha ity mihitsy ny ankamaroan’ireo minisitra nivory teny an-toerana». J.R

Tapatapany

Tapatapany

TSY LANY> Naroso nodinihina teo anivon’ ny Filankevitry ny mini­sitra, omaly, teny Iavo­loha ihany koa ny vola­volan-dalàna mahakasika ny fomba ahafahan’ireo kandidà misintona ny firotsahan-kofidiany amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Tsy mbola nitovy hevitra ny hankato izany ihany koa ireo minisitra eo anivon’ny governemanta. NALEVINA TEO AN-TOKOTANY> Ny alarobia teo no voalevina soa aman-tsara ny Evekan’Antsirabe miso­tro ronono, Ramanana­rivo Felix, rehefa namoy ny ainy noho ny fahan­terana, ny alahady 12 mey. Teo an-tokotanim- piangonana katedraly «Notre Dame de la Salette» ao Antsirabe ihany no nandevenana azy. Feno hipoka ny arabe manodidina nandritra ny fotoam-pivavahana farany nanaovam-beloma azy.

Lalatina Ravololomanana – « Mety hiteraka ra mandriaka ny fifidianana amin’ny 24 jolay»

Lalatina Ravololomanana – « Mety hiteraka ra mandriaka ny fifidianana amin’ny 24 jolay»

Nanakiana mafy ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana (Ces) i Lalatiana Ravololomanana, omaly. Tonga hatrany amin’ny filazana fa mety hisy ra mandriaka, toy ny zava-piseho any Afrika mihitsy, ny fanehoan-kevitr’ity farany manoloana ny fikirizana hanao fifidianana amin’ny 24 jolay. Manahy mafy ity mpitarika ny antoko Manda ho an’ny firaisam-pirenena ity ny amin’izay zavatra hiseho « indrindra fa raha ny firafitry ny Ces ankehitriny ihany no tazomina », araka ny fanehoan-keviny. «Ravàna ny Ces ankehitriny. Atao ny fampihavanana ka tsy misy manana alahelo na amin’iza na amin’iza eto, toy ny fampihavanana ataon’ireo raiamandreny am-panahy ao amin’ny Ffkm. Hatsangana ny Ces vaovao tsy ao anatin’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana fa mahaleo tena mihitsy. Havela hisafidy izay Lalàm-panorenana tiany hitondrana ny firenena ny vahoaka Malagasy aorian’izay», hoy i Lalatiana Ravololomanana. Ranaivoson Faniry

Parlemanta – Manakiana  ny voalaza  fa fitsabahan’ ny vahiny

Parlemanta – Manakiana  ny voalaza  fa fitsabahan’ ny vahiny

Tohina. Niray feo ireo Parlemantera avy amin’ny vondrona tsy miankina eny Tsimba­zaza nanohitra izay voalazan’izy ireo fa fitsa­batsabahan’ny sehatra iraisam-pirenena. « Miangavy anareo izahay, aoka re tsy hose­nareo ny fiandrianam-pirenenay Malagasy ka ianareo indray no hanery anay ary handeha hisa­fidy eo amin’ny toeranay izay olona hitondra anay rahampitso », hoy Rabary Thierry, filohan’ny vondron’ny parlemantera tsy miankina eny anivon’ny Kaon­gresin’ny tetezamita, nitondra tenin’ireo mpikambana, omaly. Ralalanirina Eleo­nore, mpikambana eo anivon’ity rafitra mpanao lalàna ity ihany dia nanizingizina ny tsy tokony hiitaran’ny teteza­mita intsony. « Latsaka an-katerena ny Firenena ary efa lalina loatra ny fahantran’ny vahoaka ankehitriny ka ilaina ny hanaovana fifidianana amin’ny 24 jolay », hoy izy. Mpisolovava, profesora, fikambanana zana-bahoaka, vondron’ny mpivavaka ary olon-tsotra tsy manana antoko no mikambana ao anatin’ ity vondrona parlemantera ity. R.F

Aleo ho adin’ny olom-baovao

Aleo ho adin’ny olom-baovao

Misafotofoto tanteraka ny raharaham-pifidianana! Manao antsojay ary sesilany mihitsy aza ny antso avo ataon’ireo vondrona iraisam-pirenena ny amin’ny hoe: «hanapaka ny fanampiana ara-bola hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena raha toa ka mbola misisika hirotsaka hofidiana ireo kandidà telo, Ratsiraka Didier, Ravalomanana Lalao ary Rajoelina Andry». Mazava izany ny lalan-kombana eto fa ny fialàn’izy telo mianadahy mianaka ireo ao anatin’ny hazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena no hampilamina ny raharaha. Na misy mahamarina azy ihany aza io hevitry ny vondrona iraisam-pirenena io, dia olana goavana ny fitsabahan’izy ireo lalina loatra amin’ny raharaha anatiny eto Madagasikara. Ny mahamarina azy dia izao: raha tiana hipetraka tokoa ny fanovàna nimatimatesana eto Madagasikara, dia tokony ho olom-baovao tanteraka, tsy mbola fantatra teo amin’ny sehatra politika mihitsy ary tanora, no tokony hitantana firenena amin’ny Repoblika fahefatra. Mampihomehy mantsy ny zava-misy ankehitriny satria raha ny filazan-dry Deba, tamin’ny fotoan’ androny ny amin’ny hoe: «ny tanora ankehitrio no tompon’ny taona 2000», izao anefa isika efa taona 2013 nefa mbola misisika te ho tompony ihany Ingahirainy io. Raha ny fahavitana paompy 50 isan’andro tokoa ve moa ry Dadabe Ratsiraka no mbola hahafahanao mitondra firenena, tsy aleo miala moramora fa ny tanora anie mbola betsaka no mahavita lavitra noho izany fa dia aza be resaka e! Tsetsatsetsa tsy aritra ihany iny fa aleo hiverenena ny tena resaka. Izao fibaikoan’ny vahiny ny familiana eto firenentsika izao dia midika fa tsy manana hazondamosina ary tsy mahaleo tena isika, ka azon-dry zareo lalaovina araka izay itiavany azy sy mifanaraka amin’ny tombontsoany, i Madagasikara. Rehefa tena tapi-dalan-kaleha ihany koa anefa, ka tsy mahita vahaolana intsony dia tokony ho tonga saina izy telo mianadahy mianaka miala moramora. Tsy maninona esory avokoa izay kandidà tsy manara-dalàna sy mampiahiahy dia aleo ho adin’ny samy olom-baovao. Tsy ilaina koa anefa ny Ces ankehitriny fa ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ireo mihitsy no vao mainka nampidi-kizo lalina toy izao indray. Tojo Rakotomalala

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite